< Genesis 49 >

1 Pambuyo pake Yakobo anayitanitsa ana ake aamuna nati: Sonkhanani pamodzi kuti ndikuwuzeni zimene zidzakuchitikireni mʼmasiku a mʼtsogolo.
Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2 “Bwerani ndipo imvani mawu anga, inu ana a Yakobo; mverani abambo anu Israeli.
Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
3 “Rubeni, ndiwe woyamba kubadwa; mphamvu yanga ndiponso chizindikiro choyamba cha mphamvu zanga, wopambana pa ulemerero ndi mphamvu.
Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
4 Wokokoma ngati madzi a chigumula, koma sudzakhalanso wopambana, iwe unagona pa bedi la abambo ako, ndithu unayipitsa bedi la mdzakazi wake.
Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
5 “Simeoni ndi Levi ndi pachibale pawo, anachitira nkhanza anthu amene anachita nawo pangano.
SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
6 Iwe moyo wanga, usakhale nawo pa misonkhano yawo ya mseri, kapena kugwirizana nawo mʼmabwalo awo, pakuti anapha anthu mu mkwiyo wawo ndipo anapundula ngʼombe zamphongo monga kunawakomera.
Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
7 Matemberero awagwere chifukwa cha mkwiyo wawo woopsa chonchi ndi ukali wawo wankhanza choterewu! Ine ndidzawabalalitsa mʼdziko la Yakobo ndi kuwamwaza iwo mʼdziko la Israeli.
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.
8 “Yuda, ndiwe amene abale ako adzatamanda; dzanja lako lidzagwira pa khosi pa adani ako; abale ako adzakugwadira iwe.
Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9 Yuda ali ngati mwana wa mkango; umabwerera ku malo ako ndi zofunkha, mwana wanga. Monga mkango, amadziwongola ndi kugona pansi, ndipo ngati mkango waukazi, ndani angalimbe mtima kumudzutsa?
Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
10 Ndodo yaufumu sidzachoka mwa Yuda, udzawupanirira ulamuliro motero kuti palibe amene adzawuchotse, mpaka mwini wake weniweni atabwera ndipo mitundu yonse ya anthu idzamumvera.
Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
11 Ndiye amene amamangirira bulu wake wamkazi kumtengo wa mpesa, ndi mwana wa bulu ku nthambi ya mpesa wabwino. Ndi iye amene amachapa zovala zake mu vinyo; ndi mkanjo wake mu vinyo wofiira ngati magazi.
Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka.
12 Maso ake adzakhala akuda chifukwa cha vinyo, mano ake woyera chifukwa cha mkaka.
Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.
13 “Zebuloni adzakhala mʼmphepete mwa nyanja; adzakhala pa dooko la sitima zapamadzi; malire ake adzafika ku Sidoni.
ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona.
14 “Isakara ali ngati bulu wamphamvu wogona pansi pakati pa makola.
ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ ny vala;
15 Ataona ubwino wake wa pamalo pake popumira ndi kukongola kwa dziko lake, iye anaweramutsa msana kuti anyamule katundu wake ndipo anasanduka wogwira ntchito ya ukapolo.
Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
16 “Dani adzaweruza mwachilungamo anthu ake monga limodzi mwa mafuko a anthu a mu Israeli.
DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.
17 Dani adzakhala ngati njoka ya mʼmphepete mwa msewu, songo yokhala mʼnjira imene imaluma chidendene cha kavalo kuti wokwerapoyo agwe chagada.
Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18 “Ndikuyembekeza chipulumutso chanu Yehova.
Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
19 “Gadi adzachitidwa chiwembu ndi gulu la amaliwongo, koma iye adzawathamangitsa.
GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
20 “Dziko la Aseri lidzabereka chakudya chokoma, ndipo iye adzapereka chakudya kwa mafumu.
ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana.
21 “Nafutali ali ngati mbawala yayikazi yokhala ndi ana okongola kwambiri.
NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
22 “Yosefe ali ngati mtengo wobereka zipatso, mtengo wobereka zipatso pafupi ndi kasupe, nthambi zake zimayanga pa chipupa cha mwala.
JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
23 Alenje a uta anamuchita chiwembu mwankhanza; anamuthamangitsa ndi mauta awo.
Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
24 Koma uta wake sunagwedezeke, ndi manja ake amphamvu aja analimbika, chifukwa cha mphamvu za Mulungu Wamphamvu wa Yakobo, chifukwa ali Mʼbusa ndi Thanthwe la Israeli.
Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,
25 Chifukwa cha Mulungu wa makolo ako amene amakuthandiza; chifukwa cha Mulungu Wamphamvu, amene amakudalitsa ndi mvula yochokera kumwamba, ndi madzi otumphuka pansi pa nthaka, ndipo amakudalitsa pokupatsa ana ambiri ndi ngʼombe zambiri.
Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.
26 Madalitso a kholo lako ndi amphamvu kuposa madalitso a mapiri akale oposa zabwino za ku zitunda zamgonagona. Zonse izi zikhale pamutu pa Yosefe, pa mphumi pa wopatulika uja amene anapatulidwa pakati pa abale ake.
Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
27 “Benjamini ali ngati mʼmbulu wolusa; umene mmawa umapha ndi kudya zofunkha, ndipo madzulo umagawa zofunkhazo,”
BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
28 Onse awa ndi mafuko khumi ndi awiri a Israeli, ndipo zimenezi ndi zomwe abambo awo ananena pamene anawadalitsa, kuwapatsa aliyense madalitso ake womuyenera iye.
Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
29 Kenaka Yakobo analamula ana ake nati: “Ine ndatsala pangʼono kufa. Tsono mukandiyike pamodzi ndi makolo anga mʼphanga la mʼmunda wa Efroni Mhiti.
Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,
30 Ili ndi phanga la mʼmunda wa Makipela, pafupi ndi Mamre mʼdziko la Kanaani. Abrahamu anagula phangalo pamodzi ndi munda womwe kwa Efroni Mhiti kuti pakhale manda.
ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
31 Kumeneko kunayikidwa Abrahamu ndi mkazi wake Sara, Isake ndi mkazi wake Rebeka ndipo ndinayikakonso Leya.
Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea,
32 Munda ndi manda amene ali mʼmenemo zinagulidwa kwa Ahiti.”
ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ ny taranak’ i Heta.
33 Yakobo atamaliza kupereka malangizo kwa ana ake, anabwezera miyendo yake pa bedi, namwalira ndipo anakakhala ndi anthu a mtundu wake.
Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.

< Genesis 49 >