< 2 Petrův 3 >

1 Nejmilejší, již toto druhý list vám píši, jimižto vzbuzuji skrze napomínání vaši upřímou mysl,
Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ ny fampahatsiarovana,
2 Abyste pamatovali na slova předpověděná od svatých proroků, a na přikázaní vydané od nás apoštolů Pána a spasitele,
mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masìna rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3 Toto nejprvé vědouce, žeť přijdou v posledních dnech posměvači, podlé svých vlastních žádostí chodící,
efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4 A říkající: Kdež jest to zaslibování o příchodu jeho? Nebo jakž otcové zesnuli, všecko tak trvá od počátku stvoření.
ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza.
5 Tohoť zajisté z úmysla věděti nechtí, že nebesa již dávno slovem Božím byla učiněna, i země z vody a na vodě upevněna.
Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra,
6 Pročež onen první svět vodou jsa zatopen, zahynul.
ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy;
7 Ta pak nebesa, kteráž nyní jsou, i země, týmž slovem odložená, chovají se k ohni, ke dni soudu a zatracení bezbožných lidí.
fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8 Ale tato jedna věc nebuď před vámi skryta, nejmilejší, že jeden den u Pána jest jako tisíc let, a tisíc let jako jeden den.
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9 Nemeškáť Pán s naplněním slibů, (jakož někteří za to mají, že obmeškává, ) ale shovívá nám, nechtě, aby kteří zahynuli, ale všickni ku pokání se obrátili.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,
10 Přijdeť pak ten den Páně, jako zloděj v noci, v kterémž nebesa jako v prudkosti vichru pominou, a živlové pálivostí ohně rozplynou se, země pak i ty věci, kteréž jsou na ní, vypáleny budou.
Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
11 Poněvadž tedy to všecko má se rozplynouti, jací pak vy býti máte v svatých obcováních a v pobožnostech,
Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ ny fitondran-tena masìna sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
12 Očekávajíce a chvátajíce ku příští dne Božího, v němžto nebesa, hoříce, rozpustí se, a živlové pálivostí ohně rozplynou se?
sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra!
13 Nového pak nebe a nové země podlé zaslíbení jeho čekáme, v kterýchž spravedlnost přebývá.
Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana.
14 Protož, nejmilejší, takových věcí čekajíce, snažtež se, abyste bez poškvrny a bez úhony před ním nalezeni byli v pokoji.
Koa amin’ izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fihavanana.
15 A Pána našeho dlouhočekání za spasení mějte, jakž i milý bratr náš Pavel, podlé sobě dané moudrosti, psal vám,
Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 Jako i ve všech epištolách svých, mluvě v nich o těch věcech. Mezi nimiž některé jsou nesnadné k vyrozumění, kterýchžto neučení a neutvrzení natahují, jako i jiných písem, k svému vlastnímu zatracení.
tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masìna koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany.
17 Vy tedy, nejmilejší, to prvé vědouce, střeztež se, abyste bludem těch nešlechetných nebyli pojati, a nevypadli od své pevnosti.
Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;
18 Ale rozmáhejte se v milosti a v známosti Pána našeho a spasitele Jezukrista, jemuž sláva i nyní i na časy věčné. Amen. (aiōn g165)
fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< 2 Petrův 3 >

The Great Flood
The Great Flood