< Proverbes 21 >

1 Le cœur du roi est un cours d’eau dans la main de Yahweh, il l’incline partout où il veut.
Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
2 Toutes les voies de l’homme sont droites à ses yeux; mais celui qui pèse les cœurs, c’est Yahweh.
Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
3 Pratiquer la justice et l’équité, est aux yeux de Yahweh préférable aux sacrifices.
Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
4 Des regards hautains et un cœur superbe: flambeau des méchants, ce n’est que péché.
Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.
5 Les projets de l’homme diligent ne vont qu’à l’abondance; mais quiconque précipite ses démarches n’arrive qu’à la disette.
Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
6 Des trésors acquis par une langue mensongère: vanité fugitive d’hommes qui courent à la mort.
Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
7 La violence des méchants les égare, parce qu’ils n’ont pas voulu pratiquer la justice.
Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
8 La voie du criminel est tortueuse, mais l’innocent agit avec droiture.
Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.
9 Mieux vaut habiter à l’angle d’un toit, que de rester avec une femme querelleuse.
Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
10 L’âme du méchant désire le mal; son ami ne trouve pas grâce à ses yeux.
Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
11 Quand on châtie le méchant, le simple devient sage, et quand on instruit le sage, il devient plus sage.
Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
12 Le juste considère la maison du méchant; Dieu précipite les méchants dans le malheur.
Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.
13 Celui qui ferme l’oreille au cri du pauvre criera lui-même sans qu’on lui réponde.
Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
14 Un don fait en secret apaise la colère, un présent tiré du pli du manteau calme la fureur violente.
Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15 C’est une joie pour le juste de pratiquer la justice, mais l’épouvante est pour ceux qui font le mal.
Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16 L’homme qui s’écarte du sentier de la prudence reposera dans l’assemblée des morts.
Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
17 Celui qui aime la joie sera indigent; celui qui aime le vin et l’huile parfumée ne s’enrichit pas.
Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
18 Le méchant sert de rançon pour le juste, et le perfide pour les hommes droits.
Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
19 Mieux vaut habiter dans une terre déserte qu’avec une femme querelleuse et colère.
Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.
20 De précieux trésors, de l’huile sont dans la maison du sage; mais un homme insensé les engloutit.
Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
21 Celui qui poursuit la justice et la miséricorde trouvera la vie, la justice et la gloire.
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
22 Le sage prend d’assaut une ville de héros, et il renverse le rempart où elle mettait sa confiance.
Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
23 Celui qui garde sa bouche et sa langue garde son âme des angoisses.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
24 On appelle moqueur l’homme hautain, enflé d’orgueil, qui agit avec un excès d’arrogance.
Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
25 Les désirs du paresseux le tuent, parce que ses mains refusent de travailler.
Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
26 Tout le jour il désire avec ardeur, mais le juste donne sans relâche.
Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
27 Le sacrifice des méchants est abominable, surtout quand ils l’offrent avec des pensées criminelles!
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
28 Le témoin menteur périra, mais l’homme qui écoute pourra parler toujours.
Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
29 Le méchant prend un air effronté, mais l’homme droit dirige sa voie.
Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
30 Il n’y a ni sagesse, ni prudence, ni conseil en face de Yahweh.
Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
31 On équipe le cheval pour le jour du combat, mais de Yahweh dépend la victoire.
Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.

< Proverbes 21 >