< 1 Setouknae 9 >

1 Hahoi teh, Isarelnaw pueng imthung lahoi separuinae teh, Isarel siangpahrangnaw cauk dawkvah a thut awh. Hateiteh, Judah teh yuemkamcu lah ao hoeh dawkvah, Babilon vah san lah a hrawi awh.
Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
2 A coe awh e khonaw dawk hmaloe kaawm e naw teh Isarelnaw, vaihmanaw, Levihnaw, Nethinimnaw doeh.
Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3 Jerusalem vah Judah casak, Benjamin casak, Ephraim hoi Manasseh casak naw hai kho a sak awh.
Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4 Judah capa Perez casak Bani, Benjamin capa Imri, Imri capa Omri, Omri capa Ammihud, Ammihud capa Uthai.
dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.
5 Shiloh e a camin Asaiah hoi ahnie casaknaw,
Ary tamin’ ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6 Zerah casak Jeuel hoi a hmaunawngha 690 touh a pha awh.
Ary tamin’ ny taranak’ i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7 Benjamin casak Hassenuah capa Hodaviah, Hodaviah capa Meshullam, Meshullam capa Salu.
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina dia Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Hodavia, zanak’ i Hasenoa,
8 Jeroham capa Ibneiah, Uzzi capa Elah, Mikhri capa Uzzi, Shephatiah capa Meshullam, Reuel capa Sephatiah, Ibnijah capa Reuel.
sy Jibnia, zanak’ i Jerohama, sy Elaha, zanak’ i Ozy, zanak’ i Mikry, sy Mesolama, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Regoela, zanak’ i Jibnia;
9 Ahnimanaw teh a hmaunawnghanaw 956 a pha awh. Hetnaw pueng teh, miphun dawkvah imthung kahrawikungnaw doeh.
ary ny isan’ ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany avy.
10 Vaihmanaw teh Jedaiah, Jehoiarib hoi Jakhin.
Ary tamin’ ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
11 Cathut im dawk kahrawikung lah kaawm awh e Ahitub capa Meraioth, Meraioth capa Zadok, Zadok capa Meshullam, Meshullam capa Hilkiah, Hilkiah capa Azariah.
sy Azaria, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra,
12 Jeroham capa Adaiah, Pashhur capa Jeroham, Malkhijah capa Pashhur, Adiel capa Maasai, Jahzerah capa Adiel, Meshullam capa Jahzerah, Meshillemith capa Meshullam, Immer capa Meshillemith.
ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, ary Masay, zanak’ i Adiela, zanak’ i Jazera, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Mesilemita, zanak’ Imera.
13 Ahnimouh a hmaunawnghanaw hai a napanaw e imthung dawk a lû lah kaawmnaw doeh. Hotnaw teh Cathut im dawk thaw ka tawk thai awh e lah ao awh teh, tami 1760 touh a pha awh.
Ary ny rahalahin’ ireo, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra ireo.
14 Levih, Merari casaknaw teh Hasshub capa Shemaiah, Azrikam capa Hasshub, Hashabiah capa Azrikam.
Ary tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, tamin’ ny taranak’ i Merary,
15 Bakbakkar Heresh hoi Galal, Mikha capa Mattaniah, Zikhri capa Mikha, Asaph capa Zikhri.
ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,
16 Shemaiah capa Obadiah, Galal capa Shemaiah, Jeduthun capa Galal, Asa capa Berekhiah, Elkanah capa Asa teh Netophah kho dawk kho a sak awh.
ary Obadia, zanak’ i Semaia, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona, ary Berekia, zanak’ i Asa, zanak’ i Elkana, izay nonina tamin’ ny vohitry ny Netotatita.
17 Longkha karingkungnaw teh Shallum, Akkub, Talmon hoi Ahiman. Shallum teh lû lah ao.
Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
18 Ahni teh ha hoehnahlan vah, atunglah kaawm e lah ao. Ahnimouh teh Levih e catounnaw roenae hmuen longkha karingkungnaw lah ao awh.
ambaraka ankehitriny dia ao amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ ny tobin’ ny taranak’ i Levy.
19 Kore capa Shallum, Ebiasaph capa Kore, Korah capa Ebiasaph hoi a hmaunawnghanaw. Mintoenaw e BAWIPA im dawk thaw katawknaw, kâennae longkha karingkungnaw lah ao awh.
Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.
