< 1 Korintským 14 >

1 Stůjtež o lásku, horlivě žádejte duchovních věcí, nejvíce však, abyste prorokovali.
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
2 Nebo ten, kdož mluví cizím jazykem, ne lidem mluví, ale Bohu; nebo žádný neposlouchá, ale duchem vypravuje tajemství.
Fa izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra; fa amin’ ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
3 Kdož pak prorokuje, lidem mluví vzdělání, i napomínání, i potěšení.
fa izay maminany kosa miteny amin’ olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
4 Kdož mluví cizím jazykem, sám sebe vzdělává, ale ten, kdož prorokuje, církev vzdělává.
Izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
5 Chtělť bych pak, abyste všickni jazyky mluvili, ale však raději, abyste prorokovali. Nebo větší jest ten, kterýž prorokuje, nežli ten, kdož jazyky mluví, leč by také vykládal, aby se vzdělávala církev.
Tiako raha samy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ ny fiangonana fampandrosoana.
6 A protož, bratří, přišel-li bych k vám, jazyky mluvě, což vám prospěji, nebudu-liť vám mluviti, buď v zjevení neb v umění, buď v proroctví neb v učení?
Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin’ izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
7 Však i bezdušné věci, vydávající zvuk, jako píšťalka neb harfa, kdyby rozdílného zvuku nevydávaly, kterak by vědíno bylo, co se píská, aneb na harfu hrá?
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin’ ny sodina, na amin’ ny lokanga?
8 Ano trouba vydala-li by nejistý hlas, kdož se bude strojiti k boji?
Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
9 Tak i vy, nevydali-li byste jazykem srozumitelných slov, kterak bude rozumíno, co se mluví? Budete jen u vítr mluviti.
Dia toy izany koa ianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ ny rivotra ianareo.
10 Tak mnoho, (jakž vidíme, ) rozdílů hlasů jest na světě, a nic není bez hlasu.
Misy fiteny maro samy hafa amin’ izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy.
11 Protož nebudu-liť znáti moci hlasu, budu tomu, kterýž mluví, cizozemec, a ten, kdož mluví, bude mi cizozemec.
Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin’ izay miteny, ary izay miteny ho vaka amiko kosa.
12 Tak i vy, poněvadž jste horliví milovníci duchovních věcí, toho hledejte, abyste se k vzdělání církve rozhojnili.
Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
13 A protož, kdož mluví jazykem, modl se, aby mohl vykládati.
Koa aoka izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
14 Nebo modlím-liť se jazykem, duch můj se modlí, ale mysl má bez užitku jest.
Fa raha mivavaka amin’ ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.
15 Což tedy jest? Modliti se budu duchem a modliti se budu i myslí; plésati budu duchem, a plésati budu i myslí.
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
16 Nebo kdybys dobrořečil duchem, kterakž ten, kterýž prostý člověk jest, k tvému díků činění řekne Amen, poněvadž neví, co pravíš?
Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon’ izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
17 Nebo ač ty dobře díky činíš, ale jiný se nevzdělává.
Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
18 Děkuji Bohu svému, že více než vy všickni jazyky mluvím;
Misaotra an’ Andriamanitra aho fa miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;
19 Ale v zboru raději bych chtěl pět slov srozumitelně promluviti, abych také jiných poučil, nežli deset tisíců slov jazykem.
nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ ny fiteny tsy fantatra.
20 Bratří, nebuďte děti v smyslu, ale zlostí buďte děti, smyslem pak buďte dospělí.
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ ny fahalalana; raha amin’ ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.
21 Psáno jest v zákoně: Protož rozličnými jazyky a cizími rty budu mluviti lidu tomuto, a aniž tak mne slyšeti budou, praví Pán.
Voasoratra amin’ ny lalàna hoe: Amin’ ny olona hafa fiteny sy amin’ ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ ity firenena ity; fa na dia amin’ izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah.
22 A tak jazykové jsou za div ne těm, kteříž věří, ale nevěřícím, proroctví pak ne nevěřícím, ale věřícím.
Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ ny tsy mino, fa tsy amin’ ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin’ ny mino, fa tsy amin’ ny tsy mino.
23 A protož když by se sešla všecka církev spolu, a všickni by jazyky mluvili, a vešli by tam i neučení neb nevěřící, zdaliž neřeknou, že blázníte?
Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
24 Ale kdyby všickni prorokovali, a všel by někdo nevěřící neb neučený, přemáhán by byl ode všech, a souzen ode všech.
Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ ny anatra ataon’ izy rehetra izy sady hotsarain’ izy rehetra;
25 A tak tajnosti srdce jeho zjeveny budou, a padna na tvář, klaněti se bude Bohu, vyznávaje, že jistě Bůh jest mezi vámi.
ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’ Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.
26 Což tedy, bratří? Když se scházíte, jeden každý z vás píseň má, učení má, jazyk má, zjevení má, vykládání má, všecko to budiž k vzdělání.
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
27 Buď že kdo jazykem mluví, tedy skrze dva neb nejvíce tři, a to jeden po druhém, a jeden ať vykládá.
Raha misy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
28 Pakli by nebylo vykladače, nechť mlčí v shromáždění, sám pak sobě nechažť mluví a Bohu.
Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ ny fiangonana; fa aoka hiteny amin’ ny tenany sy amin’ Andriamanitra ihany izy.
29 Proroci pak dva neb tři ať mluví, a jiní nechť rozsuzují.
Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra.
30 Pakliť by jinému tu přísedícímu zjeveno bylo, první mlč.
Fa raha misy tsindrian’ ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany;
31 Nebo můžete všickni, jeden po druhém, prorokovati, aby se všickni učili, a všickni se potěšovali.
fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran’ izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
32 Duchovéť pak proroků prorokům poddání jsou.
ary ny fanahin’ ny mpaminany dia manaiky hozakain’ izy mpaminany.
33 Neboť Bůh není původ neřádu, ale pokoje, jako i ve všech shromážděních svatých.
Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotronana, fa tompon’ ny fiadanana. Araka ny fanaon’ ny fiangonan’ ny olona masìna rehetra,
34 Ženy vaše v shromážděních ať mlčí, nebo nedopouští se jim mluviti, ale aby poddány byly, jakž i zákon praví.
dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.
35 Pakli se chtí čemu naučiti, doma mužů svých nechať se ptají. Nebo mrzká věc jest ženám mluviti v shromáždění.
Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
36 Zdali od vás slovo Boží pošlo? Zdali k samým vám přišlo?
Avy aminareo va no nihavian’ ny tenin’ Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
37 Zdá-li se sobě kdo býti prorokem neb duchovním, nechažť pozná, co vám píši, žeť jsou přikázaní Páně.
Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
38 Pakli kdo neví, nevěz.
Fa raha misy tsy mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy.
39 A takž, bratří, snažte se o to, abyste prorokovali, a jazyky mluviti nezbraňujte.
Koa amin’ izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ ny fiteny tsy fantatra;
40 Všecko slušně a podlé řádu ať se děje.
kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ ny fahamendrehana sy ny filaminana.

< 1 Korintským 14 >