< Luke 19 >

1 Jesus entered and was passing through Jericho.
Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko.
2 Behold, there was a man there named Zacchaeus. He was a chief tax collector and was rich.
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ ny mpamory hetra sady nanan-karena.
3 He was trying to see who Jesus was, but could not see over the crowd, because he was small in height.
Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan’ ny olona nifanety, satria fohy izy.
4 So he ran on ahead of the people and climbed up into a sycamore tree to see him, because Jesus was about to pass that way.
Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an’ i Jesosy; fa efa handalo tamin’ izany lalana izany Izy.
5 When Jesus came to the place, he looked up and said to him, “Zacchaeus, come down quickly, for today I must stay at your house.”
Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
6 So he hurried and came down and welcomed him joyfully.
Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
7 When everyone saw this, they all complained, saying, “He has gone in to visit a man who is a sinner.”
Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy.
8 Zacchaeus stood and said to the Lord, “Look, Lord, the half of my goods I give to the poor, and if I have cheated anyone of anything, I will restore four times the amount.”
Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ ny malahelo; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
9 Jesus said to him, “Today salvation has come to this house, because he too is a son of Abraham.
Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa.
10 For the Son of Man came to seek and to save the people who are lost.”
Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.
11 As they heard these things, he continued speaking and told a parable, because he was near to Jerusalem, and they thought that the kingdom of God was about to appear immediately.
Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’ i Jerosalema Izy, ka nataon’ ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’ Andriamanitra.
12 He said therefore, “A certain nobleman went into a far country to receive for himself a kingdom and then to return.
Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
13 He called ten of his servants, and gave them ten minas, and said to them, 'Conduct business until I come back.'
Dia niantso folo lahy tamin’ ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
14 But his citizens hated him and sent a delegation after him, saying, 'We will not have this man rule over us.'
Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.
15 It happened when he came back again, having received the kingdom, he commanded the servants to whom he had given the money to be called to him, that he might know what profit they had made by doing business.
Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.
16 The first came before him, saying, 'Lord, your mina has made ten minas more.'
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
17 The nobleman said to him, 'Well done, good servant. Because you were faithful in very little, you will have authority over ten cities.'
Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
18 The second came, saying, 'Your mina, lord, has made five minas.'
Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
19 The nobleman said to him, 'You take charge over five cities.'
Ary hoy koa izy tamin’ io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
20 Another came, saying, 'Lord, here is your mina, which I kept safely in a cloth,
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.
21 for I was afraid of you, because you are a demanding person. You take up what you did not put in, and you reap what you did not sow.'
Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
22 The nobleman said to him, 'By your own words I will judge you, you wicked servant. You knew that I am a demanding person, that I take up what I did not put in, and that I reaped what I did not sow.
Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
23 Then why did you not put my money in the bank, so that when I returned I would have collected it with interest?'
koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
24 The nobleman said to them that stood by, 'Take away from him the mina, and give it to him that has the ten minas.'
Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
25 They said to him, 'Lord, he has ten minas.'
(Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
26 'I say to you, that everyone who has will be given more, but from him that has not, even that which he has will be taken away.
Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
27 But these enemies of mine, those who did not want me to reign over them, bring them here and kill them before me.'”
Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.
28 When he had said these things, he went on ahead, going up to Jerusalem.
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29 It came about that when he came near to Bethphage and Bethany, to the hill that is called Olivet, he sent two of the disciples,
Ary raha nanakaiky an’ i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianatra
30 saying, “Go into the next village. As you enter, you will find a colt that has never been ridden. Untie it and bring it to me.
ka nanao hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento erỳ.
31 If anyone asks you, 'Why are you untying it?' say, 'The Lord has need of it.'”
Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
32 Those who were sent went and found the colt just as Jesus had told them.
Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
33 As they were untying the colt, the owners said to them, “Why are you untying the colt?”
Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
34 They said, “The Lord has need of it.”
Ary hoy izy: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy.
35 They brought it to Jesus, and they threw their cloaks upon the colt and set Jesus on it.
Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin’ ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
36 As he went, they spread their cloaks on the road.
Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
37 As he was now approaching the place where the Mount of Olives descends, the whole multitude of the disciples began to rejoice and praise God with a loud voice for all the mighty works which they had seen,
Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
38 saying, “Blessed is the king who comes in the name of the Lord! Peace in heaven and glory in the highest!”
ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ ny avo indrindra.
39 Some of the Pharisees in the multitude said to him, “Teacher, rebuke your disciples.”
Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
40 Jesus answered and said, “I tell you, if these were silent, the stones would cry out.”
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangìna ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
41 When Jesus approached the city, he wept over it,
Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
42 saying, “If only you had known in this day, even you, the things which bring you peace! But now they are hidden from your eyes.
ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! ― fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany.
43 For the days will come upon you when your enemies will build a barricade around you, and surround you, and press in on you from every side.
Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
44 They will strike you down to the ground and your children with you. They will not leave one stone upon another, because you did not recognize it when God was trying to save you.”
ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
45 Jesus entered the temple and began to cast out those who were selling,
Ary niditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
46 saying to them, “It is written, 'My house will be a house of prayer,' but you have made it a den of robbers.”
ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
47 So Jesus was teaching daily in the temple. The chief priests and the scribes and the leaders of the people wanted to kill him,
Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
48 but they could not find a way to do it, because all the people were listening to him intently.
nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.

< Luke 19 >