< 1 Peter 1 >

1 Peter, an apostle of Jesus Christ, to the chosen ones who are living as foreigners in the Dispersion in Pontus, Galatia, Cappadocia, Asia, and Bithynia,
Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
2 according to the foreknowledge of God the Father, in sanctification of the Spirit, that you may obey Jesus Christ and be sprinkled with his blood: Grace to you and peace be multiplied.
araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3 Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, who according to his great mercy caused us to be born again to a living hope through the resurrection of Jesus Christ from the dead,
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindram-pony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty,
4 to an incorruptible and undefiled inheritance that doesn’t fade away, reserved in Heaven for you,
ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5 who by the power of God are guarded through faith for a salvation ready to be revealed in the last time.
izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6 In this you greatly rejoice, though now for a little while, if need be, you have been grieved in various trials,
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 that the proof of your faith, which is more precious than gold that perishes, even though it is tested by fire, may be found to result in praise, glory, and honor at the revelation of Jesus Christ—
mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
8 whom, not having known, you love. In him, though now you don’t see him, yet believing, you rejoice greatly with joy that is unspeakable and full of glory,
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9 receiving the result of your faith, the salvation of your souls.
mandray ny anton’ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10 Concerning this salvation, the prophets sought and searched diligently. They prophesied of the grace that would come to you,
Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11 searching for who or what kind of time the Spirit of Christ which was in them pointed to when he predicted the sufferings of Christ and the glories that would follow them.
eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12 To them it was revealed that they served not themselves, but you, in these things, which now have been announced to you through those who preached the Good News to you by the Holy Spirit sent out from heaven; which things angels desire to look into.
Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
13 Therefore prepare your minds for action. Be sober, and set your hope fully on the grace that will be brought to you at the revelation of Jesus Christ—
Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
14 as children of obedience, not conforming yourselves according to your former lusts as in your ignorance,
tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;
15 but just as he who called you is holy, you yourselves also be holy in all of your behavior,
fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masìna koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,
16 because it is written, “You shall be holy, for I am holy.”
satria voasoratra hoe: “Ho masìna ianareo, satria masìna Aho”.
17 If you call on him as Father, who without respect of persons judges according to each man’s work, pass the time of your living as foreigners here in reverent fear,
Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;
18 knowing that you were redeemed, not with corruptible things like silver or gold, from the useless way of life handed down from your fathers,
fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,
19 but with precious blood, as of a lamb without blemish or spot, the blood of Christ,
fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 who was foreknown indeed before the foundation of the world, but was revealed in this last age for your sake,
Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’ izao andro farany izao noho ny aminareo
21 who through him are believers in God, who raised him from the dead and gave him glory, so that your faith and hope might be in God.
Izay mino an’ Andriamanitra amin’ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy, ― mba hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra.
22 Seeing you have purified your souls in your obedience to the truth through the Spirit in sincere brotherly affection, love one another from the heart fervently,
Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;
23 having been born again, not of corruptible seed, but of incorruptible, through the word of God, which lives and remains forever. (aiōn g165)
fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. (aiōn g165)
24 For, “All flesh is like grass, and all of man’s glory like the flower in the grass. The grass withers, and its flower falls;
Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25 but the Lord’s word endures forever.” This is the word of Good News which was preached to you. (aiōn g165)
Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo. (aiōn g165)

< 1 Peter 1 >