< 2 Kings 17 >

1 In the twelfth year of the reign of Ahaz over Judah, Hoshea son of Elah became king of Israel, and he reigned in Samaria nine years.
Tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, tamin’ ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2 And he did evil in the sight of the LORD, but not like the kings of Israel who preceded him.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely teo alohany.
3 Shalmaneser king of Assyria attacked him, and Hoshea became his vassal and paid him tribute.
Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan’ i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.
4 But the king of Assyria discovered that Hoshea had conspired to send envoys to King So of Egypt, and that he had not paid tribute to the king of Assyria as in previous years. Therefore the king of Assyria arrested Hoshea and put him in prison.
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin’ i So, mpanjakan’ i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan’ i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5 Then the king of Assyria invaded the whole land, marched up to Samaria, and besieged it for three years.
Dia niakatra ny mpanjakan’ i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
6 In the ninth year of Hoshea, the king of Assyria captured Samaria and carried away the Israelites to Assyria, where he settled them in Halah, in Gozan by the Habor River, and in the cities of the Medes.
Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
7 All this happened because the people of Israel had sinned against the LORD their God, who had brought them out of the land of Egypt from under the hand of Pharaoh king of Egypt. They had worshiped other gods
Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
8 and walked in the customs of the nations that the LORD had driven out before the Israelites, as well as in the practices introduced by the kings of Israel.
ka nandeha araka ny fanaon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely sy araka ny didy izay nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
9 The Israelites secretly did things against the LORD their God that were not right. From watchtower to fortified city, they built high places in all their cities.
Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin’ ny tanànany rehetra, dia hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
10 They set up for themselves sacred pillars and Asherah poles on every high hill and under every green tree.
Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy;
11 They burned incense on all the high places like the nations that the LORD had driven out before them. They did wicked things, provoking the LORD to anger.
ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
12 They served idols, although the LORD had told them, “You shall not do this thing.”
Fa nanompo sampy, izay nandraran’ i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13 Yet through all His prophets and seers, the LORD warned Israel and Judah, saying, “Turn from your wicked ways and keep My commandments and statutes, according to the entire Law that I commanded your fathers and delivered to you through My servants the prophets.”
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
14 But they would not listen, and they stiffened their necks like their fathers, who did not believe the LORD their God.
Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’ i Jehovah Andriamaniny.
15 They rejected His statutes and the covenant He had made with their fathers, as well as the decrees He had given them. They pursued worthless idols and themselves became worthless, going after the surrounding nations that the LORD had commanded them not to imitate.
Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16 They abandoned all the commandments of the LORD their God and made for themselves two cast idols of calves and an Asherah pole. They bowed down to all the host of heaven and served Baal.
Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.
17 They sacrificed their sons and daughters in the fire and practiced divination and soothsaying. They devoted themselves to doing evil in the sight of the LORD, provoking Him to anger.
Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18 So the LORD was very angry with Israel, and He removed them from His presence. Only the tribe of Judah remained,
Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
19 and even Judah did not keep the commandments of the LORD their God, but lived according to the customs Israel had introduced.
Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon’ ny Isiraely koa.
20 So the LORD rejected all the descendants of Israel. He afflicted them and delivered them into the hands of plunderers, until He had banished them from His presence.
Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21 When the LORD had torn Israel away from the house of David, they made Jeroboam son of Nebat king, and Jeroboam led Israel away from following the LORD and caused them to commit a great sin.
Fa nendahany niala tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an’ i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22 The Israelites persisted in all the sins that Jeroboam had committed and did not turn away from them.
Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon’ i Jeroboama, fa tsy niala tamin’ izany izy
23 Finally, the LORD removed Israel from His presence, as He had declared through all His servants the prophets. So Israel was exiled from their homeland into Assyria, where they are to this day.
Mandra-panaisotr’ i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin’ ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24 Then the king of Assyria brought people from Babylon, Cuthah, Avva, Hamath, and Sepharvaim and settled them in the towns of Samaria to replace the Israelites. They took possession of Samaria and lived in its towns.
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
25 Now when the settlers first lived there, they did not worship the LORD, so He sent lions among them, which killed some of them.
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an’ i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan’ ireny izy.
26 So they spoke to the king of Assyria, saying, “The peoples that you have removed and placed in the cities of Samaria do not know the requirements of the God of the land. Because of this, He has sent lions among them, which are indeed killing them off.”
Dia hoy ny olona tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ ny tanànan’ i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan’ ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon’ ny Andriamanitry ny tany.
27 Then the king of Assyria commanded: “Send back one of the priests you carried off from Samaria, and have him go back to live there and teach the requirements of the God of the land.”
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin’ ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any izy.
28 Thus one of the priests they had carried away came and lived in Bethel, and he began to teach them how they should worship the LORD.
Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin’ izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an’ i Jehovah.
29 Nevertheless, the people of each nation continued to make their own gods in the cities where they had settled, and they set them up in the shrines that the people of Samaria had made on the high places.
Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo, izay nataon’ ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin’ ny tanàna nitoerany avy.
30 The men of Babylon made Succoth-benoth, the men of Cuth made Nergal, the men of Hamath made Ashima,
Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an’ i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an’ i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an’ i Asima;
31 the Avvites made Nibhaz and Tartak, and the Sepharvites burned their children in the fire to Adrammelech and Anammelech the gods of the Sepharvaim.
ary ny Avita nanao an’ i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin’ ny afo ho an’ i Adrameleka Anameleka, andriamanitr’ i Sefarvaima.
32 So the new residents worshiped the LORD, but they also appointed for themselves priests of all sorts to serve in the shrines of the high places.
Dia natahotra an’ i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin’ ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin’ ny trano eny amin’ ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33 They worshiped the LORD, but they also served their own gods according to the customs of the nations from which they had been carried away.
Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34 To this day they are still practicing their former customs. None of them worship the LORD or observe the statutes, ordinances, laws, and commandments that the LORD gave the descendants of Jacob, whom He named Israel.
Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an’ i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ i Jehovah ny taranak’ i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35 For the LORD had made a covenant with the Israelites and commanded them, “Do not worship other gods or bow down to them; do not serve them or sacrifice to them.
Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36 Instead, worship the LORD, who brought you out of the land of Egypt with great power and an outstretched arm. You are to bow down to Him and offer sacrifices to Him.
Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37 And you must always be careful to observe the statutes, ordinances, laws, and commandments He wrote for you. Do not worship other gods.
Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38 Do not forget the covenant I have made with you. Do not worship other gods,
Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
39 but worship the LORD your God, and He will deliver you from the hands of all your enemies.”
Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny fahavalonareo rehetra.
40 But they would not listen, and they persisted in their former customs.
Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
41 So these nations worshiped the LORD but also served their idols, and to this day their children and grandchildren continue to do as their fathers did.
Ka dia natahotra an’ i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ ny razany ihany no nataon’ ireny mandraka androany.

< 2 Kings 17 >