< 创世记 23 >

1 撒拉享寿一百二十七岁,这是撒拉一生的岁数。
Ary ny andro niainan’ i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan’ i Saraha.
2 撒拉死在迦南地的基列·亚巴,就是希伯 。亚伯拉罕为她哀恸哭号。
Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
3 后来亚伯拉罕从死人面前起来,对赫人说:
Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny, dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe:
4 “我在你们中间是外人,是寄居的。求你们在这里给我一块地,我好埋葬我的死人,使她不在我眼前。”
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
5 赫人回答亚伯拉罕说:
Dia namaly an’ i Abrahama ny taranak’ i Heta ka nanao taminy hoe:
6 “我主请听。你在我们中间是一位尊大的王子,只管在我们最好的坟地里埋葬你的死人;我们没有一人不容你在他的坟地里埋葬你的死人。”
Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ ny fasanay no andeveno ny fatin’ ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ ny vadinao.
7 亚伯拉罕就起来,向那地的赫人下拜,
Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany,
8 对他们说:“你们若有意叫我埋葬我的死人,使她不在我眼前,就请听我的话,为我求琐辖的儿子以弗 ;
dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin’ i Efrona, zanak’ i Zohara,
9 把田头上那麦比拉洞给我;他可以按着足价卖给我,作我在你们中间的坟地。”
mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin’ ny sisin’ ny sahany; amin’ izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10 当时以弗 正坐在赫人中间。于是,赫人以弗 在城门出入的赫人面前对亚伯拉罕说:
Ary Efrona nipetraka teo amin’ ny taranak’ i Heta; dia namaly an’ i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany, ka nanao hoe:
11 “不然,我主请听。我送给你这块田,连田间的洞也送给你,在我同族的人面前都给你,可以埋葬你的死人。”
Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao.
12 亚伯拉罕就在那地的人民面前下拜,
Ary niankohoka teo anatrehan’ ny olona tompon-tany Abrahama,
13 在他们面前对以弗 说:“你若应允,请听我的话。我要把田价给你,求你收下,我就在那里埋葬我的死人。”
dia niteny tamin’ i Efrona teo anatrehan’ ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin’ ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ ny vadiko.
14 以弗 回答亚伯拉罕说:
Ary Efrona dia namaly an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe:
15 “我主请听。值四百舍客勒银子的一块田,在你我中间还算什么呢?只管埋葬你的死人吧!”
Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin’ ny vadinao.
16 亚伯拉罕听从了以弗 ,照着他在赫人面前所说的话,把买卖通用的银子平了四百舍客勒给以弗 。
Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra.
17 于是,麦比拉、幔利前、以弗 的那块田和其中的洞,并田间四围的树木,
Ary ny sahan’ i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin’ ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin’ ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
18 都定准归与亚伯拉罕,乃是他在赫人面前并城门出入的人面前买妥的。
tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany.
19 此后,亚伯拉罕把他妻子撒拉埋葬在迦南地幔利前的麦比拉田间的洞里。(幔利就是希伯 )。
Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana;
20 从此,那块田和田间的洞就借着赫人定准归与亚伯拉罕作坟地。
ka ny saha mbamin’ ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ ny taranak’ i Heta varo-maty tamin’ i Abrahama ho tany fandevenana.

< 创世记 23 >