< Luke 14 >

1 When he went into the house of one of the rulers of the Pharisees on a Sabbath to eat bread, they were watching him.
Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
2 Behold, a certain man who had dropsy was in front of him.
Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
3 Yeshua, answering, spoke to the Torah scholars and Pharisees, saying, “Is it lawful to heal on the Sabbath?”
Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
4 But they were silent. He took him, and healed him, and let him go.
Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5 He answered them, “Which of you, if your son or an ox fell into a well, wouldn’t immediately pull him out on a Sabbath day?”
Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?
6 They couldn’t answer him regarding these things.
Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.
7 He spoke a parable to those who were invited, when he noticed how they chose the best seats, and said to them,
Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
8 “When you are invited by anyone to a wedding feast, don’t sit in the best seat, since perhaps someone more honourable than you might be invited by him,
Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9 and he who invited both of you would come and tell you, ‘Make room for this person.’ Then you would begin, with shame, to take the lowest place.
ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.
10 But when you are invited, go and sit in the lowest place, so that when he who invited you comes, he may tell you, ‘Friend, move up higher.’ Then you will be honoured in the presence of all who sit at the table with you.
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
11 For everyone who exalts himself will be humbled, and whoever humbles himself will be exalted.”
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
12 He also said to the one who had invited him, “When you make a dinner or a supper, don’t call your friends, nor your brothers, nor your kinsmen, nor rich neighbours, or perhaps they might also return the favour, and pay you back.
Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
13 But when you make a feast, ask the poor, the maimed, the lame, or the blind;
Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14 and you will be blessed, because they don’t have the resources to repay you. For you will be repaid in the resurrection of the righteous.”
dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
15 When one of those who sat at the table with him heard these things, he said to him, “Blessed is he who will feast in God’s Kingdom!”
Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
16 But he said to him, “A certain man made a great supper, and he invited many people.
Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 He sent out his servant at supper time to tell those who were invited, ‘Come, for everything is ready now.’
Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 They all as one began to make excuses. “The first said to him, ‘I have bought a field, and I must go and see it. Please have me excused.’
Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19 “Another said, ‘I have bought five yoke of oxen, and I must go try them out. Please have me excused.’
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
20 “Another said, ‘I have married a wife, and therefore I can’t come.’
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
21 “That servant came, and told his lord these things. Then the master of the house, being angry, said to his servant, ‘Go out quickly into the streets and lanes of the city, and bring in the poor, maimed, blind, and lame.’
Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 “The servant said, ‘Lord, it is done as you commanded, and there is still room.’
Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 “The lord said to the servant, ‘Go out into the highways and hedges, and compel them to come in, that my house may be filled.
Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24 For I tell you that none of those men who were invited will taste of my supper. For many are called, but few are chosen.’”
Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
25 Now great multitudes were going with him. He turned and said to them,
Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
26 “If anyone comes to me, and doesn’t disregard his own father, mother, wife, children, brothers, and sisters, yes, and his own life also, he can’t be my disciple.
Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27 Whoever doesn’t bear his own cross and come after me, can’t be my disciple.
Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
28 For which of you, desiring to build a tower, doesn’t first sit down and count the cost, to see if he has enough to complete it?
Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
29 Or perhaps, when he has laid a foundation and isn’t able to finish, everyone who sees begins to mock him,
fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
30 saying, ‘This man began to build and wasn’t able to finish.’
ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
31 Or what king, as he goes to encounter another king in war, will not sit down first and consider whether he is able with ten thousand to meet him who comes against him with twenty thousand?
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?
32 Or else, while the other is yet a great way off, he sends an envoy and asks for conditions of peace.
Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
33 So therefore, whoever of you who doesn’t renounce all that he has, he can’t be my disciple.
Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
34 “Salt is good, but if the salt becomes flat and tasteless, with what do you season it?
Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
35 It is fit neither for the soil nor for the manure pile. It is thrown out. He who has ears to hear, let him hear.”
Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

< Luke 14 >