< Exodus 14 >

1 And the Lord spoke unto Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Speak unto the children of Israel, that they turn back and encamp before Pi-hachiroth, between Migdol and the sea; in front of Baal-zephon; opposite to this shall ye encamp by the sea.
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’ i Pi-hahirota, eo anelanelan’ i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin’ i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ ny ranomasina.
3 And Pharaoh will say of the children of Israel, They are entangled in the land, the wilderness hath shut them in.
Ary Farao hilaza ny Zanak’ Isiraely hoe: Azon’ ny tamberintany izy ka voahidin’ ny efitra.
4 And I will harden the heart of Pharaoh, that he shall follow after them; and I will get myself honor on Pharaoh, and on all his host; and the Egyptians shall know that I am the Lord; and they did so.
Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
5 And it was told to the king of Egypt that the people had fled; and the heart of Pharaoh and of his servants was changed with respect to the people, and they said, What is this which we have done, that we have let Israel go from serving us?
Ary nisy nanambara tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’ i Farao sy ny mpanompony ny amin’ ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ ny fanompoany antsika isika?
6 And he made ready his chariot, and took his people with him.
Dia nasainy nofehezina tamin’ ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
7 And he took six hundred chosen chariots, and all the chariots of Egypt, and captains over every one of them.
Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
8 And the Lord hardened the heart of Pharaoh, the king of Egypt, and he pursued after the children of Israel; and the children of Israel went out with a high hand.
Ary Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’ Isiraely izy, na dia tamin’ ny tanana avo aza no nivoahany.
9 And the Egyptians pursued after them, and they overtook them encamping by the sea, all the horses and chariots of Pharaoh, and his horsemen, and his army, beside Pi-hachiroth, before Baal-zephon.
Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’ i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ ny ranomasina, teo anilan’ i Pi-hahirota, tandrifin’ i Balazefona.
10 And when Pharaoh drew nigh, the children of Israel lifted up their eyes, and, behold, the Egyptians were marching after them, and they were greatly afraid; and the children of Israel cried out unto the Lord.
Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah.
11 And they said unto Moses, Is it because there were no graves in Egypt, that thou hast taken us away to die in the wilderness? what is this which thou hast done to us, to bring us forth out of Egypt?
Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
12 Is not this the word that we spoke unto thee in Egypt, saying, Let us alone, that we may serve the Egyptians? for it is better for us to serve the Egyptians than that we should die in the wilderness.
Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
13 And Moses said unto the people, Fear ye not, stand still and see the salvation of the Lord, which he will do for you today; for as ye have seen the Egyptians today, ye shall not see them again any more for ever.
Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
14 The Lord will fight for you, and ye shall hold your peace.
Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
15 And the Lord said unto Moses, Wherefore criest thou unto me? speak unto the children of Israel, that they go forward;
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso.
16 But do thou lift up thy staff, and stretch out thy hand over the sea, and divide it; and the children of Israel shall go through the midst of the sea on dry ground.
Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
17 And I, behold, I will harden the heart of the Egyptians, and they shall follow them: and I will get myself honor on Pharaoh, and on all his host, on his chariots, and on his horsemen.
Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
18 And the Egyptians shall know that I am the Lord, when I have got myself honor on Pharaoh, on his chariots, and on his horsemen.
dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
19 And the angel of God, that went before the camp of Israel, removed and went behind them; and the pillar of cloud removed from before them, and stood behind them;
Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
20 And it came between the camp of the Egyptians and the camp of Israel; and it was a cloud and darkness [to the first], but it gave light by night [to these]: and the one came not near unto the other all the night.
ka tonga teo anelanelan’ ny tobin’ ny Egyptiana sy ny tobin’ ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
21 And Moses stretched out his hand over the sea; and the Lord drove back the sea with a strong east wind all that night, and made the sea dry land, and the waters were divided.
Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
22 And the children of Israel went into the midst of the sea upon the dry ground: and the waters were a wall unto them, on their right hand, and on their left.
Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
23 And the Egyptians pursued, and went in after them, all Pharaoh's horses, his chariots, and his horsemen, to the midst of the sea.
Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ ny ranomasina, dia ny soavalin’ i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
24 And it came to pass in the morning watch, that the Lord looked unto the camp of the Egyptians with the pillar of fire and of the cloud, and brought into confusion the camp of the Egyptians;
Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana.
25 And he took off the wheels of their chariots, and caused them to move onward with difficulty; and the Egyptians said, Let us flee from the face of Israel; for the Lord fighteth for them against the Egyptians.
Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.
26 And the Lord said unto Moses, Stretch out thy hand over the sea, and the waters shall return over the Egyptians, over their chariots, and over their horsemen.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
27 And Moses stretched forth his hand over the sea, and the sea returned, when the morning appeared, to its strength; while the Egyptians were fleeing against it; and the Lord overthrew the Egyptians in the midst of the sea.
Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’ i Jehovah teo afovoan’ ny ranomasina ny Egyptiana.
28 And the waters returned, and covered the chariots, and the horsemen with all the host of Pharaoh that came after them into the sea: there remained of them not even one.
Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’ i Farao rehetra izay niditra teo amin’ ny ranomasina nanenjika ny Zanak’ Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
29 But the children of Israel walked upon dry ground in the midst of the sea; and the waters were unto them a wall on their right hand, and on their left.
Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
30 Thus the Lord saved Israel on that day out of the land of the Egyptians; and Israel saw the Egyptians dead upon the shore of the sea.
Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
31 And Israel saw that great power which the Lord had shown on the Egyptians: and the people feared the Lord, and then believed in the Lord, and in Moses his servant.
Ary rehefa hitan’ ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny Egyptiana, dia natahotra an’ i Jehovah ny olona ka nino an’ i Jehovah sy Mosesy mpanompony.

< Exodus 14 >