< Deutéronome 4 >

1 Et maintenant, Israël, écoute les statuts et les lois que je vous inculque pour les observer, afin que vous viviez et parveniez à conquérir le pays que vous donne l'Éternel, Dieu de vos pères.
Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Ne faites aux commandements que je vous donne, aucune addition, ni aucun retranchement, gardant les commandements de l'Éternel, votre Dieu, que je vous prescris.
Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Vos yeux ont vu ce que l'Éternel a fait à l'occasion de Bahal-Pehor; car tous les hommes qui se firent les sectateurs de Bahal-Pehor, l'Éternel, ton Dieu, les extermina du milieu de toi,
Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 tandis que vous qui êtes restés attachés à l'Éternel, votre Dieu, vous êtes tous en vie aujourd'hui.
Fa ianareo izay nifikitra tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Voici, je vous ai enseigné des statuts et des lois, comme l'Éternel, mon Dieu, m'a ordonné, pour que vous vous y conformiez dans le pays dont vous venez faire la conquête.
Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
6 Gardez-les donc et pratiquez-les, car ce sera votre sagesse et votre intelligence aux yeux des peuples, qui entendront parler de tous ces statuts et diront: Il n'y a de peuple sage et intelligent que cette grande nation-là.
Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
7 Car quelle est la grande nation dont la Divinité soit aussi près, que l'Éternel, notre Dieu, l'est de nous, toutes les fois que nous l'invoquons?
Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
8 Et quelle est la grande nation qui ait des statuts et des lois justes comme toute cette Loi que je vous propose en ce jour?
Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
9 Seulement prends garde à toi et veille bien sur toi-même pour ne pas oublier les choses que tes yeux ont vues, afin qu'elles ne sortent pas de ton cœur pendant toute la durée de ta vie; mais que tu les fasses connaître à tes fils et aux fils de tes fils,
Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
10 cette journée [surtout] où tu parus devant l'Éternel, ton Dieu, en Horeb, lorsque l'Éternel me dit: Assemble-moi ce peuple, afin que je leur fasse entendre mes Paroles qu'ils apprendront pour me craindre pendant toute la durée de leur vie sur la terre, et qu'ils enseigneront à leurs enfants.
dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11 Alors vous vous êtes approchés et tenus debout au pied de la montagne, et la montagne était embrasée d'un feu qui s'élevait jusqu'au sein des Cieux, entre les ténèbres, les nuages et l'obscurité.
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12 Et du centre du feu l'Éternel vous parla; vous entendiez le son des paroles, mais vous ne vîtes aucune figure: il n'y avait qu'une voix.
Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13 Et Il vous promulgua son alliance qu'il vous ordonnait d'observer, les Dix Paroles, et Il les écrivit sur deux tables de pierre.
Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
14 Et dans ce même temps l'Éternel m'ordonna de vous enseigner des statuts et des lois, pour que vous les pratiquiez dans le pays où vous allez passer pour en faire la conquête.
Ary izaho nodidian’ i Jehovah tamin’ izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15 Ainsi, veillez bien sur vous-mêmes, puisque vous ne vîtes aucune figure le jour où l'Éternel vous parla en Horeb du milieu du feu,
Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;
16 afin de ne pas vous pervertir et de ne pas vous faire d'idole, image d'une figure quelconque, point d'effigie d'un mâle ou d'une femelle,
fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 d'effigie d'aucun animal terrestre, d'effigie d'aucun oiseau ailé qui vole dans le ciel,
na sarim-biby izay etỳ ambonin’ ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ ny habakabaka,
18 d'effigie de rien qui rampe sur le sol, d'effigie d'aucun poisson habitant des eaux au-dessous de la terre;
na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
19 et afin de ne pas élever tes yeux vers le ciel pour te laisser entraîner par l'aspect du soleil, de la lune et des astres et de toute l'armée des Cieux à les adorer et à les servir, eux, que l'Éternel, ton Dieu, a donnés en partage à tous les peuples sous le ciel entier.
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
20 Car l'Éternel vous a pris et vous a retirés de la fournaise de fer, de l'Egypte, pour que vous fussiez son peuple particulier, comme [vous l'êtes] dans ce jour.
Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.
21 Et l'Éternel se courrouça contre moi à cause de vous et jura que je ne passerai point le Jourdain et n'entrerai point dans le beau pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne en propriété;
Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22 car je dois mourir dans ce pays-ci et ne passerai point le Jourdain; mais vous, vous le passerez, et vous ferez la conquête de cet excellent pays.
Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23 Veillez sur vous afin de ne pas oublier l'alliance de l'Éternel, votre Dieu, qu'il a conclue avec vous, et de ne vous faire aucune idole, aucune effigie de rien de ce que l'Éternel, ton Dieu, t'a interdit.
