< 創世記 7 >

1 耶和華對挪亞說:「你和你的全家都要進入方舟;因為在這世代中,我見你在我面前是義人。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
2 凡潔淨的畜類,你要帶七公七母;不潔淨的畜類,你要帶一公一母;
Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 空中的飛鳥也要帶七公七母,可以留種,活在全地上;
ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ ny tany rehetra ireny.
4 因為再過七天,我要降雨在地上四十晝夜,把我所造的各種活物都從地上除滅。」
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
5 挪亞就遵着耶和華所吩咐的行了。
Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
6 當洪水氾濫在地上的時候,挪亞整六百歲。
Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
7 挪亞就同他的妻和兒子兒婦都進入方舟,躲避洪水。
Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8 潔淨的畜類和不潔淨的畜類,飛鳥並地上一切的昆蟲,
Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany,
9 都是一對一對地,有公有母,到挪亞那裏進入方舟,正如上帝所吩咐挪亞的。
dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa.
10 過了那七天,洪水氾濫在地上。
Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
11 當挪亞六百歲,二月十七日那一天,大淵的泉源都裂開了,天上的窗戶也敞開了,
Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
12 四十晝夜降大雨在地上。
Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 正當那日,挪亞和他三個兒子閃、含、雅弗,並挪亞的妻子和三個兒婦,都進入方舟。
Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14 他們和百獸,各從其類,一切牲畜,各從其類,爬在地上的昆蟲,各從其類,一切禽鳥,各從其類,都進入方舟。
dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 凡有血肉、有氣息的活物,都一對一對地到挪亞那裏,進入方舟。
Dia niditra tao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin’ ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16 凡有血肉進入方舟的,都是有公有母,正如上帝所吩咐挪亞的。耶和華就把他關在方舟裏頭。
Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
17 洪水氾濫在地上四十天,水往上長,把方舟從地上漂起。
Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.
18 水勢浩大,在地上大大地往上長,方舟在水面上漂來漂去。
Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ ny tany; dia nandeha teny ambonin’ ny rano ny sambo-fiara.
19 水勢在地上極其浩大,天下的高山都淹沒了。
Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra.
20 水勢比山高過十五肘,山嶺都淹沒了。
Dimy ambin’ ny folo hakiho no nihoaran’ ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 凡在地上有血肉的動物,就是飛鳥、牲畜、走獸,和爬在地上的昆蟲,以及所有的人,都死了。
Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.
22 凡在旱地上、鼻孔有氣息的生靈都死了。
Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.
23 凡地上各類的活物,連人帶牲畜、昆蟲,以及空中的飛鳥,都從地上除滅了,只留下挪亞和那些與他同在方舟裏的。
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
24 水勢浩大,在地上共一百五十天。
Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.

< 創世記 7 >

The Great Flood
The Great Flood