< 以西結書 21 >

1 耶和華的話臨到我說:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 「人子啊,你要面向耶路撒冷和聖所滴下預言,攻擊以色列地。
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masìna, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny tanin’ ny Isiraely.
3 對以色列地說,耶和華如此說:我與你為敵,並要拔刀出鞘,從你中間將義人和惡人一併剪除。
Ary ataovy amin’ ny tanin’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin’ ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
4 我既要從你中間剪除義人和惡人,所以我的刀要出鞘,自南至北攻擊一切有血氣的;
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan’ ny sabatro amin’ ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
5 一切有血氣的就知道我-耶和華已經拔刀出鞘,必不再入鞘。
Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin’ ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
6 人子啊,你要歎息,在他們眼前彎着腰,苦苦地歎息。
Ary ianao, ry zanak’ olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin’ ny fangidiana eo imasony.
7 他們問你說:『為何歎息呢?』你就說:『因為有風聲、災禍要來。人心都必消化,手都發軟,精神衰敗,膝弱如水。看哪,這災禍臨近,必然成就。這是主耶和華說的。』」
Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
8 耶和華的話臨到我說:
Dia tonga tamiko ay tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 「人子啊,你要預言。耶和華吩咐我如此說: 有刀、有刀, 是磨快擦亮的;
Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
10 磨快為要行殺戮, 擦亮為要像閃電。 我們豈可快樂嗎?罰我子的杖藐視各樹。
Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon’ ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
11 這刀已經交給人擦亮,為要應手使用。這刀已經磨快擦亮,好交在行殺戮的人手中。
Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan’ ny mpamono.
12 人子啊,你要呼喊哀號,因為這刀臨到我的百姓和以色列一切的首領。他們和我的百姓都交在刀下,所以你要拍腿歎息。
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’ olona! Fa mihatra amin’ ny oloko izany, dia amin’ ny lehibe rehetra amin’ ny Isiraely; Lavon’ ny sabatra miaraka amin’ ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
13 有試驗的事;若那藐視的杖歸於無有,怎麼樣呢?這是主耶和華說的。
Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona? hoy Jehovah Tompo.
14 「人子啊,你要拍掌預言。我-耶和華要使這刀,就是致死傷的刀,一連三次加倍刺人,進入他們的內屋,使大人受死傷的就是這刀。
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.
15 我設立這恐嚇人的刀,攻擊他們的一切城門,使他們的心消化,加增他們跌倒的事。哎!這刀造得像閃電,磨得尖利,要行殺戮。
Nahebihebiko teny amin’ ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
16 刀啊,你歸在右邊,擺在左邊;你面向哪方,就向那方殺戮。
Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin’ izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
17 我也要拍掌,並要使我的忿怒止息。這是我-耶和華說的。」
Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
18 耶和華的話又臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
19 「人子啊,你要定出兩條路,好使巴比倫王的刀來。這兩條路必從一地分出來,又要在通城的路口上畫出一隻手來。
Hianao, ry zanak’ olona, manaova lalana roa ho anao hihavian’ ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona; avy amin’ ny tany iray no hihavian’ izy roa; ka manaova sarin’ ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ ny tanàna no anaovinao azy.
20 你要定出一條路,使刀來到亞捫人的拉巴;又要定出一條路,使刀來到猶大的堅固城耶路撒冷。
Manaova lalana hihavian’ ny sabatra ho any Raban’ ny taranak’ i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
21 因為巴比倫王站在岔路那裏,在兩條路口上要占卜。他搖籤求問神像,察看犧牲的肝;
Fa ny mpanjakan’ i Babylona mijanona eo amin’ ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ ny sampy sy mizaha amin’ ny atin-kena.
22 在右手中拿着為耶路撒冷占卜的籤,使他安設撞城錘,張口叫殺,揚聲吶喊,築壘造臺,以撞城錘,攻打城門。
Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an’ i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin’ ny akoran’ ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
23 據那些曾起誓的猶大人看來,這是虛假的占卜;但巴比倫王要使他們想起罪孽,以致將他們捉住。」
Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason’ ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.
24 主耶和華如此說:「因你們的過犯顯露,使你們的罪孽被記念,以致你們的罪惡在行為上都彰顯出來;又因你們被記念,就被捉住。
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin’ ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin’ izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
25 你這受死傷行惡的以色列王啊,罪孽的盡頭到了,受報的日子已到。
Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan’ ny Isiraely, izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty,
26 主耶和華如此說:當除掉冠,摘下冕,景況必不再像先前;要使卑者升為高,使高者降為卑。
izao no lazain’ i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
27 我要將這國傾覆,傾覆,而又傾覆;這國也必不再有,直等到那應得的人來到,我就賜給他。」
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’ izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.
28 「人子啊,要發預言說:主耶和華論到亞捫人和他們的凌辱,吩咐我如此說:有刀,有拔出來的刀,已經擦亮,為行殺戮,使他像閃電以行吞滅。
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny taranak’ i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy
29 人為你見虛假的異象,行謊詐的占卜,使你倒在受死傷之惡人的頸項上。他們罪孽到了盡頭,受報的日子已到。
(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin’ ny vozon’ ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty.
30 你將刀收入鞘吧!在你受造之處、生長之地,我必刑罰你。
Ampidiro amin’ ny tranony izy. Any amin’ ny tany namoronana anao, dia any amin’ ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.
31 我必將我的惱恨倒在你身上,將我烈怒的火噴在你身上;又將你交在善於殺滅的畜類人手中。
Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon’ ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan’ ny olona ketrina.
32 你必當柴被火焚燒;你的血必流在國中。你必不再被記念,因為這是我-耶和華說的。」
Sy izay mpamorona fandringanana ianao, Dia ho kitain’ ny afo ianao; Ho eny amin’ ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.

< 以西結書 21 >