< Jakubův 4 >

1 Odkud jdou bojové a svády mezi vámi? Zdali ne odtud, totiž z líbostí vašich, kteréž rytěřují v oudech vašich?
Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ ny momba ny tenanareo?
2 Žádáte, a nemáte; závidíte a dychtíte, a nemůžete dosáhnouti; bojujete a válčíte, a však neobdržíváte, proto že neprosíte.
Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
3 Prosíte, a nebéřete, proto že zle prosíte, abyste na své líbosti vynakládali.
Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ ny filanareo.
4 Cizoložníci a cizoložnice, což nevíte, že přízeň světa jest nepřítelkyně Boží? A protož kdo by koli chtěl býti přítelem tohoto světa, nepřítelem Božím učiněn bývá.
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.
5 Což mníte, že nadarmo dí písmo: Zdali k závisti nakloňuje duch ten, kterýž přebývá v nás?
Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masìna? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ ny fahasaro-piaro.
6 Nýbrž hojnější dává milost. Nebo dí: Bůh se pyšným protiví, ale pokorným dává milost.
Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
7 Poddejtež se tedy Bohu, a zepřete se ďáblu, i utečeť od vás.
Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8 Přibližte se k Bohu, a přiblížíť se k vám. Umejte ruce, hříšníci, a očisťte srdce vy, kteříž jste dvojité mysli.
Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9 Ssouženi buďte, a kvělte, a plačte; smích váš obratiž se v kvílení, a radost v zámutek.
Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
10 Ponižte se před oblíčejem Páně, a povýšíť vás.
Manetre tena eo anatrehan’ ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
11 Neutrhejtež jedni druhým, bratří. Kdož utrhá bratru, a potupuje bratra svého, utrhá zákonu, a potupuje zákon. Tupíš-li pak zákon, nejsi plnitel zákona, ale soudce.
Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
12 Jedenť jest vydavatel zákona, kterýž může spasiti i zatratiti. Ty kdo jsi, ješto tupíš jiného?
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
13 Ale nuže vy, kteříž říkáte: Dnes neb zítra vypravíme se do onoho města, a pobudeme tam přes celý rok, a budeme kupčiti, a něco zištěme;
He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
14 (Ješto nevíte, co zítra bude. Nebo jaký jest život váš? Pára zajisté jest, kteráž se na maličko ukáže, a potom zmizí.)
kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
15 Místo toho, co byste měli říci: Bude-li Pán chtíti, a budeme-li živi, učiníme toto neb onono.
Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
16 Vy pak chlubíte se v pýše své. Všeliká taková chlouba zlá jest.
Fa izao dia mirehareha amin’ ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
17 A protož kdo umí dobře činiti, a nečiní, hřích má.
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.

< Jakubův 4 >