< Titovi 1 >

1 Pavel, služebník Boží, apoštol pak Ježíše Krista, podlé víry vyvolených Božích, a známosti pravdy, kteráž jest podlé pobožnosti,
Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
2 K naději života věčného, kterýž zaslíbil před časy věků ten, kterýž nikdy neklamá, Bůh, (aiōnios g166)
amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; (aiōnios g166)
3 Zjevil pak časy svými to slovo své, skrze kázaní mně svěřené, podlé zřízení spasitele našeho Boha,
fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 Titovi, vlastnímu synu u víře obecné: Milost, milosrdenství a pokoj od Boha Otce a Pána Jezukrista spasitele našeho.
ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 Z té příčiny zanechal jsem tebe v Krétě, abys to, čehož tam ještě potřebí, spravil, a ustanovil po městech starší, jakož i já při tobě jsem zřídil,
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
6 Jest-li kdo bez úhony, jedné manželky muž, dítky maje věřící, na kteréž by nemohlo touženo býti, že by byli bůjní, aneb nepoddaní.
raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
7 Neboť biskup má býti bez úhony, jako Boží šafář, ne svémyslný, ne hněvivý, ne piján vína, ne bitec, ne žádostivý mrzkého zisku,
Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8 Ale přívětivý k hostem, milovník dobrých, opatrný, spravedlivý, svatý, zdrželivý,
fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
9 Pilně se přídržící věrné řeči k vyučování dostatečné, aby mohl i napomínati učením zdravým, i ty, kteříž odpírají, přemáhati.
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
10 Neboť jsou mnozí nepoddaní, marnomluvní, i svůdcové myslí, zvláště ti, kteříž jsou z obřízky.
Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
11 Jimž musejí ústa zacpána býti; kteříž celé domy převracejí, učíce neslušným věcem, pro mrzký zisk.
tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12 Řekl jeden z nich, vlastní jejich prorok: Kretenští jsou vždycky lháři, zlá hovada, břicha lenivá.
Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
13 Svědectví to pravé jest. A protož tresciž je přísně, ať jsou zdraví u víře,
Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
14 Nešetříce Židovských básní a přikázaní lidí těch, kteříž se odvracují od pravdy.
tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
15 Všecko zajisté čisté jest čistým, poškvrněným pak a nevěřícím nic není čistého, ale poškvrněna jest i mysl jejich i svědomí.
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16 Vypravují o tom, že Boha znají, ale skutky svými toho zapírají, ohavní jsouce, a nepoddaní, a ke všelikému skutku dobrému nehodní.
Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.

< Titovi 1 >