< Efezským 4 >

1 Prosímť tedy vás já vězeň v Pánu, abyste chodili tak, jakž hodné jest na to povolání, kterýmž povoláni jste,
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
2 Se vší pokorou, tichostí, i s snášelivostí, snášejíce se vespolek v lásce,
amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,
3 Usilujíce zachovávati jednotu Ducha v svazku pokoje.
mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.
4 Jedno jest tělo, a jeden Duch, jakož i povoláni jste v jedné naději povolání svého.
Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5 Jeden Pán, jedna víra, jeden křest,
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 Jeden Bůh a Otec všech, kterýž jest nade všecko, a skrze všecko, i ve všech vás.
iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.
7 Ale jednomu každému z nás dána jest milost podlé míry obdarování Kristova.
Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.
8 Protož dí: Vstoupiv na výsost, jaté vedl vězně, a dal dary lidem.
Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.
9 Ale to, že vstoupil, co jest, jediné že i sstoupil prvé do nejnižších stran země?
(Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
10 Ten pak, kterýž sstoupil, onť jest, kterýž i vstoupil vysoko nade všecka nebesa, aby naplnil všecko.
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11 A onť dal některé zajisté apoštoly, některé pak proroky, jiné pak evangelisty, jiné pak pastýře a učitele,
Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 Pro spořádání svatých, k dílu služebnosti, pro vzdělání těla Kristova,
ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
13 Až bychom se sběhli všickni v jednotu víry a známosti Syna Božího, v muže dokonalého, v míru postavy plného věku Kristova,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
14 Abychom již více nebyli děti, zmítající se a točící každým větrem učení v neustavičnosti lidské, v chytrosti k oklamávání lstivému;
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 Ale upřímě se majíce v lásce, rosťme v toho všelijak, kterýž jest hlava, totiž v Krista.
fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;
16 Z kteréhož všecko tělo příslušně spojené a svázané po všech kloubích přisluhování, podlé vnitřní moci v míru jednoho každého ouda, zrůst, jakž na tělo přísluší, béře, k vzdělání svému v lásce.
Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.
17 A protož totoť pravím a osvědčuji skrze Pána, abyste již více nechodili, jako i jiní pohané chodí, v marnosti mysli své,
Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
18 Zatemnění v rozumu, odcizeni jsouce od života Božího, pro neznámost, kteráž jest v nich z zatvrzení srdce jejich.
fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
19 Kteříž zoufavše sobě, vydali se v nestydatost, aby všelikou nečistotu páchali s chtivostí.
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.
20 Ale vy ne tak jste se vyučili od Krista,
Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,
21 Ač jestliže jste ho slyšeli, a o něm byli vyučeni, jakž jest pravda v Ježíšovi,
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,
22 Totiž, žeť vám náleží složiti ono první obcování podlé toho starého člověka, rušícího se, podlé žádosti oklamávajících,
mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
23 Obnoviti se pak duchem mysli své,
fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,
24 A obléci toho nového člověka, podlé Boha stvořeného, v spravedlnosti a v svatosti pravdy.
ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
25 Protož složíce lež, mluvtež pravdu jeden každý s bližním svým; nebo jsme vespolek oudové.
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
26 Hněvejte se, a nehřešte; slunce nezapadej na hněvivost vaši.
Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Nedávejte místa ďáblu.
Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.
28 Kdo kradl, již více nekraď, ale raději pracuj, dělaje rukama, což dobrého jest, aby měl, z čeho uděliti nuznému.
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29 Žádná řeč mrzutá nevycházej z úst vašich, ale jestli jaká dobrá k vzdělání užitečnému, aby dala milost posluchačům.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.
30 A nezarmucujte Ducha svatého Božího, kterýmž znamenáni jste ke dni vykoupení.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
31 Všeliká hořkost, a rozzlobení se, i hněv, i křik, i rouhání buď odjato od vás, se vší zlostí,
Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
32 Ale buďte k sobě vespolek dobrotiví, milosrdní, odpouštějíce sobě vespolek, jakož i Bůh v Kristu odpustil vám.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.

< Efezským 4 >