< Matouš 21 >

1 A když se přiblížili k Jeruzalému, a přišli do Betfage k hoře Olivetské, tedy Ježíš poslal dva učedlníky své,
Ary raha nanakaiky an’ i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
2 Řka jim: Jdětež do městečka, kteréž proti vám jest, a hned naleznete oslici přivázanou a oslátko s ní. Odvěžtež je a přiveďte ke mně.
Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’ izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
3 A řekl-liť by kdo co vám, rcete, že Pán jich potřebuje, a hnedť propustí je.
Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy.
4 Toto se pak všecko stalo, aby se naplnilo povědění skrze proroka, řkoucího:
Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
5 Povězte dceři Sionské: Aj, král tvůj béře se tobě tichý, a sedě na oslici, a na oslátku té jhu podrobené.
Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa.
6 I jdouce učedlníci, a učinivše tak, jakž jim byl přikázal Ježíš,
Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’ i Jesosy azy,
7 Přivedli oslici i oslátko, a vložili na ně roucha svá, a jej na vrchu na ně posadili.
dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
8 Mnohý pak zástup stlali roucha svá na cestě, jiní pak ratolesti z stromů sekali, a metali na cestu.
Ary ny ankabiazan’ ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
9 A zástupové, kteříž s předu i s zadu šli, volali, řkouce: Hosanna synu Davidovu. Požehnaný, kterýž se béře ve jménu Páně. Hosanna na výsostech.
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
10 A když vjel do Jeruzaléma, zbouřilo se všecko město, řkouce: I kdo jest tento?
Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
11 Zástupové pak pravili: Toto jest ten Ježíš, prorok z Nazaréta Galilejského.
Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
12 I všel Ježíš do chrámu Božího, a vymítal všecky prodávající a kupující v chrámě, a stoly penězoměnců a stolice prodávajících holubice převracel,
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
13 A řekl jim: Psánoť jest: Dům můj dům modlitby slouti bude, ale vy učinili jste jej peleší lotrovskou.
dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
14 I přistoupili k němu slepí a kulhaví v chrámě, a uzdravil je.
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
15 Vidouce pak přední kněží a zákonníci divy, kteréž činil, a dítky, any volají v chrámě a praví: Hosanna synu Davidovu, rozhněvali se.
Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy
16 A řekli jemu: Slyšíš-liž, co tito praví? Ježíš pak řekl jim: I ovšem. Nikdá-liž jste nečtli, že z úst nemluvňátek a těch, kteříž prsí požívají, dokonal jsi chválu?
ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain’ ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana?
17 A opustiv je, šel ven z města do Betany, a tu zůstal.
Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
18 Ráno pak navracuje se do města, zlačněl.
Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
19 A vida jeden fíkový strom podlé cesty, šel k němu, a nic na něm nenalezl, než lístí toliko. I dí jemu: Nikdy více neroď se z tebe ovoce na věky. I uschl fík ten pojednou. (aiōn g165)
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. (aiōn g165)
20 A vidouce to učedlníci, divili se, řkouce: Kterak hned usechl fík ten!
Ary nony hitan’ ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
21 I odpověděv Ježíš, řekl jim: Amen pravím vám: Budete-li míti víru a nebudete-li pochybovati, netoliko to fíkovému stromu učiníte, ale kdybyste i této hoře řekli: Zdvihni se a vrz sebou do moře, staneť se.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
22 A všecko, zač byste koli prosili na modlitbě, věříce, vezmete.
Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ ny fivavahana atao amin’ ny finoana dia ho azonareo.
23 A když přišel do chrámu, přistoupili k němu přední kněží a starší lidu, když učil, řkouce: Jakou mocí tyto věci činíš? A kdo tobě tu moc dal?
Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
24 Odpovídaje pak Ježíš, řekl jim: Otížiť se i já vás na jednu věc, kterouž povíte-li mi, i já vám povím, jakou mocí tyto věci činím?
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
25 Křest Janův odkud byl? S nebe-li, čili z lidí? A oni rozvažovali mezi sebou, řkouce: Díme-li s nebe, díť nám: Proč jste pak nevěřili jemu?
Ny batisan’ i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
26 Pakli díme: Z lidí, bojíme se zástupu. Nebo všickni mají Jana za proroka.
Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’ izy rehetra ho mpaminany Jaona.
27 I odpovídajíce Ježíšovi, řekli: Nevíme. Řekl jim i on: Aniž já vám povím, jakou mocí tyto věci činím.
Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
28 Ale co se vám zdá? Člověk jeden měl dva syny. A přistoupiv k prvnímu, řekl: Synu, jdi na vinici mou dnes, a dělej.
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio.
29 Ale on odpověděv, řekl: Nechci. A potom usmysliv sobě, šel.
Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
30 I přistoupiv k druhému, řekl též. A on odpověděv, řekl: Jdu, pane. Ale nešel.
Dia nankeo amin’ ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31 Který z těch dvou naplnil vůli otcovu? Řekli jemu: Ten první. Dí jim Ježíš: Amen pravím vám, že publikáni a nevěstky předcházejí vás do království Božího.
Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
32 Nebo přišel k vám Jan cestou spravedlnosti, a nevěřili jste mu, ale publikáni a nevěstky uvěřili jemu. Vy pak viděvše to, aniž jste potom usmyslili sobě, abyste věřili jemu.
Fa Jaona nankany aminareo tamin’ ny lalan’ ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
33 Jiné podobenství slyšte: Byl jeden hospodář, kterýž vzdělal vinici, a opletl ji plotem, a vkopal v ní pres, a ustavěl věži, i pronajal ji vinařům, a odšel pryč přes pole.
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy.
34 A když se přiblížil čas ovoce, poslal služebníky své k vinařům, aby vzali užitky její.
Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.
35 Vinaři pak zjímavše služebníky jeho, jiného zmrskali, jiného zabili, a jiného ukamenovali.
Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
36 Opět poslal jiných služebníků více než prvé. I učinili jim též.
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
37 Naposledy pak poslal k nim syna svého, řka: Ustýdnouť se syna mého.
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
38 Vinaři pak uzřevše toho syna, řekli mezi sebou: Tentoť jest dědic; poďte, zabíme jej, a uvažme se v dědictví jeho.
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
39 I chytivše ho, vyvrhli jej ven z vinice, a zabili.
Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
40 Protož když přijde pán vinice, co učiní vinařům těm?
Koa raha tonga ny tompon’ ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
41 Řekli jemu: Zlé ty zle zatratí, a vinici svou pronajme jiným vinařům, kteříž budou vydávati jemu užitek časy svými.
Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ ny fotoany avy.
42 Řekl jim Ježíš: Nikdy-li jste nečtli v písmích: Kámen, kterýž zavrhli dělníci, ten učiněn jest v hlavu úhlovou? Ode Pána stalo se toto, a jest divné před očima našima.
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masìna hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
43 Protož pravím vám, že bude odjato od vás království Boží, a bude dáno lidu činícímu užitky jeho.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
44 A kdož by padl na ten kámen, rozrazíť se; a na kohož upadne, setřeť jej.
Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
45 A slyšavše přední kněží ta podobenství jeho, porozuměli, že by o nich mluvil.
Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany.
46 I hledajíce ho jíti, báli se zástupů; nebo ho měli za proroka.
Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.

< Matouš 21 >