< Psalms 96 >

1 O sing unto the LORD a new song: sing unto the LORD, all the earth.
Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.
2 Sing unto the LORD, bless his name; shew forth his salvation from day to day.
Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
3 Declare his glory among the heathen, his wonders among all people.
Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
4 For the LORD [is] great, and greatly to be praised: he [is] to be feared above all gods.
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra.
5 For all the gods of the nations [are] idols: but the LORD made the heavens.
Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
6 Honour and majesty [are] before him: strength and beauty [are] in his sanctuary.
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna.
7 Give unto the LORD, O ye kindreds of the people, give unto the LORD glory and strength.
Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
8 Give unto the LORD the glory [due unto] his name: bring an offering, and come into his courts.
Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
9 O worship the LORD in the beauty of holiness: fear before him, all the earth.
Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
10 Say among the heathen [that] the LORD reigneth: the world also shall be established that it shall not be moved: he shall judge the people righteously.
Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy.
11 Let the heavens rejoice, and let the earth be glad; let the sea roar, and the fulness thereof.
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
12 Let the field be joyful, and all that [is] therein: then shall all the trees of the wood rejoice
Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala
13 Before the LORD: for he cometh, for he cometh to judge the earth: he shall judge the world with righteousness, and the people with his truth.
Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.

< Psalms 96 >