< Genesis 42 >

1 Now Jacob saw that there was grain in Egypt, and Jacob said to his sons, “Why do you look at one another?”
Ary fantatr’ i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin’ ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo?
2 He said, “Behold, I have heard that there is grain in Egypt. Go down there, and buy for us from there, so that we may live, and not die.”
Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midìna any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3 Joseph’s ten brothers went down to buy grain from Egypt.
Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’ i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4 But Jacob didn’t send Benjamin, Joseph’s brother, with his brothers; for he said, “Lest perhaps harm happen to him.”
Fa Benjamina, rahalahin’ i Josefa, tsy mba nampandehanin’ i Jakoba niaraka tamin’ ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5 The sons of Israel came to buy among those who came, for the famine was in the land of Canaan.
Dia tonga ny zanak’ Isiraely mba hividy vary niaraka tamin’ izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6 Joseph was the governor over the land. It was he who sold to all the people of the land. Joseph’s brothers came, and bowed themselves down to him with their faces to the earth.
Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
7 Joseph saw his brothers, and he recognized them, but acted like a stranger to them, and spoke roughly with them. He said to them, “Where did you come from?” They said, “From the land of Canaan, to buy food.”
Ary hitan’ i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin’ ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
8 Joseph recognized his brothers, but they didn’t recognize him.
Ary fantatr’ i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9 Joseph remembered the dreams which he dreamed about them, and said to them, “You are spies! You have come to see the nakedness of the land.”
Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
10 They said to him, “No, my lord, but your servants have come to buy food.
Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11 We are all one man’s sons; we are honest men. Your servants are not spies.”
Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
12 He said to them, “No, but you have come to see the nakedness of the land!”
Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
13 They said, “We, your servants, are twelve brothers, the sons of one man in the land of Canaan; and behold, the youngest is today with our father, and one is no more.”
Fa hoy izy; Roa ambin’ ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin’ ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14 Joseph said to them, “It is like I told you, saying, ‘You are spies!’
Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15 By this you shall be tested. By the life of Pharaoh, you shall not go out from here, unless your youngest brother comes here.
dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16 Send one of you, and let him get your brother, and you shall be bound, that your words may be tested, whether there is truth in you, or else by the life of Pharaoh surely you are spies.”
Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
17 He put them all together into custody for three days.
Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
18 Joseph said to them the third day, “Do this, and live, for I fear God.
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an’ Andriamanitra:
19 If you are honest men, then let one of your brothers be bound in your prison; but you go, carry grain for the famine of your houses.
Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin’ ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo;
20 Bring your youngest brother to me; so will your words be verified, and you won’t die.” They did so.
ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
21 They said to one another, “We are certainly guilty concerning our brother, in that we saw the distress of his soul, when he begged us, and we wouldn’t listen. Therefore this distress has come upon us.”
Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.
22 Reuben answered them, saying, “Didn’t I tell you, saying, ‘Don’t sin against the child,’ and you wouldn’t listen? Therefore also, behold, his blood is required.”
Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
23 They didn’t know that Joseph understood them; for there was an interpreter between them.
Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
24 He turned himself away from them, and wept. Then he returned to them, and spoke to them, and took Simeon from among them, and bound him before their eyes.
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an’ i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25 Then Joseph gave a command to fill their bags with grain, and to restore each man’s money into his sack, and to give them food for the way. So it was done to them.
Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan’ ny isan-dahy ho ao anatin’ ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
26 They loaded their donkeys with their grain, and departed from there.
Ary natainginy tamin’ ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
27 As one of them opened his sack to give his donkey food in the lodging place, he saw his money. Behold, it was in the mouth of his sack.
Ary raha nosokafan’ ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’ izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan’ ny lasakany izany.
28 He said to his brothers, “My money is restored! Behold, it is in my sack!” Their hearts failed them, and they turned trembling to one another, saying, “What is this that God has done to us?”
Dia hoy izy tamin’ ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’ Andriamanitra amintsika izao?
29 They came to Jacob their father, to the land of Canaan, and told him all that had happened to them, saying,
Ary tonga tany amin’ i Jakoba rainy, tany amin’ ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy:
30 “The man, the lord of the land, spoke roughly with us, and took us for spies of the country.
Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
31 We said to him, ‘We are honest men. We are no spies.
Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
32 We are twelve brothers, sons of our father; one is no more, and the youngest is today with our father in the land of Canaan.’
roa ambin’ ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin’ ny rainay any amin’ ny tany Kanana ankehitriny.
33 The man, the lord of the land, said to us, ‘By this I will know that you are honest men: leave one of your brothers with me, and take grain for the famine of your houses, and go your way.
Dia hoy ralehilahy, tompon’ ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo, dia mandehana;
34 Bring your youngest brother to me. Then I will know that you are not spies, but that you are honest men. So I will deliver your brother to you, and you shall trade in the land.’”
ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin’ ny tany ianareo.
35 As they emptied their sacks, behold, each man’s bundle of money was in his sack. When they and their father saw their bundles of money, they were afraid.
Ary raha nandraraka izay tao anatin’ ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin’ ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36 Jacob, their father, said to them, “You have bereaved me of my children! Joseph is no more, Simeon is no more, and you want to take Benjamin away. All these things are against me.”
Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
37 Reuben spoke to his father, saying, “Kill my two sons, if I don’t bring him to you. Entrust him to my care, and I will bring him to you again.”
Ary Robena niteny tamin’ ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
38 He said, “My son shall not go down with you; for his brother is dead, and he only is left. If harm happens to him along the way in which you go, then you will bring down my gray hairs with sorrow to Sheol.” (Sheol h7585)
Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo ny volo fotsiko. (Sheol h7585)

< Genesis 42 >