< Exodus 20 >

1 God spoke all these words, saying,
Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
2 "I am the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of bondage.
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
3 Do not have other gods before me.
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 "Do not make for yourselves an idol, nor any image of anything that is in the heavens above, or that is in the earth beneath, or that is in the water under the earth:
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
5 you must not bow yourself down to them, nor serve them, for I, the LORD your God, am a jealous God, visiting the iniquity of the fathers on the children, and upon the children's children, on the third and on the fourth [generation] of those who hate me,
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
6 and showing loving kindness to thousands of those who love me and keep my commandments.
nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7 "Do not take the name of the LORD your God in vain, for the LORD will not hold him guiltless who takes his name in vain.
Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
8 "Remember the Sabbath day, to keep it holy.
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
9 Six days you may labor, and do all your work,
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
10 but the seventh day is a Sabbath to the LORD your God. You must not do any work in it, you, nor your son, nor your daughter, your male servant, nor your female servant, nor your livestock, nor your stranger who is within your gates;
Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
11 for in six days the LORD made heaven and earth, the sea, and all that is in them, and rested the seventh day; therefore the LORD blessed the seventh day, and made it holy.
Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12 "Honor your father and your mother, that it may be well with you, that your days may be long in the land which the LORD your God gives you.
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
13 "Do not commit adultery.
Aza mamono olona.
14 "Do not murder.
Aza mijangajanga.
15 "Do not steal.
Aza mangalatra.
16 "Do not give false testimony against your neighbor.
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
17 "Do not covet your neighbor's house. Do not covet your neighbor's wife, nor his male servant, nor his female servant, nor his ox, nor his donkey, nor anything that is your neighbor's."
Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
18 And all the people saw the thunder and the lightning and the sound of the trumpet and the mountain smoking, and the people were afraid and trembled and kept their distance.
Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
19 They said to Moses, "Speak with us yourself, and we will listen; but do not let God speak with us, lest we die."
Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
20 Moses said to the people, "Do not be afraid, for God has come to test you, and that his fear may be before you, that you won't sin."
Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.
21 The people stayed at a distance, and Moses drew near to the thick darkness where God was.
Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’ Andriamanitra.
22 The LORD said to Moses, "This is what you shall tell the children of Israel: 'You yourselves have seen that I have talked with you from heaven.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao no lazaonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
23 You shall most certainly not make alongside of me gods of silver, or gods of gold for yourselves.
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
24 You shall make an altar of earth for me, and shall sacrifice on it your burnt offerings and your peace offerings, your sheep and your cattle. In every place where I record my name I will come to you and I will bless you.
Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
25 If you make me an altar of stone, you shall not build it of cut stones; for if you lift up your tool on it, you have polluted it.
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
26 Neither shall you go up by steps to my altar, that your nakedness may not be exposed to it.'
Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.

< Exodus 20 >