< Exodus 29 >

1 And thou shalt also do this, that they may be consecrated to me in priesthood. Take a calf from the herd, and two rams without blemish,
Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2 And unleavened bread, and a cake without leaven, tempered with oil, wafers also unleavened anointed with oil: thou shalt make them all of wheaten flour.
ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3 And thou shalt put them in a basket and offer them: and the calf and the two rams.
Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ ny harona; ary ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4 And thou shalt bring Aaron and his sons to the door of the tabernacle of the testimony. And when thou hast washed the father and his sons with water,
Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy
5 Thou shalt clothe Aaron with his vestments, that is, with the linen garment and the tunick, and the ephod and the rational, which thou shalt gird with the girdle.
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
6 And thou shalt put the mitre upon his head, and the holy plate upon the mitre,
ary ny hamama dia ataovy eo amin’ ny lohany, ary ny diadema masìna dia ataovy eo amin’ ny hamama.
7 And thou shalt pour the oil of unction upon his head: and by this rite shall he be consecrated.
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.
8 Thou shalt bring his sons also and shalt put on them the linen tunicks, and gird them with a girdle:
Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
9 To wit, Aaron and his children, and thou shalt put mitres upon them: and they shall be priests to me by a perpetual ordinance. After thou shalt have consecrated their hands,
Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
10 Thou shalt present also the calf before the tabernacle of the testimony. And Aaron and his sons shall lay their hands upon his head,
Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;
11 And thou shalt kill him in the sight of the Lord, beside the door of the tabernacle of the testimony.
dia vonoy eo anatrehan’ i Jehovah ny vantotr’ ombilahy, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
12 And taking some of the blood of the calf, thou shalt put it upon the horns of the altar with thy finger, and the rest of the blood thou shalt pour at the bottom thereof.
ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;
13 Thou shalt take also all the fat that covereth the entrails, and the caul of the liver, and the two kidneys, and the fat that is upon them, and shalt offer a burnt offering upon the altar:
ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;
14 But the flesh of the calf and the hide and the dung, thou shalt burn abroad, without the camp, because it is for sin.
fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
15 Thou shalt take also one ram upon the head whereof Aaron and his sons shall lay their hands.
Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
16 And when thou hast killed him, thou shalt take of the blood thereof, and pour round about the altar:
dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara;
17 And thou shalt cut the ram in pieces, and having washed his entrails and feet, thou shalt put them upon the flesh that is cut in pieces, and upon his head.
ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin’ ny voarasa sy ny lohany;
18 And thou shalt offer the whole ram for a burnt offering upon the altar: it is an oblation to the Lord, a most sweet savour of the victim of the Lord.
ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
19 Thou shalt take also the other ram, upon whose head Aaron and his sons shall lay their hands.
Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;
20 And when thou hast sacrificed him, thou shalt take of his blood, and put upon the tip of the right ear of Aaron and of his sons, and upon the thumbs and great toes of their right hand and foot, and thou shalt pour the blood upon the altar round about.
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara
21 And when thou hast taken of the blood, that is upon the altar, and of the oil of unction, thou shalt sprinkle Aaron and his vesture, his sons and their vestments. And after they and their vestments are consecrated,
Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.
22 Thou shalt take the fat of the ram, and the rump, and the fat that covereth the lungs, and the caul of the liver, and the two kidneys, and the fat that is upon them, and the right shoulder, because it is the ram of consecration.
Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
23 And one roll of bread, a cake tempered with oil, a wafer out of the basket of unleavened bread, which is set in the sight of the Lord.
ary manala iray amin’ ny mofo sy iray amin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ ny mofo manify izay eo amin’ ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’ i Jehovah;
24 And thou shalt put all upon the hands of Aaron and of his sons, and shalt sanctify them elevating before the Lord.
ary ataovy eo an-tànan’ i Arona sy eo an-tànan’ ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
25 And thou shalt take all from their hands, and shalt burn them upon the altar for a holocaust, a most sweet savour in the sight of the Lord, because it is his oblation.
Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.
26 Thou shalt take also the breast of the ram, wherewith Aaron was consecrated, and elevating it thou shalt sanctify it before the Lord, and it shall fall to thy share.
Ary alao ny tratran’ ny ondrilahy fanokanana an’ i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
27 And thou shalt sanctify both the consecrated breast, and the shoulder that thou didst separate of the ram,
Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.
28 Wherewith Aaron was consecrated and his sons, and they shall fall to Aarons share and his sons’ by a perpetual right from the children of Israel: because they are the choicest and the beginnings of their peace victims which they offer to the Lord.
Ary ho anjara mandrakizay ho an’ i Arona sy ho an’ ny taranany avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah.
29 And the holy vesture, which Aaron shall use, his sons shall have after him, that they may be anointed, and their hands consecrated to it.
Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
30 He of his sons that shall be appointed high priest in his stead, and that shall enter into the tabernacle of the testimony to minister in the sanctuary, shall wear it seven days.
Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin’ ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna.
31 And thou shalt take the ram of the consecration, and shalt boil the flesh thereof in the holy place:
Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin’ izay fitoerana masìna ny henany
32 And Aaron and his sons shall eat it. The loaves also, that are in the basket, they shall eat in the entry of the tabernacle of the testimony,
Ary hohanin’ i Arona sy ny zanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny henan’ ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ ny harona.
33 That it may be an atoning sacrifice, and the hands of the offerers may be sanctified. A stranger shall not eat of them, because they are holy.
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
34 And if there remain of the consecrated flash, or of the bread till the morning, thou shalt burn the remainder with fire: they shall not be eaten, because they are sanctified.
Ary raha misy sisa tsy lany amin’ ny henan’ ny fanatitra fanokanana, na amin’ ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masìna.
35 All that I have commanded thee, thou shalt do unto Aaron and his sons. Seven days shalt thou consecrate their hands:
Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
36 And thou shalt offer a calf for sin every day for expiation. And thou shalt cleanse the altar when thou hast offered the victim of expiation, and shalt anoint it to sanctify it.
Ary vantotr’ ombilahy iray no haterinao isan’ andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
37 Seven days shalt thou expiate the altar and sanctify it, and it shall be most holy. Every one that shall touch it shall be holy.
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
38 This is what thou shalt sacrifice upon the altar: Two lambs of a year old every day continually.
Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
39 One lamb in the morning and another in the evening.
(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
40 With one lamb a tenth part of flour tempered with beaten oil, of the fourth part of a hin, and wine for libation of the same measure.
ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
41 And the other lamb thou shalt offer in the evening, according to the rite of the morning oblation, and according to what we have said, for a savour of sweetness:
Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
42 It is a sacrifice to the Lord, by perpetual oblation unto your generations, at the door of the tabernacle of the testimony before the Lord, where I will appoint to speak unto thee.
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao
43 And there will I command the children of Israel, and the altar shall be sanctified by my glory.
Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.
44 I will sanctify also the tabernacle of the testimony with the altar, and Aaron with his sons, to do the office of priesthood unto me.
Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
45 And I will dwell in the midst of the children of Israel, and will be their God:
Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.
46 And they shall know that I am the Lord their God, who have brought them out of the land of Egypt, that I might abide among them, I the Lord their God.
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.

< Exodus 29 >