< 列王紀下 6 >

1 眾先知的弟子對厄里叟說:「看,我們同你住的地方太窄小了,
Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
2 請你讓我們到約旦河去,每人取一根樑木,在那裏建造我們的住所。」他答說:「你們去罷! 」
Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
3 其中一個人說:「請你也同你的僕人一起去! 」厄里叟答說:「我去。」
Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin’ ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
4 先知便同他們一起去了。他們到了約旦河,就砍伐樹木。
Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5 其中一個,砍木樑時,斧頭掉在水裏了,就大聲叫喊說:哎唷! 我主,這把斧子是借來的啊! 」
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
6 天主的人問他說:「斧頭掉在那裏﹖」那人將那地方指給先知看。先知即砍下一塊木頭,丟在那裏,使斧頭浮了上來。
Ary hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
7 先知對他說:「你拿上來罷! 」他就伸手拿了上來。
Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
8 阿蘭王同以色列交戰時,與自己的臣商議說:要在某某地方埋伏。
Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
9 但天主的人打發人去見以色列王說:「你要小心提防,不要經過某某地方,因為阿蘭人已在那裏設下埋伏。」
Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.
10 以色列王就派人去偵察天主的人警告他的地方;他就小心防備,不只一兩次。
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely naniraka tany amin’ izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
11 阿蘭王為此事心中頗為煩惱,遂將臣僕召來,對他說:「難道你們不能告訴我:我們中誰支持以色列王嗎﹖」
Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?
12 一個臣僕答說:「我主,大王! 沒有誰支持,只有以色列的先知厄里叟,將君王在密室裏所談的事,都告訴了以色列王。」
Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.
13 阿蘭王說:「你們去看看他在那裏,我好派人去捉拿。」有人告訴君王說:「他在多堂。」
Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
14 阿蘭王就打發馬隊戰車和強大的部隊前去,夜間到了那裏,將城圍住。
Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
15 天主的人的僕人清早起來出門時,看見軍隊車馬將城包圍了,就對先知說:「哎! 我主,我們怎麼辦﹖」
Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16 先知答說:「不必害怕,因為偕同我們的,比他們的還多。」
Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
17 厄里叟就祈禱說:「上主,求你開啟他的眼,叫他看見。」上主就開了僕人的眼,他看見遍山都是火馬車,圍繞著厄里叟。
Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.
18 敵人下到先知那裏的時候,厄里叟懇求上主說:「求你打擊這個民族,使他們眼目失明。」上主果然照厄里叟的話打擊了他們,使他們眼目失明。
Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.
19 厄里叟對他們說:「不是這條路,也不是這座城;你們跟我來,我要領你們到你們尋找的人那裏去。」於是先知領他們到了撒瑪黎雅。
Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
20 他們一進了撒瑪黎雅,厄里叟就祈禱說:「上主,開啟這些人的眼睛,叫他們看見。」上主果然開了他們的眼睛;他們一看,自己竟在撒瑪黎雅城內。
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’ i Samaria izy.
21 以色列王看見他們,就對厄里叟說:「我父,要殺死他們嗎﹖」
Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
22 厄里叟答說:「不要殺他們;你自己用弓劍擄來的人,你豈可殺死﹖你要為這些人預備飯和水,叫他們吃喝,然後讓他們回到自己的主上那裏去。」
Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ ny tompony.
23 君王就給他們預備了盛宴,叫他們吃了喝了,打發他們回到自己的主上那裏去。從此,阿蘭隊伍再沒有侵犯以色列地方。
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.
24 這事以後,阿蘭王本哈達得集合了他所有的軍隊,上來圍困撒瑪黎雅。
Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an’ i Samaria.
25 撒瑪黎雅被圍困後,陷於嚴重的飢荒,甚至一個驢頭,值八十「協刻耳」銀子,四分之一「卡步」豆莢,值五「協刻耳」銀子。
Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
26 當以色列王從城牆上經過時,有一個婦人呼求他說:「我主大王,救救我罷! 」
Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
27 君王答說:「如果上主不救你,我怎能救你﹖靠禾場﹖靠酒池﹖」
Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’ i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin’ ny famoloana va, sa amin’ ny famiazam-boaloboka?
28 君王問那婦人說:「你有什麼事﹖」婦人答說:「這個女人曾對我說:把你的兒子交出來,我們今天吃;留下我的兒子,我們明天吃。
Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
29 於是我們就把我的兒子煮著吃了。第二天我對那女人說:把你的兒子交出來給我們吃,她卻把自己的兒子藏了起來。」
Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
30 君王聽了這婦人的話,就撕裂了自己的衣服,─當他正在城牆上經過,民眾都看見了他貼身穿著苦衣,─
Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda izy, ka hitan’ ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
31 說「如果沙法特的兒子厄里叟的頭,今天還留在他身上,願天主嚴厲,且加倍嚴厲地懲罰我! 」
Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
32 那時厄里叟正坐在屋裏,長老們同他坐在一起,君王派一個人在他以前去,但是這人還未來到,厄里叟就對長老們說:「你們看,這個兇手之子,竟派人來要斬我的頭。你們注意,使者來到時,你們要把門關上,把他關在門外;在他後面不就是他主上的腳步聲嗎﹖」
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?
33 先知還同他們說話的時候,君王就下到他那裏說:「這災難是由上主來的,我對上主還有什麼指望﹖」
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin’ i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an’ i Jehovah?

< 列王紀下 6 >