< Psalms 53 >

1 For the leader. On mahalath. A maskil of David. Fools say in their heart, ‘There is no God.’ Vile, hateful their life is; not one does good.
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon’ i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
2 From heaven God looks out on humans, to see if any are wise, and care for God.
Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
3 But all have turned bad, the taint is on all; not one does good, no, not one.
Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
4 Have they learned their lesson, those workers of evil? Who ate up my people, eating, devouring, never calling to the Lord.
Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
5 Sore afraid will they be, where no fear was; when God scatters the bones of the godless people. They will be put to shame, when God rejects them.
Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy.
6 If only help from Zion would come for Israel! When God brings his people a change of fortune, how glad will be Jacob, and Israel how joyful!
Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin’ Andriamanitra avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

< Psalms 53 >