< Joshua 7 >

1 But the children of Israel committed a great trespass, and purloined [part] of the accursed thing; and Achar the son of Charmi, the son of Zambri, the son of Zara, of the tribe of Juda, took of the accursed thing; and the Lord was very angry with the children of Israel.
Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
2 And Joshua sent men to Gai, which is by Baethel, saying, Spy out Gai: and the men went up and spied Gai.
Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.
3 And they returned to Joshua, and said to him, Let not all the people go up, but let about two or three thousand men go up and take the city by siege: carry not up thither the whole people, for [the enemy] are few.
Ary niverina tany amin’ i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’ i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
4 And there went up about three thousand men, and they fled from before the men of Gai.
Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ ny mponina tao Ay ireo.
5 And the men of Gai slew of them to the number of thirty-six men, and they pursued them from the gate, and destroyed them from the steep hill; and the heart of the people was alarmed and became as water.
Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
6 And Joshua tore his garments; and Joshua fell on the earth on his face before the Lord until evening, he and the elders of Israel; and they cast dust on their heads.
Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
7 And Joshua said, I pray, Lord, wherefore has thy servant brought this people over Jordan to deliver them to the Amorite to destroy us? would we had remained and settled ourselves beyond Jordan.
Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
8 And what shall I say since Israel has turned his back before his enemy?
Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ ny fahavalony?
9 And when the Chananite and all the inhabitants of the land hear it, they shall compass us round and destroy us from off the land: and what wilt thou do [for] thy great name?
Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
10 And the Lord said to Joshua, Rise up; why hast thou fallen upon thy face?
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11 The people has sinned, and transgressed the covenant which I made with them; they have stolen from the cursed thing, and put it into their store.
Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ ny entany.
12 And the children of Israel will not be able to stand before their enemies; they will turn their back before their enemies, for they have become an accursed thing: I will not any longer be with you, unless ye remove the cursed thing from yourselves.
Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13 Rise, sanctify the people and tell them to sanctify themselves for the morrow: thus says the Lord God of Israel, The accursed thing is among you; ye shall not be able to stand before your enemies, until ye shall have removed the cursed thing from among you.
Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
14 And ye shall all be gathered together by your tribes in the morning, and it shall come to pass that the tribe which the Lord shall shew, ye shall bring by families; and the family which the Lord shall shew, ye shall bring by households; and the household which the Lord shall shew, ye shall bring man by man.
Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.
15 And the man who shall be pointed out, shall be burnt with fire, and all that he has; because he has transgressed the covenant of the Lord, and has wrought wickedness in Israel.
Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin’ ny afo izy mbamin’ izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken’ i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely.
16 And Joshua rose up early, and brought the people by their tribes; and the tribe of Juda was pointed out.
Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen’ i Joda no notanana.
17 And it was brought by their families, and family of the Zaraites was pointed out.
Dia nitondra ireo fokon’ i Joda izy; ka ny fianakavian’ i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian’ i Zera indray isam-batan’ olona izy, ka Zabdy no notanana;
18 And it was brought man by man, and Achar the son of Zambri the son of Zara was pointed out.
dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, no notanana.
19 And Joshua said to Achar, Give glory this day to the Lord God of Israel, and make confession; and tell me what thou hast done, and hide it not from me.
Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
20 And Achar answered Joshua, and said, Indeed I have sinned against the Lord God of Israel: thus and thus have I done:
Ary Akana namaly an’ i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko:
21 I saw in the spoil an embroidered mantle, and two hundred didrachms of silver, and one golden wedge of fifty didrachms, and I desired them and took them; and, behold, they are hid in my tent, and the silver is hid under them.
Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
22 And Joshua sent messengers, and they ran to the tent into the camp; and these things were hidden in his tent, and the silver under them.
Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin’ ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
23 And they brought them out of the tent, and brought them to Joshua and the elders of Israel, and they laid them before the Lord.
Dia nalainy avy ao amin’ ny lay ireny ka nentiny teo amin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’ i Jehovah
24 And Joshua took Achar the son of Zara, and brought him to the valley of Achor, and his sons, and his daughters, and his calves, and his asses, and all his sheep, and his tent, and all his property, and all the people [were] with him; and he brought them to Emec Achor.
Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
25 And Joshua said to Achar, Why hast thou destroyed us? the Lord destroy thee as at this day. And all Israel stoned him with stones.
Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
26 And they set up over him a great heap of stones; and the Lord ceased from his fierce anger. Therefore he called the place Emecachor until this day.
Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.

< Joshua 7 >