< Zjevení Janovo 20 >

1 I viděl jsem anděla sstupujícího s nebe, majícího klíč od propasti a řetěz veliký v ruce své. (Abyssos g12)
Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; (Abyssos g12)
2 I chopil draka, hada toho starého, kterýž jest ďábel a satan, i svázal jej za tisíc let.
dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
3 A uvrhl ho do propasti, i zavřel, a svrchu nad ním zapečetil, aby nesvodil více národů, až by se vyplnilo tisíc let; neboť potom musí býti propuštěn na malý čas. (Abyssos g12)
dia nanipy ary ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. (Abyssos g12)
4 I viděl jsem stolice, a posadili se na nich, i dán jest jim soud, a duše stínaných pro svědectví Ježíšovo a pro slovo Boží, a kteříž se neklaněli šelmě, ani obrazu jejímu, a aniž přijali znamení jejího na čela svá, aneb na ruce své. A ožili, a kralovali s Kristem tisíc let.
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’ izay notapahin-doha noho ny filazana an’ i Jesosy sy ny tenin’ Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia na teo anoloan’ ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ ny handriny na ho eo amin’ ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’ i Kristy arivo taona.
5 Jiní pak mrtví neožili, dokudž by se nevyplnilo těch tisíc let. Toť jest první vzkříšení.
Fa ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6 Blahoslavený a svatý, kdož má díl v prvním vzkříšení. Nad těmiť ta druhá smrt nemá moci, ale budou kněží Boží a Kristovi, a kralovati s ním budou tisíc let.
Sambatra sy masìna izay manana anjara amin’ ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
7 A když se vyplní tisíc let, propuštěn bude satan z žaláře svého.
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ ny tranomaizina nitoerany
8 I vyjde, aby svodil národy, kteříž jsou na čtyřech stranách země, Goga a Magoga, a aby je shromáždil k boji, kterýchžto počet jest jako písku mořského.
ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
9 I vstoupili na širokost země, a obklíčili stany svatých, i to město milé, ale sstoupil oheň od Boha s nebe, a spálil je.
Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ ny olona masìna sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
10 A ďábel, kterýž je svodil, uvržen jest do jezera ohně a siry, kdež jest i šelma, i falešný prorok, a budouť mučeni dnem i nocí na věky věků. (aiōn g165, Limnē Pyr g3041 g4442)
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo. (aiōn g165, Limnē Pyr g3041 g4442)
11 I viděl jsem trůn veliký bílý, a sedícího na něm, před jehož tváří utekla země i nebe, a místo jim není nalezeno.
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
12 I viděl jsem mrtvé, malé i veliké, stojící před oblíčejem Božím, a knihy otevříny jsou. A jiná kniha také jest otevřína, to jest kniha života, i souzeni jsou mrtví podlé toho, jakž psáno bylo v knihách, totiž podlé skutků svých.
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany.
13 A vydalo moře mrtvé, kteříž byli v něm, tolikéž smrt i peklo vydali ty, kteříž v nich byli, i souzeni jsou jeden každý podlé skutků svých. (Hadēs g86)
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. (Hadēs g86)
14 Smrt pak a peklo uvrženi jsou do jezera ohnivého, a toť jest smrt druhá. (Hadēs g86, Limnē Pyr g3041 g4442)
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. (Hadēs g86, Limnē Pyr g3041 g4442)
15 I ten, kdož není nalezen v knize života zapsán, uvržen jest do jezera ohnivého. (Limnē Pyr g3041 g4442)
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy. (Limnē Pyr g3041 g4442)

< Zjevení Janovo 20 >