< 2 Corinthians 11 >

1 I wish that you would bear with me in a little foolishness, but indeed you do bear with me.
Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
2 For I am jealous over you with a godly jealousy. For I promised you in marriage to one husband, that I might present you as a pure virgin to Christ.
Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
3 But I am afraid that somehow, as the serpent deceived Eve in his craftiness, so your minds might be corrupted from the simplicity that is in Christ.
Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.
4 For if he who comes preaches another Jesus whom we didn’t preach, or if you receive a different spirit which you didn’t receive, or a different “good news” which you didn’t accept, you put up with that well enough.
Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!
5 For I reckon that I am not at all behind the very best apostles.
Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
6 But though I am unskilled in speech, yet I am not unskilled in knowledge. No, in every way we have been revealed to you in all things.
Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
7 Or did I commit a sin in humbling myself that you might be exalted, because I preached to you God’s Good News free of charge?
Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?
8 I robbed other assemblies, taking wages from them that I might serve you.
Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
9 When I was present with you and was in need, I wasn’t a burden on anyone, for the brothers, when they came from Macedonia, supplied the measure of my need. In everything I kept myself from being burdensome to you, and I will continue to do so.
Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
10 As the truth of Christ is in me, no one will stop me from this boasting in the regions of Achaia.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ ny tany Akaia.
11 Why? Because I don’t love you? God knows.
Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
12 But what I do, that I will continue to do, that I may cut off opportunity from those who desire an opportunity, that in which they boast, they may be recognized just like us.
Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.
13 For such men are false apostles, deceitful workers, masquerading as Christ’s apostles.
Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
14 And no wonder, for even Satan masquerades as an angel of light.
Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.
15 It is no great thing therefore if his servants also masquerade as servants of righteousness, whose end will be according to their works.
Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
16 I say again, let no one think me foolish. But if so, yet receive me as foolish, that I also may boast a little.
Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
17 That which I speak, I don’t speak according to the Lord, but as in foolishness, in this confidence of boasting.
Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ ny fahadalana amin’ izao rehareha matoky izao ihany.
18 Seeing that many boast after the flesh, I will also boast.
Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
19 For you bear with the foolish gladly, being wise.
Fa sitrakareo ny handefitra amin’ ny adala, satria hendry angaha ianareo.
20 For you bear with a man if he brings you into bondage, if he devours you, if he takes you captive, if he exalts himself, or if he strikes you on the face.
Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
21 To my shame, I speak as though we had been weak. Yet in whatever way anyone is bold (I speak in foolishness), I am bold also.
Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’ izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
22 Are they Hebrews? So am I. Are they Israelites? So am I. Are they the offspring of Abraham? So am I.
Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’ i Abrahama va izy? Izaho koa.
23 Are they servants of Christ? (I speak as one beside himself.) I am more so: in labors more abundantly, in prisons more abundantly, in stripes above measure, and in deaths often.
Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
24 Five times I received forty stripes minus one from the Jews.
Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
25 Three times I was beaten with rods. Once I was stoned. Three times I suffered shipwreck. I have been a night and a day in the deep.
Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,
26 I have been in travels often, perils of rivers, perils of robbers, perils from my countrymen, perils from the Gentiles, perils in the city, perils in the wilderness, perils in the sea, perils among false brothers;
nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,
27 in labor and travail, in watchings often, in hunger and thirst, in fastings often, and in cold and nakedness.
tamin’ ny fisasarana sy ny fikelezan’ aina, tamin’ ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ ny fifadian-kanina matetika, tamin’ ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
28 Besides those things that are outside, there is that which presses on me daily: anxiety for all the assemblies.
Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
29 Who is weak, and I am not weak? Who is caused to stumble, and I don’t burn with indignation?
Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
30 If I must boast, I will boast of the things that concern my weakness.
Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
31 The God and Father of the Lord Jesus Christ, he who is blessed forever more, knows that I don’t lie. (aiōn g165)
Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. (aiōn g165)
32 In Damascus the governor under King Aretas guarded the Damascenes’ city, desiring to arrest me.
Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
33 I was let down in a basket through a window by the wall, and escaped his hands.
fa avy teo amin’ ny varavarankely eo amin’ ny mànda no nampidinana ahy tamin’ ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.

< 2 Corinthians 11 >