< Acts 5 >

1 But a certain man named Ananias, with Sapphira his wife, sold a possession,
Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
2 and kept back part of the price, his wife also being aware of it, then brought a certain part and laid it at the apostles’ feet.
ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.
3 But Peter said, “Ananias, why has Satan filled your heart to lie to the Holy Spirit and to keep back part of the price of the land?
Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ ny Fanahy Masìna ka hanafina ny vola sasany vidin’ ny tany?
4 While you kept it, didn’t it remain your own? After it was sold, wasn’t it in your power? How is it that you have conceived this thing in your heart? You haven’t lied to men, but to God.”
Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’ olona ianao, fa tamin’ Andriamanitra.
5 Ananias, hearing these words, fell down and died. Great fear came on all who heard these things.
Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 The young men arose and wrapped him up, and they carried him out and buried him.
Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 About three hours later, his wife, not knowing what had happened, came in.
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
8 Peter answered her, “Tell me whether you sold the land for so much.” She said, “Yes, for so much.”
Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin’ ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
9 But Peter asked her, “How is it that you have agreed together to tempt the Spirit of the Lord? Behold, the feet of those who have buried your husband are at the door, and they will carry you out.”
Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
10 She fell down immediately at his feet and died. The young men came in and found her dead, and they carried her out and buried her by her husband.
Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’ izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ ny lahy.
11 Great fear came on the whole assembly, and on all who heard these things.
Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12 By the hands of the apostles many signs and wonders were done among the people. They were all with one accord in Solomon’s porch.
Ary ny tanan’ ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona;
13 None of the rest dared to join them; however, the people honored them.
ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 More believers were added to the Lord, multitudes of both men and women.
Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 They even carried out the sick into the streets and laid them on cots and mattresses, so that as Peter came by, at least his shadow might overshadow some of them.
ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy.
16 The multitude also came together from the cities around Jerusalem, bringing sick people and those who were tormented by unclean spirits; and they were all healed.
Ary ny olona maro avy tamin’ ny vohitra manodidina an’ i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 But the high priest rose up, and all those who were with him (which is the sect of the Sadducees), and they were filled with jealousy
Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18 and laid hands on the apostles, then put them in public custody.
dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19 But an angel of the Lord opened the prison doors by night, and brought them out and said,
Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
20 “Go stand and speak in the temple to the people all the words of this life.”
Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21 When they heard this, they entered into the temple about daybreak and taught. But the high priest and those who were with him came and called the council together, with all the senate of the children of Israel, and sent to the prison to have them brought.
Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22 But the officers who came didn’t find them in the prison. They returned and reported,
Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
23 “We found the prison shut and locked, and the guards standing before the doors, but when we opened them, we found no one inside!”
Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Now when the high priest, the captain of the temple, and the chief priests heard these words, they were very perplexed about them and what might become of this.
Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.
25 One came and told them, “Behold, the men whom you put in prison are in the temple, standing and teaching the people.”
Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Then the captain went with the officers, and brought them without violence, for they were afraid that the people might stone them.
Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27 When they had brought them, they set them before the council. The high priest questioned them,
Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
28 saying, “Didn’t we strictly command you not to teach in this name? Behold, you have filled Jerusalem with your teaching, and intend to bring this man’s blood on us.”
ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.
29 But Peter and the apostles answered, “We must obey God rather than men.
Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30 The God of our fathers raised up Jesus, whom you killed, hanging him on a tree.
Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesosy, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.
31 God exalted him with his right hand to be a Prince and a Savior, to give repentance to Israel, and remission of sins.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.
32 We are his witnesses of these things; and so also is the Holy Spirit, whom God has given to those who obey him.”
Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masìna koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.
33 But they, when they heard this, were cut to the heart, and were determined to kill them.
Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34 But one stood up in the council, a Pharisee named Gamaliel, a teacher of the law, honored by all the people, and commanded to put the apostles out for a little while.
Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35 He said to them, “You men of Israel, be careful concerning these men, what you are about to do.
Dia hoy izy tamin’ ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo.
36 For before these days Theudas rose up, making himself out to be somebody; to whom a number of men, about four hundred, joined themselves. He was slain; and all, as many as obeyed him, were dispersed and came to nothing.
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 After this man, Judas of Galilee rose up in the days of the enrollment, and drew away some people after him. He also perished, and all, as many as obeyed him, were scattered abroad.
Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Now I tell you, withdraw from these men and leave them alone. For if this counsel or this work is of men, it will be overthrown.
Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 But if it is of God, you will not be able to overthrow it, and you would be found even to be fighting against God!”
fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
40 They agreed with him. Summoning the apostles, they beat them and commanded them not to speak in the name of Jesus, and let them go.
Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 They therefore departed from the presence of the council, rejoicing that they were counted worthy to suffer dishonor for Jesus’ name.
Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
42 Every day, in the temple and at home, they never stopped teaching and preaching Jesus, the Christ.
Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano izy.

< Acts 5 >