< 1 John 1 >

1 That which was from the beginning, that which we have heard, that which we have seen with our eyes, that which we saw, and our hands touched, concerning the Word of life
Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana
2 (and the life was revealed, and we have seen, and testify, and declare to you the life, the eternal life, which was with the Father, and was revealed to us); (aiōnios g166)
(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ― (aiōnios g166)
3 that which we have seen and heard we declare to you, that you also may have fellowship with us. Yes, and our fellowship is with the Father and with his Son, Jesus Christ.
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
4 And we write these things to you, that our joy may be fulfilled.
Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
5 This is the message which we have heard from him and announce to you, that God is light, and in him is no darkness at all.
Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
6 If we say that we have fellowship with him and walk in the darkness, we lie and don’t tell the truth.
Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7 But if we walk in the light as he is in the light, we have fellowship with one another, and the blood of Jesus Christ his Son, cleanses us from all sin.
Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra.
8 If we say that we have no sin, we deceive ourselves, and the truth is not in us.
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9 If we confess our sins, he is faithful and righteous to forgive us the sins and to cleanse us from all unrighteousness.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.
10 If we say that we haven’t sinned, we make him a liar, and his word is not in us.
Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

< 1 John 1 >