20 Eleazar capa Phinehas teh BAWIPA ni a okhai teh kahrawikung lah ao.
Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
21 Meshelemiah capa Zekhariah teh kamkhuengnae lukkareiim takhang ka ring e lah ao.
Ary Zakaria, zanak’ i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
22 Longkha ka ring hanelah a rawi e naw teh, 212 touh a pha awh. Devit hoi Samuel ni a tawk awh hane a pouk e naw teh, mae kho lengkaleng a tâconae patetlah separuinae dawk thut e lah ao.
Ary ny isan’ ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ ny vohiny avy; ary notendren’ i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
23 Hettelah amamouh hoi a catounnaw haiyah BAWIPA e lukkareiim longkha ka ring hanelah ao awh.
Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
24 Kanîtho, kanîloum, atunglah, akalah, petkâtue lah longkha karingkungnaw thaw poe lah ao.
Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25 Khote lae a hmaunawnghanaw teh hnin sari touh thung hanelah hnin touh hoi hnin touh, a kâhlai awh vaiteh, meng a tho awh hane doeh.
Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26 Bangkongtetpawiteh, longkha karingkungnaw pali touh teh Levihnaw doeh. Cathut e im dawk a hruek awh e hnopai karingkung lah ao awh.
Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
27 Hottelah amom tangkuem longkha paawng e hah thaw poe e lah ao dawkvah, Cathut e im petkâkalup lah a roe awh.
Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28 Tangawn ni thaw tawknae puengcangnaw a ring awh, a kuem awh, a la awh, ouk a touk awh.
Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
29 Tangawn teh hnopai hmuen kathoung dawk e puengcangnaw hah, tavai, misur, satui, hmuitui a kuemyawt awh teh a ring awh.
Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
30 Vaihma capa tangawn ni hmuitui hah ouk a sak awh.
Ary ny sasany tamin’ ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
31 Korah tami Shallum e capa kacuepounge Levih tami Mattithiah teh vaiyei karê thaw a tawk.
Ary Matatia, anankiray tamin’ ny Levita, lahimatoan’ i Saloma Koraïta, no tonian’ ny zavatra izay natao tamin’ ny fanendasana.
32 Kohath capanaw thung dawk hoi a hmaunawngha tangawn teh Sabbath hnintangkuem hanelah, vaiyei ka rakueng e lah ao.
Ary ny sasany tamin’ ny rahalahiny, tamin’ ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
33 Hetnaw heh la ka sak e Levihnaw a na pa imthung kahrawikung, bawkim rakhan karingnaw, lah ao awh teh, alouke thaw kâbet awh hoeh. Bangkongtetpawiteh, karum khodai thaw katawknaw lah ao awh.
Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
34 Levih imthung kacuenaw teh, amamae se dawk kacue e lah Jerusalem vah pou ao awh.
Ireo dia lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35 Gibeon na pa Jeiel, Jeiel teh Gibeon vah kho a sak teh, a yu min teh Maakah doeh.
Ary tao Gibeona no nonenan’ i Jeiela, razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka;
36 A camin teh Abdon doeh. Hahoi Zur, Kish, Baal, Ner hoi Nadab.
ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37 Gedor, Ahio, Zekhariah hoi Mikloth naw a sak.
dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
38 Mikloth ni Shimeah a sak. Ahni hai Jerusalem vah a hmaunawnghanaw koe ao.
Ary Miklota niteraka an’ i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39 Ner ni Kish a sak, Kish ni Sawl a sak, Sawl ni Jonathan, Malkhishua, Abinadab hoi Eshbaal a sak.
Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40 Jonathan casak Meribbaal doeh, Meribbaal ni Maikah a sak.
Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.
41 Maikah casak teh Pithon, Melek hoi Tahrea.
Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
42 Ahaz ni Jarah a sak, Jarah ni Alemeth, Azmaveth hoi Zimri a sak. Zimri ni Moza a sak.
Ary Ahaza niteraka an’ i Jara; ary Jara niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;
43 Moza ni Binea a sak teh Binea capa Rephaiah, Rephaiah capa Eleasah, Eleasah capa Azel.
ary Moza niteraka an’ i Binea; ary Refaia no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Refaia, Azela no zanakalahin’ i Elasa.
44 Azel teh capa taruk touh a tawn. A minnaw teh: Azrikam, Bokeru, Ishmael, Sheariah, Obadiah hoi Hanan doeh. Hetnaw teh Azel capanaw doeh.
Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’ i Azela.

< 1 Setouknae 9 >