< Lukáš 24 >

1 Prvního pak dne po sobotě velmi ráno šly k hrobu, nesouce vonné věci, kteréž byly připravily, a některé jiné s nimi.
Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2 I nalezly kámen odvalený od hrobu.
Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.
3 A všedše, nenalezly těla Pána Ježíše.
Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.
4 I stalo se, když ony se toho užasly, aj, muži dva postavili se podlé nich v rouše stkvoucím.
Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5 Když se pak ony bály, a sklonily tváři své k zemi, řekli jim: Co hledáte živého s mrtvými?
Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?
6 Neníť ho tuto, ale vstalť jest. Rozpomeňte se, kterak mluvil vám, když ještě v Galilei byl,
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7 Řka: Že Syn člověka musí vydán býti v ruce hříšných lidí, a ukřižován býti, a v třetí den z mrtvých vstáti.
Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.
8 I rozpomenuly se na slova jeho.
Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9 A navrátivše se od hrobu, zvěstovaly to všecko těm jedenácti i jiným všechněm.
Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.
10 Byly pak Maria Magdaléna a Johanna a Maria Jakubova, a jiné s nimi, kteréž vypravovaly to apoštolům.
Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly.
11 Ale oni měli za bláznovství slova jejich, a nevěřili jim.
Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
12 Tedy Petr vstav, běžel k hrobu, a pohleděv do něho, uzřel prostěradla, ana sama leží. I odšel, divě se sám v sobě, co se to stalo.
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13 A aj, dva z nich šli toho dne do městečka, kteréž bylo vzdálí od Jeruzaléma honů šedesáte, jemuž jméno Emaus.
Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
14 A rozmlouvali vespolek o těch všech věcech, kteréž se byly staly.
Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy.
15 I stalo se, když rozmlouvali, a sebe se otazovali, že i Ježíš, přiblíživ se, šel s nimi.
Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Ale oči jejich držány byly, aby ho nepoznali.
Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17 I řekl jim: Které jsou to věci, o nichž rozjímáte vespolek, jdouce, a jste smutní?
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 A odpověděv jeden, kterémuž jméno Kleofáš, řekl jemu: Ty sám jsi z příchozích do Jeruzaléma, ještos nezvěděl, co se stalo v něm těchto dnů?
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?
19 Kterýmž on řekl: I co? Oni pak řekli jemu: O Ježíšovi Nazaretském, kterýž byl muž prorok, mocný v slovu i v skutku, před Bohem i přede vším lidem,
Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20 Totiž kterak jej vydali přední kněží a knížata naše na odsouzení k smrti, i ukřižovali jej.
dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.
21 My pak jsme se nadáli, že by on měl vykoupiti Izraele. Ale nyní tomu všemu třetí den jest dnes, jakž se to stalo.
Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany.
22 Ale i ženy některé z našich zděsily nás, kteréž ráno byly u hrobu.
Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy,
23 A nenalezše tělo jeho, přišly, pravíce, že také vidění andělské viděly, kteříž praví, že by živ byl.
ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
24 I chodili někteří z našich k hrobu, a nalezli tak, jakž pravily ženy, ale jeho neviděli.
Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
25 Tedy on řekl jim: Ó nesmyslní a zpozdilí srdcem k věření všemu tomu, což mluvili proroci.
Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.
26 Zdaliž nemusil těch věcí trpěti Kristus a vjíti v slávu svou?
Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
27 A počav od Mojžíše a všech proroků, vykládal jim všecka ta písma, kteráž o něm byla.
Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.
28 I přiblížili se k městečku, do kteréhož šli, a on potrh se, jako by chtěl dále jíti.
Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
29 Ale přinutili ho, řkouce: Zůstaň s námi, nebo se již připozdívá, a den se nachýlil. I všel, aby s nimi zůstal.
Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
30 I stalo se, když seděl s nimi za stolem, vzav chléb, dobrořečil, a lámaje, podával jim.
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
31 I otevříny jsou oči jejich, a poznali ho. On pak odnesl se od nich.
Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32 I řekli vespolek: Zdaliž srdce naše v nás nehořelo, když mluvil nám na cestě, a když otvíral nám písma?
Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?
33 A vstavše v tu hodinu, vrátili se do Jeruzaléma, a nalezli shromážděných těch jedenácte, a ty, kteříž s nimi byli,
Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo
34 Ani praví: Že vstal Pán právě, a ukázal se Šimonovi.
sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona.
35 I vypravovali oni také to, co se stalo na cestě, a kterak ho poznali v lámání chleba.
Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo.
36 A když oni o tom rozmlouvali, postavil se Ježíš u prostřed nich, a řekl jim: Pokoj vám.
Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37 Oni pak zhrozivše se a přestrašeni byvše, domnívali se, že by ducha viděli.
Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
38 I dí jim: Co se strašíte, a proč myšlení vstupují na srdce vaše?
Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
39 Vizte ruce mé i nohy mé, já zajisté jsem ten. Dotýkejte se mne a vizte; neboť duch těla a kostí nemá, jako mne vidíte míti.
Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40 A pověděv to, ukázal jim ruce i nohy.
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
41 Když pak oni ještě nevěřili pro radost, ale divili se, řekl jim: Máte-li tu co k jídlu?
Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
42 A oni podali jemu kusu ryby pečené a plástu strdi.
Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.
43 A vzav, pojedl před nimi,
Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
44 A řekl jim: Tatoť jsou slova, kteráž jsem mluvil vám, ještě byv s vámi: Že se musí naplniti všecko, což psáno jest v zákoně Mojžíšově a v prorocích i v žalmích o mně.
Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45 Tedy otevřel jim mysl, aby rozuměli písmům.
Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna.
46 A řekl jim: Takť jest psáno, a tak musil Kristus trpěti, a třetího dne z mrtvých vstáti,
Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
47 A aby bylo kázáno ve jménu jeho pokání a odpuštění hříchů mezi všemi národy, počna od Jeruzaléma.
ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48 Vy pak jste svědkové toho.
Ary ianareo no vavolombelon’ izany.
49 A aj, já pošli zaslíbení Otce svého na vás. Vy pak čekejte v městě Jeruzalémě, dokudž nebudete oblečeni mocí s výsosti.
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.
50 I vyvedl je ven až do Betany, a pozdvih rukou svých, dal jim požehnání.
Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51 I stalo se, když jim žehnal, bral se od nich, a nesen jest do nebe.
Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52 A oni poklonivše se jemu, navrátili se do Jeruzaléma s radostí velikou.
Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
53 A byli vždycky v chrámě, chválíce a dobrořečíce Boha. Amen.
Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.

< Lukáš 24 >