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
24 Car l'Éternel, ton Dieu, est un feu dévorant, un Dieu jaloux.
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
25 Lorsque vous aurez eu des enfants et des petits-enfants et que vous serez établis dans le pays, si vous vous corrompez, si vous vous fabriquez quelque image ou une effigie quelconque, et faites ainsi ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, ton Dieu, pour le provoquer,
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
26 je prends aujourd'hui à témoin contre vous les Cieux et la terre que vous serez bientôt exterminés du pays dont, après le passage du Jourdain, vous ferez la conquête; vous n'y passerez pas de longs jours, mais vous serez détruits, exterminés.
dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
27 Et l'Éternel vous disséminera parmi les peuples et vous survivrez en petit nombre au milieu des nations où l'Éternel vous emmènera;
Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
28 et là, vous servirez des dieux, ouvrage des mains de l'homme, le bois et la pierre, qui ne voient, ni n'entendent, ni ne mangent, ni n'odorent.
Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
29 Mais de là tu chercheras l'Éternel, ton Dieu, et tu le trouveras si tu le cherches de tout ton cœur et de toute ton âme.
Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
30 Dans ta détresse et lorsque toutes ces choses t'atteindront dans la suite des temps, tu reviendras à l'Éternel, ton Dieu, et tu écouteras sa voix.
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31 Car c'est un Dieu miséricordieux, que l'Éternel, ton Dieu; Il ne te laissera pas, ne te perdra pas, et n'oubliera pas l'alliance de tes pères, qu'il leur a jurée.
fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32 Hé! demande en effet aux temps primitifs qui t'ont précédé, depuis le jour où Dieu créa des hommes sur la terre, et d'une extrémité du ciel à l'autre, si jamais advint si grande chose, ou s'il en a été entendu une pareille,
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ ny andro izay namoronan’ Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin’ ny tany ary hatramin’ ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 si jamais peuple ouït la voix d'un Dieu parlant du milieu du feu, comme tu l'as ouïe, et en demeurant en vie!
Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34 ou si jamais un Dieu tenta de venir se choisir une nation au sein d'une autre, par des épreuves, des signes et des prodiges, et la guerre, et d'une main forte et d'un bras étendu, et par des exploits grands et terribles, comme tout ce qu'a fait pour vous l'Éternel, votre Dieu, en Egypte devant vos yeux.
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
35 Tu en as été rendu spectateur pour reconnaître que l'Éternel est Dieu et que hors lui il n'en est point.
Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36 Des Cieux Il t'a fait entendre sa voix pour t'instruire, et sur la terre Il t'a fait voir son feu majestueux, et c'est du feu que tu entendis sortir ses paroles.
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.
37 Et parce qu'il aima tes pères et qu'il fit choix de leur race après eux, en personne et par sa grande vertu Il te fit sortir de l'Egypte
Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
38 pour chasser devant toi des nations grandes et fortes plus que toi, pour t'amener, pour te donner leur pays en propriété, comme [il arrive] aujourd'hui.
handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’ izao anio izao.
39 Reconnais donc maintenant et mets-le dans ton cœur, que l'Éternel est Dieu, en haut dans les Cieux, et en bas sur la terre, qu'il n'en est pas d'autre.
Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Et garde ses statuts et ses commandements que je te prescris en ce jour, afin que tu sois heureux toi et tes fils après toi, et que tu passes de longs jours dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne pour toujours.
Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
41 Alors Moïse sépara trois villes au delà du Jourdain vers le soleil levant,
Ary tamin’ izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan’ i Jordana,
42 dans lesquelles pût se réfugier l'homicide qui aurait tué son prochain sans intention, et sans avoir été son ennemi ni d'hier ni d'avant-hier, afin qu'il pût se réfugier dans l'une de ces villes, et conserver la vie,
mba handosiran’ izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo:
43 Betser, dans le désert, dans la contrée de la plaine pour les Rubénites, et Ramoth en Galaad pour les Gadites, et Golan en Basan pour les Manassites.
dia Bazera any an-efitra, amin’ ny tany lemaka, an’ ny Robenita; ary Ramota-gileada an’ ny Gadita; ary Golana any Basana an’ ny Manasita.
44 Et voici la Loi que Moïse présenta aux enfants d'Israël,
Ary izao no lalàna izay nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
45 voici les ordonnances, les statuts et les lois que Moïse adressa aux enfants d'Israël à leur sortie de l'Egypte,
Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
46 au delà du Jourdain, dans la vallée, vis-à-vis de Beth-Pehor, dans le pays de Sihon, Roi des Amoréens qui résidait à Hesbon, que battirent Moïse et les enfants d'Israël à leur sortie de l'Egypte.
tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
47 Et ils conquirent son pays et le pays de Og, Roi de Basan, des deux rois des Amoréens au delà du Jourdain, au soleil levant,
ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,
48 depuis Aroër située sur la rive du torrent de l'Arnon, jusqu'au mont Sijon qui est l'Hermon,
hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
49 et toute la plaine au delà du Jourdain à l'orient et jusqu'à la mer de la plaine au pied du Pisga.
dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.

< Deutéronome 4 >