< Deuteronomy 9 >

1 Hear, Israel: you are to pass over the Jordan this day, to go in to dispossess nations greater and mightier than yourself, cities great and fortified up to the sky,
Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
2 a people great and tall, the sons of the Anakim, whom you know, and of whom you have heard say, "Who can stand before the sons of Anak?"
dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?
3 Know therefore this day, that the LORD your God is he who goes over before you as a devouring fire; he will destroy them, and he will bring them down before you: so you shall drive them out, and make them to perish quickly, as the LORD has spoken to you.
Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
4 Do not say in your heart, after the LORD your God has thrust them out from before you, saying, "For my righteousness the LORD has brought me in to possess this land"; because the LORD drives them out before you because of the wickedness of these nations.
Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.
5 Not for your righteousness, or for the uprightness of your heart, do you go in to possess their land; but for the wickedness of these nations the LORD does drive them out from before you, and that he may establish the word which he swore to your fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob.
Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
6 Know therefore, that the LORD your God doesn't give you this good land to possess it for your righteousness; for you are a stiff-necked people.
Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
7 Remember, do not forget, how you provoked the LORD your God to wrath in the wilderness: from the day that you went forth out of the land of Egypt, until you came to this place, you have been rebellious against the LORD.
Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
8 Also in Horeb you provoked the LORD to wrath, and the LORD was angry with you to destroy you.
Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
9 When I was gone up onto the mountain to receive the tablets of stone, even the tablets of the covenant which the LORD made with you, then I stayed on the mountain forty days and forty nights; I neither ate bread nor drank water.
Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
10 The LORD delivered to me the two tablets of stone written with the finger of God; and on them were all the words which the LORD spoke with you on the mountain out of the midst of the fire in the day of the assembly.
dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.
11 It came to pass at the end of forty days and forty nights, that the LORD gave me the two tablets of stone, even the tablets of the covenant.
Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
12 The LORD said to me, "Arise, get down quickly from here; for your people whom you have brought out of Egypt have corrupted themselves; they have quickly turned aside out of the way which I commanded them; they have made them a molten image."
Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
13 Furthermore the LORD spoke to me, saying, "I have seen this people, and look, it is a stiff-necked people:
Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
14 let me alone, that I may destroy them, and blot out their name from under the sky; and I will make of you a nation mightier and greater than they."
Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
15 So I turned and came down from the mountain, and the mountain was burning with fire: and the two tablets of the covenant were in my two hands.
Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
16 I looked, and look, you had sinned against the LORD your God; you had made yourselves a molten calf: you had turned aside quickly out of the way which the LORD had commanded you.
Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.
17 I took hold of the two tablets, and cast them out of my two hands, and broke them before your eyes.
Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
18 I fell down before the LORD, as at the first, forty days and forty nights; I neither ate bread nor drank water; because of all your sin which you sinned, in doing that which was evil in the sight of the LORD, to provoke him to anger.
Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
19 For I was afraid of the anger and hot displeasure, with which the LORD was angry against you to destroy you. But the LORD listened to me that time also.
Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’ i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’ izany andro izany.
20 The LORD was very angry with Aaron to destroy him: and I prayed for Aaron also at the same time.
Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’ i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’ i Arona koa aho tamin’ izany andro izany.
21 I took your sin, the calf which you had made, and burnt it with fire, and stamped it, grinding it very small, until it was as fine as dust: and I cast its dust into the brook that descended out of the mountain.
Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.
22 At Taberah, and at Massah, and at Kibroth Hattaavah, you provoked the LORD to wrath.
Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.
23 When the LORD sent you from Kadesh Barnea, saying, "Go up and possess the land which I have given you"; then you rebelled against the commandment of the LORD your God, and you did not believe him, nor listen to his voice.
Ary raha nampandehanin’ i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
24 You have been rebellious against the LORD from the day that I knew you.
Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
25 So I fell down before the LORD the forty days and forty nights that I fell down, because the LORD had said he would destroy you.
Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
26 I prayed to God, and said, "Lord GOD, do not destroy your people and your inheritance, that you have redeemed through your greatness, that you have brought out of Egypt with a mighty hand.
Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
27 Remember your servants, Abraham, Isaac, and Jacob; do not look to the stubbornness of this people, nor to their wickedness, nor to their sin,
Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
28 lest the land you brought us out from say, 'Because the LORD was not able to bring them into the land which he promised to them, and because he hated them, he has brought them out to kill them in the wilderness.'
fandrao izay monina amin’ ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’ i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
29 Yet they are your people and your inheritance, which you brought out by your great power and by your outstretched arm."
Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.

< Deuteronomy 9 >