< Acts 20 >

1 After the uproar had ceased, Paul sent for the disciples, took leave of them, and departed to go into Macedonia.
Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
2 When he had gone through those parts and had encouraged them with many words, he came into Greece.
Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin’ ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
3 When he had spent three months there, and a plot was made against him by Jews as he was about to set sail for Syria, he determined to return through Macedonia.
Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an’ i Makedonia.
4 These accompanied him as far as Asia: Sopater of Beroea, Aristarchus and Secundus of the Thessalonians, Gaius of Derbe, Timothy, and Tychicus and Trophimus of Asia.
Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’ i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
5 But these had gone ahead, and were waiting for us at Troas.
Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6 We sailed away from Philippi after the days of Unleavened Bread, and came to them at Troas in five days, where we stayed seven days.
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
7 On the first day of the week, when the disciples were gathered together to break bread, Paul talked with them, intending to depart on the next day; and continued his speech until midnight.
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
8 There were many lights in the upper room where we were gathered together.
Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
9 A certain young man named Eutychus sat in the window, weighed down with deep sleep. As Paul spoke still longer, being weighed down by his sleep, he fell down from the third floor and was taken up dead.
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10 Paul went down and fell upon him, and embracing him said, “Don’t be troubled, for his life is in him.”
Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
11 When he had gone up, had broken bread and eaten, and had talked with them a long while, even until break of day, he departed.
Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ ny andro izy, dia lasa nandeha.
12 They brought the boy in alive, and were greatly comforted.
Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
13 But we, going ahead to the ship, set sail for Assos, intending to take Paul aboard there; for he had so arranged, intending himself to go by land.
Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an’ i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy.
14 When he met us at Assos, we took him aboard and came to Mitylene.
Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15 Sailing from there, we came the following day opposite Chios. The next day we touched at Samos and stayed at Trogyllium, and the day after we came to Miletus.
Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin’ i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson’ iny.
16 For Paul had determined to sail past Ephesus, that he might not have to spend time in Asia; for he was hastening, if it were possible for him, to be in Jerusalem on the day of Pentecost.
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17 From Miletus he sent to Ephesus and called to himself the elders of the assembly.
Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.
18 When they had come to him, he said to them, “You yourselves know, from the first day that I set foot in Asia, how I was with you all the time,
Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,
19 serving the Lord with all humility, with many tears, and with trials which happened to me by the plots of the Jews;
dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,
20 how I didn’t shrink from declaring to you anything that was profitable, teaching you publicly and from house to house,
ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;
21 testifying both to Jews and to Greeks repentance toward God and faith toward our Lord Jesus.
ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
22 Now, behold, I go bound by the Spirit to Jerusalem, not knowing what will happen to me there;
Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,
23 except that the Holy Spirit testifies in every city, saying that bonds and afflictions wait for me.
afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masìna amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
24 But these things don’t count; nor do I hold my life dear to myself, so that I may finish my race with joy, and the ministry which I received from the Lord Jesus, to fully testify to the Good News of the grace of God.
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
25 “Now, behold, I know that you all, among whom I went about preaching God’s Kingdom, will see my face no more.
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
26 Therefore I testify to you today that I am clean from the blood of all men,
Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ ny ranareo rehetra aho.
27 for I didn’t shrink from declaring to you the whole counsel of God.
Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra.
28 Take heed, therefore, to yourselves and to all the flock, in which the Holy Spirit has made you overseers, to shepherd the assembly of the Lord and God which he purchased with his own blood.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
29 For I know that after my departure, vicious wolves will enter in among you, not sparing the flock.
Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.
30 Men will arise from among your own selves, speaking perverse things, to draw away the disciples after them.
Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
31 Therefore watch, remembering that for a period of three years I didn’t cease to admonish everyone night and day with tears.
Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.
32 Now, brothers, I entrust you to God and to the word of his grace, which is able to build up and to give you the inheritance among all those who are sanctified.
Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina.
33 I coveted no one’s silver, gold, or clothing.
Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’ olona aho.
34 You yourselves know that these hands served my necessities, and those who were with me.
Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
35 In all things I gave you an example, that so laboring you ought to help the weak, and to remember the words of the Lord Jesus, that he himself said, ‘It is more blessed to give than to receive.’”
Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36 When he had spoken these things, he knelt down and prayed with them all.
Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’ izy rehetra.
37 They all wept freely, and fell on Paul’s neck and kissed him,
Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,
38 sorrowing most of all because of the word which he had spoken, that they should see his face no more. Then they accompanied him to the ship.
sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.

< Acts 20 >