< Římanům 16 >

1 Poroučímť pak vám Fében, sestru naši, služebnici církve Cenchrenské,
Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
2 Abyste ji přijali v Pánu, tak jakž sluší na svaté, a abyste jí pomocni byli, jestliže by vás v čem potřebovala. Nebo i ona mnohým hostem ochotně posluhovala, až i mně také.
mba horaisinareo ao amin’ ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masìna, ary mba hampianareo izy amin’ izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ ny tenako koa.
3 Pozdravte Priscilly a Akvily, pomocníků mých v Kristu Ježíši,
Veloma amin’ i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’ i Kristy Jesosy;
4 Kteříž pro můj život svých vlastních hrdel nasadili, jimž ne já sám toliko děkuji, ale i všecky církve pohanské,
izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ ny jentilisa koa.
5 I domácího jejich shromáždění. Pozdravte mého milého Epéneta, kterýž jest prvotiny Achaie v Kristu.
Ary veloma amin’ ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’ i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’ i Asia ho an’ i Kristy.
6 Pozdravte Marie, kteráž mnoho práce měla s námi.
Veloma amin’ i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
7 Pozdravte Andronika a Junia, příbuzných mých a spoluvězňů mých, kteříž jsou vzácní u apoštolů, a kteříž přede mnou byli v Kristu Ježíši.
Veloma amin’ i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ ny Apostoly sady tao amin’ i Kristy talohako.
8 Pozdravte Amplia mně v Pánu milého.
Veloma amin’ i Ampliato, malalako ao amin’ ny Tompo.
9 Pozdravte Urbana, pomocníka našeho v Kristu, a Stachyna mého milého.
Veloma amin’ i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin’ i Kristy, sy Staky malalako.
10 Pozdravte Apella zkušeného v Kristu. Pozdravte domácích Aristobulových.
Veloma amin’ i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’ i Kristy. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Aristobolo.
11 Pozdravte Herodiona, příbuzného mého. Pozdravte domácích Narcissových, kteříž jsou v Pánu.
Veloma amin’ i Herodiona havako. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Narkisa, izay ao amin’ ny Tompo.
12 Pozdravte Tryfény a Tryfózy, kteréž práci vedou v Pánu. Pozdravte Persidy milé, kteráž mnoho pracovala v Pánu.
Veloma amin’ i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ ny Tompo. Veloma amin’ i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ ny Tompo.
13 Pozdravte Rufa, zvláštního v Pánu, a matky jeho i mé.
Veloma amin’ i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ ny Tompo, ary amin’ ny reniny sy reniko.
14 Pozdravte Asynkrita, Flegonta, Hermy, Patroba, Hermena, i bratří, kteříž jsou s nimi.
Veloma amin’ i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ ny rahalahy ao aminy.
15 Pozdravte Filologa i Julie, Nerea a sestry jeho, i Olympa i všech svatých, kteříž jsou s nimi.
Veloma amin’ i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masìna rehetra izay ao aminy.
16 Pozdravte sebe vespolek v políbení svatém. Pozdravujíť vás církve Kristovy.
Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. Ny fiangonana rehetra an’ i Kristy manao veloma anareo.
17 Prosímť pak vás, bratří, abyste šetřili těch, kteříž různice a pohoršení činí, na odpor učení tomu, kterémuž jste vy se naučili, a varujte se jich.
Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.
18 Nebo takoví Pánu našemu Ježíši Kristu neslouží, ale svému břichu; a lahodnými řečmi a pochlebenstvím svodí srdce prostých.
Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.
19 Nebo vaše poslušenství všech došlo. A protož raduji se z vás. Než chciť, abyste byli moudří k dobrému, a prostí k zlému.
Fa efa niely any amin’ ny olona rehetra ny lazan’ ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’ izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’ izay ratsy.
20 Bůh pak pokoje potře satana pod nohy vaše brzo. Milost Pána našeho Jezukrista s vámi. Amen.
Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
21 Pozdravují vás Timoteus, pomocník můj, a Lucius, a Jázon, a Sozipater, příbuzní moji.
Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
22 Pozdravuji vás v Pánu já Tercius, kterýž jsem psal tento list.
Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ ny Tompo.
23 Pozdravuje vás Gáius, hospodář můj i vší církve. Pozdravuje vás Erastus, důchodní písař městský, a Kvartus bratr.
Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
24 Milost Pána našeho Jezukrista se všemi vámi. Amen.
25 Tomu pak, kterýž může vás utvrditi podlé evangelium mého a kázaní Ježíše Krista, podlé zjevení tajemství od časů věčných skrytého, (aiōnios g166)
Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, (aiōnios g166)
26 Nyní pak zjeveného i skrze písma prorocká, podlé poručení věčného Boha, ku poslušenství víry všechněm národům oznámeného, (aiōnios g166)
fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, (aiōnios g166)
27 Tomu samému moudrému Bohu sláva skrze Jezukrista na věky. Amen. (aiōn g165)
ho an’ Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< Římanům 16 >