< Hosea 14 >

1 O Israel, return unto the LORD thy God; for thou hast fallen by thine iniquity.
Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
2 Take with you words, and turn to the LORD: say unto him, Take away all iniquity, and receive [us] graciously: so will we render the calves of our lips.
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
3 Asshur shall not save us; we will not ride upon horses: neither will we say any more to the work of our hands, [Ye are] our gods: for in thee the fatherless findeth mercy.
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po.
4 I will heal their backsliding, I will love them freely: for mine anger is turned away from him.
Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
5 I will be as the dew unto Israel: he shall grow as the lily, and cast forth his roots as Lebanon.
Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona.
6 His branches shall spread, and his beauty shall be as the olive tree, and his smell as Lebanon.
Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy.
7 They that dwell under his shadow shall return; they shall revive [as] the corn, and grow as the vine: the scent thereof [shall be] as the wine of Lebanon.
Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.
8 Ephraim [shall say], What have I to do any more with idols? I have heard [him], and observed him: I [am] like a green fir tree. From me is thy fruit found.
Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
9 Who [is] wise, and he shall understand these [things]? prudent, and he shall know them? for the ways of the LORD [are] right, and the just shall walk in them: but the transgressors shall fall therein.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

< Hosea 14 >