< Joshua 5 >

1 When all the kings of the Amorites, who were beyond the Jordan westward, and all the kings of the Canaanites, who were by the sea, heard how the LORD had dried up the waters of the Jordan from before the children of Israel until we had crossed over, their heart melted, and there was no more spirit in them, because of the children of Israel.
Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
2 At that time, the LORD said to Joshua, “Make flint knives, and circumcise again the sons of Israel the second time.”
Tamin’ izany andro izany no nilazan’ i Jehovah tamin’ i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’ Isiraely.
3 Joshua made himself flint knives, and circumcised the sons of Israel at the hill of the foreskins.
Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’ Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4 This is the reason Joshua circumcised them: all the people who came out of Egypt, who were males, even all the men of war, died in the wilderness along the way, after they came out of Egypt.
Ary izao no anton’ ny namoran’ i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta.
5 For all the people who came out were circumcised; but all the people who were born in the wilderness along the way as they came out of Egypt had not been circumcised.
Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’ izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
6 For the children of Israel walked forty years in the wilderness until all the nation, even the men of war who came out of Egypt, were consumed, because they didn’t listen to the LORD’s voice. The LORD swore to them that he wouldn’t let them see the land which the LORD swore to their fathers that he would give us, a land flowing with milk and honey.
Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
7 Their children, whom he raised up in their place, were circumcised by Joshua, for they were uncircumcised, because they had not circumcised them on the way.
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’ i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
8 When they were done circumcising the whole nation, they stayed in their places in the camp until they were healed.
Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin’ ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
9 The LORD said to Joshua, “Today I have rolled away the reproach of Egypt from you.” Therefore the name of that place was called Gilgal to this day.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’ i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
10 The children of Israel encamped in Gilgal. They kept the Passover on the fourteenth day of the month at evening in the plains of Jericho.
Ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana, teo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
11 They ate unleavened cakes and parched grain of the produce of the land on the next day after the Passover, in the same day.
Ary nony ampitson’ ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin’ izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12 The manna ceased on the next day, after they had eaten of the produce of the land. The children of Israel didn’t have manna any more, but they ate of the fruit of the land of Canaan that year.
Ary nitsahatra ny mana tamin’ iny andro ampitso iny, dia tamin’ ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ ny Zanak’ Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’ izany taona izany.
13 When Joshua was by Jericho, he lifted up his eyes and looked, and behold, a man stood in front of him with his sword drawn in his hand. Joshua went to him and said to him, “Are you for us, or for our enemies?”
Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
14 He said, “No; but I have come now as commander of the LORD’s army.” Joshua fell on his face to the earth, and worshipped, and asked him, “What does my lord say to his servant?”
Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ ny mpanomponao, Tompokolahy?
15 The prince of the LORD’s army said to Joshua, “Take off your sandals, for the place on which you stand is holy.” Joshua did so.
Dia hoy Ilay Komandin’ ny miaramilan’ i Jehovah tamin’ i Josoa: Esory amin’ ny tongotrao ny kapanao; fa masìna io tany ijanonanao io. Dia nataon’ i Josoa izany.

< Joshua 5 >