< Job 15 >

1 Eliphaz de Têmân prit la parole et dit:
Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Est-il digne du sage de mettre en avant des raisons futiles, de gonfler son sein de vent?
Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,
3 d’employer des arguments sans valeur et des paroles qui ne servent de rien?
Ary hamaly amin’ ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4 Tu en viens à saper la piété, à supprimer les prières au Tout-Puissant!
Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;
5 C’Est ton iniquité qui inspire ta bouche, et ainsi tu adoptes le langage de la mauvaise foi.
Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ ny fetsy ianao.
6 C’Est ta bouche qui te condamne, et non moi; tes propres lèvres témoignent contre toi.
Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
7 Es-tu donc, par ta naissance, le premier des hommes? As-tu vu le jour avant les collines?
Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao?
8 As-tu entendu ce qui se dit dans le conseil de Dieu? As-tu confisqué à ton profit la sagesse?
Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9 Que sais-tu que nous ne sachions? Que comprends-tu qui nous échappe?
Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10 Parmi nous aussi il est des gens vénérables par l’âge, des vieillards plus riches de jours que ton père.
Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11 Comptes-tu pour rien les consolations de Dieu et la parole qui t’a été dite en douceur?
Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy?
12 Pourquoi te laisser emporter par ton cœur? Pourquoi rouler ainsi tes yeux?
Nahoana no dia entin’ ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
13 Pourquoi tourner ta mauvaise humeur contre Dieu et laisser échapper de tels discours de ta bouche?
Ka miefonefona amin’ Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14 Qu’est-ce donc que l’homme pour se prétendre pur et l’enfant de la femme pour se dire juste?
Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15 Quoi! Même en ses saints il n’a pas confiance, et les cieux ne sont pas sans tache à ses yeux!
Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
16 Que sera-ce de cet être méprisable et corrompu, de l’homme qui boit l’iniquité comme l’eau?
Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
17 Je veux t’instruire, écoute-moi; je veux t’exposer ce que j’ai vu;
Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18 ce que racontent les sages, sans rien dissimuler, comme une tradition de leurs pères,
Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany;
19 qui furent, seuls, maîtres de ce pays et auxquels nul étranger ne s’est mêlé:
Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20 "Les tourments remplissent toute la vie du méchant, tout le cours des années mesurées au tyran.
Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe.
21 Ses oreilles ne cessent d’entendre un bruit terrifiant; en pleine paix, il se voit assaillir par le dévastateur.
Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22 Il renonce à l’espoir d’échapper aux ténèbres, il se sait prédestiné au glaive.
Tsy manantena ho afaka amin’ ny maizina izy; Andrasan’ ny sabatra izy.
23 Il erre ça et là pour chercher du pain: il a conscience que des jours sombres se préparent pour lui.
Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24 La détresse et l’angoisse le jettent dans l’épouvante; elles l’étreignent comme un roi qui monte à l’assaut.
Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady,
25 C’Est qu’il a dirigé sa main contre Dieu, il s’est élevé contre le Tout-Puissant.
Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26 C’Est qu’il lui a couru sus, le cou tendu, couvert de toute l’épaisseur de ses boucliers bombés.
Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina,
27 C’Est qu’il a le visage épaissi par la graisse et le dos arrondi par l’embonpoint.
Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28 Aussi se fixe-t-il dans des villes en ruines, dans des maisons qui ne sont pas habitables, étant destinées à se changer en décombres.
Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
29 Il ne s’enrichira pas, sa fortune ne subsistera point; tel un arbre sans fruits il n’inclinera pas à terre le sommet de ses branches.
Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany.
30 Il ne sortira plus des ténèbres; ses rejetons seront consumés par le feu; il disparaîtra comme par un souffle de Dieu.
Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy.
31 Qu’il n’espère rien de la fraude! II a fait fausse route. La déception sera son salaire.
Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32 Sa carrière sera achevée avant le temps, et son toit de feuillage ne reverdira plus.
Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33 Tel qu’une vigne, il sera dépouillé de ses jeunes grappes; tel qu’un olivier, il jettera ses fleurs.
Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34 Car la bande des pervers est condamnée à la stérilité; le feu dévore les tentes où s’entassent les dons de la corruption.
Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka.
35 Ils conçoivent le mal, ils enfantent le malheur. Leur sein couve la perfidie.
Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.

< Job 15 >