< 以賽亞書 14 >

1 上主必要憐恤雅各伯,再揀選以色列,使他們安居在自己的國土;外方人要與他們聯合,加入雅各伯的家族。
Fa Jehovah hamindra fo amin’ i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’ i Jakoba ho namany
2 選民要接受他們,要帶領他們回歸故里;以色列家族,在上主的國土內,要佔有他們為奴婢;於是以色列人要俘擄那俘擄過他們的人,要統治壓迫他們的人。
Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
3 當上主賜你擺脫困苦、憂患和你受的苦役時,那天,
Ary amin’ ny andro hanomezan’ i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ ny fahorianao sy ny fitebitebin’ ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
4 你要對巴比倫王高唱這首諷刺詩說:怎麼,暴虐者住手了!強橫止息了!
dia hataonao izao oha-teny ny amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
5 邪惡者的棍棒,統治者的權杖,已為上主折斷,
Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka,
6 就是那懷著怒氣,三番五次痛擊過萬民,在忿恨中以無情的殘虐,蹂躪過萬邦的棍杖。
Izay namely firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny fanenjehana tsy misy antra.
7 大地安謐寧靜,人人興高采烈;
Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
8 連松樹和黎巴嫩的香柏也都因你而喜慶:「自從你仆倒後,再沒有誰上我們這裏來砍伐!」
Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
9 地下的陰府為了你而激動,為歡迎你的來臨;並為了你,喚醒幽魂及地上所有的貴卿,使列國的君王由自己的寶座上起立; (Sheol h7585)
Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra. (Sheol h7585)
10 眾人都開口對你說:「連你也衰弱得和我們一樣啊!你也與我們相同啊!」
Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
11 你的豪華,你琴瑟的樂聲,也墮入了陰府;你下面舖的是蛆,上面蓋的是蟲。 (Sheol h7585)
Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. (Sheol h7585)
12 朝霞的兒子--晨星!你怎會從天墜下﹖傾覆萬邦者!你怎麼也被砍倒在地﹖
Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
13 你心中曾說過:「我要直沖霄漢,高置我的御座在天主的星宿以上;我要坐在盛會的山上,極北之處;
Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 我要升越雲表,與至高者相平衡!」
Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
15 然而你卻下到了陰府,深淵的極處。 (Sheol h7585)
Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao. (Sheol h7585)
16 看見你的,必注視你,仔細端詳你說:「這不是那使大地戰慄,列國動盪,
Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17 化世界為荒野,摧毀城邑,不為俘囚開放監獄的人嗎﹖」
Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
18 萬邦的君王都在榮耀中安葬,各在自己的陰宅裏;
Ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena samy mandry amin’ ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;
19 但是你卻被拋於墳外,像一個叫人厭惡的流產胎兒,為刀箭殺戮的死者所掩蓋,有如遭踐踏的死屍。連那些被拋在石坑裏的,
Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ ny fatin’ ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midìna ho ao amin’ ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ ny tongotra.
20 你也不得與他們一同埋葬,因為你破壞了你的國土,殘殺了你的人民:惡人的後代永不為人所提念。
Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
21 你們應為他們的兒子準備屠場,因為他們的父親有了罪孽;他們決不能再興起,佔據大地,而使地面滿是荒涼。
Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’ izao tontolo izao.
22 我要起來攻擊他們--萬軍上主的斷語--我要抹去巴比倫的名號、遺民、後裔和子孫--上主的斷語。
Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary hofoanako ny anaran’ i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
23 我要使她成為刺蝟的領土和池沼,我以毀滅的掃帚將她掃淨--萬軍上主的斷語。
Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
24 萬軍的上主起誓說:「實在,我怎樣想,必怎樣實現;我怎樣計劃,必怎樣成功:
Jehovah, Tompon’ ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
25 我要在我的國土內粉碎亞述,在我的山嶺上將她踐踏;她的重擔必要由他們肩上卸下。」
Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin’ ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ ireo, ary ny entany ho afaka amin’ ny sorony
26 這是對全地所決定的計劃,這是向萬邦所伸展的手臂,
Izany no fikasana ny amin’ ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin’ ny firenena rehetra.
27 因為萬軍的上主已決定,誰能阻止﹖他的手已伸出,誰能使它收回﹖
Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
28 在阿哈次駕崩那年有以下這個神諭:「
Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
29 全體培肋舍特啊! 你不要因為打擊你的棍棒折斷了就喜悅,因為由蛇的根子將生出毒蝮,而牠的子息必是飛龍。
Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ ny bibilava no hihavian’ ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’ afo manidina.
30 貧苦的人在我的牧場上必得飼養,窮困的人要泰然安息;但是我要以饑荒餓死你的餘生,殺絕你的遺民。
Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
31 門啊! 哀號罷!城啊!悲鳴罷!全體培肋舍特啊!戰慄罷!因為有煙從北而來,在她的隊伍中沒有落伍者。」
Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ ny laharany akory ny miaramilany.
32 然而要怎樣答覆外邦的使者﹖「上主建立了熙雍,使他民族中的憂患者,在那裏獲得保護。」
Ary inona moa no valiny ho entin’ ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an’ i Ziona, ary ao no hialofan’ izay olony ory.

< 以賽亞書 14 >