< Oweruza 3 >

1 Iyi ndi mitundu ya anthu yomwe Yehova anayisiya kuti ayese nayo Aisraeli amene sanadziwe kumenya nkhondo mu Kanaani
Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
2 (Yehova anachita izi kuti Aisraeli onse aphunzire kumenya nkhondo; makamaka amene nʼkale lonse sanadziwe kumenya nkhondo.
mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
3 Mitundu ya anthuyo ndi: Mafumu asanu a Afilisti, Akanaani onse, Asidoni, ndi Ahivi amene ankakhala ku mapiri a Lebanoni kuyambira ku phiri la Baala-Herimoni mpaka ku Lebo Hamati.
dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata.
4 Iwowa Yehova anawasiya kuti aziyesa nawo Aisraeli kuti aone ngati angamvere malamulo a Yehova, amene anapatsa makolo awo kudzera mwa Mose.
Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
5 Choncho Aisraeli anakhala pakati pa Akanaani, Ahiti, Aamori, Aperezi, Ahivi ndi Ayebusi.
Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
6 Tsono Aisraeli aja amalola ana awo aamuna ndi aakazi kuti azikwatira ndi kukwatiwa ndi anthu amitundu ina. Kenaka anayamba kupembedza milungu yawo.
Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
7 Aisraeli anachita zinthu zoyipira Yehova. Iwowa anayiwala Yehova Mulungu wawo ndi kumatumikira Abaala ndi Asera.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
8 Choncho Yehova anawapsera mtima Aisraeliwo ndipo anawagulitsa kwa Kusani-Risataimu mfumu ya ku Mesopotamiya. Choncho Aisraeli anakhala pansi pa ulamuliro wake zaka zisanu ndi zitatu.
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
9 Koma pamene Aisraeliwo analirira kwa Yehova, Iye anawawutsira mpulumutsi, Otanieli mwana wamwamuna wa Kenazi, mngʼono wake wa Kalebe. Iyeyu ndiye anawapulumutsa.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.
10 Mzimu wa Yehova unatsika pa iye, choncho anasanduka mtsogoleri wa Israeli. Iye anapita kukamenya nkhondo, ndipo Yehova anapereka Kusani-Risataimu mfumu ya Aaramu mʼmanja mwake. Choncho anayigonjetsa.
Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
11 Ndipo mʼdzikomo munakhala mtendere zaka makumi anayi. Kenaka Otanieli mwana wa Kenazi anamwalira.
Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
12 Aisraeli anachitanso zinthu zoyipira Yehova. Tsono Yehova anapatsa mphamvu Egiloni, mfumu ya Mowabu kuti alimbane ndi Aisraeli aja popeza anachita zinthu zoyipira Yehova.
Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
13 Egiloniyo anamemeza Aamori ndi Aamaleki kupita kukamenyana ndi Israeli, ndipo analanda Yeriko, mzinda wa migwalangwa.
Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
14 Aisraeli anatumikira ngati akapolo Egiloni mfumu ya Mowabu kwa zaka 18.
Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
15 Aisraeli analiranso kwa Yehova, ndipo Iye anawawutsira mpulumutsi, Ehudi. Iyeyu anali mwana wa Gera, munthu wamanzere, wa fuko la Benjamini. Aisraeli ankatumiza msonkho kwa Egiloni, mfumu ya Mowabu, kudzera kwa Ehudi.
Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
16 Ndipo Ehudi anapanga lupanga lakuthwa kuwiri lotalika masentimita makumi asanu, ndipo anamangirira lupangalo pa ntchafu yake ya kumanja mʼkati mwa zovala zake.
Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
17 Iye anakapereka msonkho kwa Egiloni, mfumu ya Mowabu, amene anali munthu wonenepa kwambiri.
Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
18 Ehudi atapereka msonkhowo, anawuza anthu amene ananyamula msonkhowo kuti azipita.
Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
19 Iye mwini anabwerera pamalo a miyala yozokotedwa ku Giligala ndipo anati, “Zikomo mfumu, ine ndili ndi mawu achinsinsi kuti ndikuwuzeni.” Mfumuyo inawuza onse amene amayitumikira kuti akhale chete, ndipo kenaka anawatulutsa.
Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
20 Kenaka Ehudi anayandikira pafupi ndi mfumuyo, ndipo iyo inakhala yokha mʼchipinda chapamwamba, mozizira bwino. Tsono Ehudi anati, “Ndili ndi mawu ochokera kwa Mulungu woti ndikuwuzeni.” Mfumuyo itadzuka pa mpando wake waufumu,
Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona.
21 Ehudi ndi dzanja lake lamanzere, anasolola lupanga pa ntchafu yake ya kumanja ndi kubaya nalo mfumuyo pa mimba.
Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany;
22 Lupanga linalowa mʼmimba pamodzi ndi chogwirira chake. Mafuta anaphimba lupangalo popeza silinatulutsidwe mʼmimbamo. Ndiponso matumbo anatuluka.
ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany.
23 Kenaka Ehudi anatuluka panja pa khonde, atatseka ndi kukhoma zitseko za chipinda chapamwambacho.
Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao.
24 Ehudi atachoka, atumiki a mfumu aja anabwera, ndipo ataona kuti zitseko za chipinda chapamwamba zinali zokhoma anaganiza kuti mwina mfumu ikudzithandiza mʼkatimo.
Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
25 Iwo anadikira nthawi yayitali koma popanda chochitika. Koma ataona kuti mfumuyo sikutsekulabe zitseko za chipindacho, iwo anatenga makiyi ndi kutsekula zitsekozo, ndipo anangoona mbuye wawo atagwera pansi, ali wakufa.
Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony
26 Ehudi anathawa pamene iwo ankadikira. Iye anadzera ku malo a miyala yozokotedwa kuja ndi kuthawa kupita ku Seiri.
Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata.
27 Atafika kumeneko, anayimba lipenga ku dziko la ku mapiri la Efereimu. Iye akutsogolera, Aisraeli onse anatsika naye pamodzi kuchoka ku mapiriko.
Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
28 Iye anawawuza kuti, “Nditsatireni, chifukwa Yehova wapereka Amowabu, adani anu mʼmanja mwanu.” Choncho anthuwo anamutsatira, nalanda madooko a Yorodani opita ku Mowabu. Iwo sanalole kuti wina aliyense awoloke.
Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29 Nthawi imeneyo anapha Amowabu pafupifupi 10,000. Ophedwawo anali anthu amphamvu komanso odziwa kumenya nkhondo, ndipo panalibe ndi mmodzi yemwe anathawa.
Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
30 Tsiku limenelo Amowabu anakhala pansi pa ulamuliro wa Israeli, ndipo dzikolo linakhala pa mtendere kwa zaka 80.
Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
31 Ehudi atamwalira, panabwera Samugara mwana wa Anati. Iye anapha Afilisti 600 ndi ndodo yomenyera ngʼombe. Nayenso anapulumutsa Israeli.
Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.

< Oweruza 3 >