< 1 Peter 2 >

1 Putting away therefore all wickedness, all deceit, hypocrisies, envies, and all evil speaking,
Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2 as newborn babies, long for the pure spiritual milk, that with it you may grow,
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’ izany ho amin’ ny famonjena,
3 if indeed you have tasted that the Lord is gracious.
raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;”
4 Come to him, a living stone, rejected indeed by men, but chosen by God, precious.
Izay hatoninareo toy ny vato velona, “nolavin’ ny olona, fa voafidin’ Andriamanitra sady soa,”
5 You also as living stones are built up as a spiritual house, to be a holy priesthood, to offer up spiritual sacrifices, acceptable to God through Jesus Christ.
ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
6 Because it is contained in Scripture, “Behold, I lay in Zion a chief cornerstone, chosen and precious. He who believes in him will not be disappointed.”
Fa misy teny ao amin’ ny Soratra Masìna manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”.
7 For you who believe therefore is the honor, but for those who are disobedient, “The stone which the builders rejected has become the chief cornerstone,”
Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa “Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro”,
8 and, “a stumbling stone and a rock of offense.” For they stumble at the word, being disobedient, to which also they were appointed.
“Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka”; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
9 But you are a chosen race, a royal priesthood, a holy nation, a people for God’s own possession, that you may proclaim the excellence of him who called you out of darkness into his marvelous light.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjaka-mpisorona, firenena masìna”, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga;
10 In the past, you were not a people, but now are God’s people, who had not obtained mercy, but now have obtained mercy.
dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’ Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.
11 Beloved, I beg you as foreigners and pilgrims to abstain from fleshly lusts which war against the soul,
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;
12 having good behavior among the nations, so in that of which they speak against you as evildoers, they may see your good works and glorify God in the day of visitation.
ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13 Therefore subject yourselves to every ordinance of man for the Lord’s sake: whether to the king, as supreme,
Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14 or to governors, as sent by him for vengeance on evildoers and for praise to those who do well.
na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15 For this is the will of God, that by well-doing you should put to silence the ignorance of foolish men.
Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ ny olona adala amin’ ny fanaovan-tsoa;
16 Live as free people, yet not using your freedom for a cloak of wickedness, but as bondservants of God.
fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
17 Honor all men. Love the brotherhood. Fear God. Honor the king.
Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’ Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18 Servants, be in subjection to your masters with all respect, not only to the good and gentle, but also to the wicked.
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19 For it is commendable if someone endures pain, suffering unjustly, because of conscience toward God.
Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’ Andriamanitra.
20 For what glory is it if, when you sin, you patiently endure beating? But if when you do well, you patiently endure suffering, this is commendable with God.
Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin’ izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’ Andriamanitra.
21 For you were called to this, because Christ also suffered for us, leaving you an example, that you should follow his steps,
Fa ho amin’ izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22 who didn’t sin, “neither was deceit found in his mouth.”
“Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”;
23 When he was cursed, he didn’t curse back. When he suffered, he didn’t threaten, but committed himself to him who judges righteously.
raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina;
24 He himself bore our sins in his body on the tree, that we, having died to sins, might live to righteousness. You were healed by his wounds.
ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.
25 For you were going astray like sheep; but now you have returned to the Shepherd and Overseer of your souls.
Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.

< 1 Peter 2 >