< Psalms 25 >

1 A psalm of David. To you, O Lord, I lift up my heart: all the day I wait for you.
Nataon’ i Davida.
2 In you I trust, put me not to shame; let not my foes exult over me.
Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.
3 None will be shamed who wait for you, but shame will fall upon wanton traitors.
Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
4 Make me, O Lord, to know your ways: teach me your paths.
Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
5 In your faithfulness guide me and teach me, for you are my God and my saviour.
Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
6 Remember your pity, O Lord, and your kindness, for they have been ever of old.
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
7 Do not remember the sins of my youth; remember me in kindness, because of your goodness, Lord.
Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
8 Good is the Lord and upright, so he teaches sinners the way.
Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
9 The humble he guides in the right, he teaches the humble his way.
Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10 All his ways are loving and loyal to those who observe his charges and covenant.
Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
11 Be true to your name Lord, forgive my many sins.
Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
12 Who then is the person who fears the Lord? He will teach them the way to choose.
Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13 They will live in prosperity, their children will inherit the land.
Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
14 The Lord gives guidance to those who fear him, and with his covenant he makes them acquainted.
Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
15 My eyes are ever toward the Lord, for out of the net he brings my foot.
Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato.
16 Turn to me with your favour, for I am lonely and crushed
Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17 In my heart are strain and storm; bring me out of my distresses.
Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho.
18 Look on my misery and trouble, and pardon all my sins,
Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
19 look on my foes oh, so many! And their cruel hatred towards me.
Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
20 Deliver me, keep me, and shame not one who takes refuge in you.
Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
21 May integrity and innocence preserve me, for I wait for you, O Lord.
Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
22 Redeem Israel, O God, from all its distresses.
Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.

< Psalms 25 >