< 1 Samuel 27 >

1 David said in his heart, “I will now perish one day by the hand of Saul. There is nothing better for me than that I should escape into the land of the Philistines; and Saul will despair of me, to seek me any more in all the borders of Israel. So I will escape out of his hand.”
Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
2 David arose and passed over, he and the six hundred men who were with him, to Achish the son of Maoch, king of Gath.
Ary niainga Davida nandeha mbamin’ ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin’ i Akisy, zanak’ i Maoka, mpanjakan’ i Gata.
3 David lived with Achish at Gath, he and his men, every man with his household, even David with his two wives, Ahinoam the Jezreelitess and Abigail the Carmelitess, Nabal’s wife.
Ary nitoetra tao amin’ i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban’ ny ankohonany avy, ary Davida mbamin’ ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin’ i Nabala.
4 Saul was told that David had fled to Gath, so he stopped looking for him.
Ary nambara tamin’ i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
5 David said to Achish, “If now I have found favor in your eyes, let them give me a place in one of the cities in the country, that I may dwell there. For why should your servant dwell in the royal city with you?”
Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ ny renivohitry ny fanjakana?
6 Then Achish gave him Ziklag that day: therefore Ziklag belongs to the kings of Judah to this day.
Dia nomen’ i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an’ ny mpanjakan’ ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
7 The number of the days that David lived in the country of the Philistines was a full year and four months.
Ary ny andro nitoeran’ i Davida tany amin’ ny tanin’ ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
8 David and his men went up and raided the Geshurites, the Girzites, and the Amalekites; for those were the inhabitants of the land who were of old, on the way to Shur, even to the land of Egypt.
Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.
9 David struck the land, and saved no man or woman alive, and took away the sheep, the cattle, the donkeys, the camels, and the clothing. Then he returned, and came to Achish.
Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’ osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’ i Akisy.
10 Achish said, “Against whom have you made a raid today?” David said, “Against the South of Judah, against the South of the Jerahmeelites, and against the South of the Kenites.”
Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an’ i Joda sy izay an’ ny Jeramelita ary izay an’ ny Kenita izahay.
11 David saved neither man nor woman alive to bring them to Gath, saying, “Lest they should tell about us, saying, ‘David did this, and this has been his way all the time he has lived in the country of the Philistines.’”
Ary tsy nisy novelomin’ i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon’ i Davida, ary toy izany no fanaony tamin’ ny andro rehetra nitoerany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
12 Achish believed David, saying, “He has made his people Israel utterly to abhor him. Therefore he will be my servant forever.”
Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.

< 1 Samuel 27 >