< ᏉᎳ ᎶᎻ ᎠᏁᎯ ᏧᏬᏪᎳᏁᎸᎯ 3 >

1 ᎦᏙᎨᏃ ᎤᏍᏛ ᎤᏟ ᏄᏛᏅ ᎠᏧᏏ? ᎠᎴ ᎦᏙ ᎤᏍᏛ ᎬᏩᏓᏍᏕᎸᏗ ᎠᎱᏍᏕᏍᏗ ᎨᏒᎢ?
Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
2 ᎤᏣᏘ ᏂᎦᎥ ᏄᏓᎴᏒᎢ; ᏄᎬᏫᏳᏒ ᎠᏗᎾ ᏅᏗᎦᎵᏍᏙᏗ ᎾᏍᎩ ᎨᎦᎨᏅᏴ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏁᏨᎢ.
Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.
3 ᎦᏙᏃ ᎢᏳ ᎢᎦᏛ ᏄᏃᎯᏳᏅᎾ ᏱᎩ? ᏥᎪ ᏄᏃᎯᏳᏅᎾ ᎨᏒ ᎠᏎᏉᏉ ᏱᏂᎬᎦ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎦᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒᎢ?
Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra?
4 ᎬᏩᏟᏍᏗ; ᎥᎥ, ᎤᏁᎳᏅᎯ ᏚᏳᎪᏛ ᎧᏁᎩ ᎨᏎᏍᏗ, ᎾᏂᎥᏃ ᏴᏫ ᎠᏂᏰᎪᎩ ᎨᏎᏍᏗ; ᎾᏍᎩᏯ ᎯᎠ ᏂᎬᏅ ᎪᏪᎸᎢ, ᎾᏍᎩ ᏂᏍᎦᏅᎾ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ ᎯᏁᎬᎢ, ᎠᎴ ᏣᏓᏎᎪᎩᏍᏗᏱ ᎿᎭᏉ ᏕᎱᎪᏔᏅᎭ.
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.
5 ᎠᏎᏃ ᎢᏳᏃ ᏂᏚᏳᎪᏛᎾ ᏃᎦᏛᏁᎸ ᎬᏂᎨᏒ ᏱᏂᎬᏁᎭ ᏚᏳᎪᏛ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᎨᏒ ᎤᏁᎳᏅᎯ, ᎦᏙ ᏓᏓᏛᏂ? ᎠᏍᎦᏅᎦᏍᎪ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎾᏍᎩ ᏥᏓᏍᏛᏗᏍᏙᏗᎭ? ( ᏴᏫᏉ ᎢᏳᏪᏍᏗ ᏂᏥᏪᎭ ).
Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ―
6 ᎬᏩᏟᏍᏗ; ᎢᏳᏰᏃ ᎾᏍᎩ ᏱᏄᏍᏗ ᎦᏙ ᏱᎦᎵᏍᏙᏓ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎡᎶᎯ ᏱᏕᎫᎪᏓᏏ?
Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7 ᎢᏳᏰᏃ ᏚᏳᎪᏛ ᎧᏁᎩ ᎨᏒ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏟ ᎢᎦᎢ ᎤᏁᏉᏨᎯ ᏱᎩ ᎾᏍᎩ ᎦᎸᏉᏗᏳ ᏄᏩᏁᎲᎢ ᎠᏴ ᎦᏥᎪᎲᏍᎬ ᏱᏅᏗᎦᎵᏍᏙᏗᎭ, ᎦᏙᏃ ᎠᏴ ᎾᏍᏉ ᎠᏏᏉ ᏛᏊᎪᏓᏁᎭ ᏥᏍᎦᎾ ᎾᏍᎩᏯᎢ?
Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8 ᎠᎴᏍᎪ ᎥᏝ ᎾᏍᎩ ᎯᎠ ᏳᎬᏫᏳᎭ, ( ᎾᏍᎩ ᎦᏲᎩᏐᏢᏛ ᏥᎪᎩᏃᎮᎭ, ᎠᎴ ᎩᎶ ᎾᏍᎩ ᎾᏂᏪ ᏥᎪᎪᏎᎭ, ) ᎤᏲ ᏕᎩᎸᏫᏍᏓᏁᎮᏍᏗ ᎾᏍᎩ ᎣᏍᏛ ᎨᏒ ᎤᎵᏰᎢᎸᏍᏗᏱ? ᎾᏍᎩ ᎤᏂᏍᎦᏅᏨ ᏧᎾᏚᎪᏓᏁᏗᏱ ᏚᏳᎪᏗ.
Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika, ― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
9 ᎦᏙᎨ ᎤᎬᏫᏳᎭ? ᎤᏟᏍᎪ ᏂᏙᎯ? ᎥᏝ ᎤᏍᏗᎩᏛ ᎤᏅ; ᎦᏳᎳᏰᏃ ᏕᎫᎪᏔᏅ ᎾᏍᎩ ᎢᏧᎳ ᎠᏂᏧᏏ ᎠᎴ ᏧᎾᏓᎴᏅᏛ ᏴᏫ, ᏂᎦᏗᏳ ᎠᏍᎦᏅᎢᏍᏗ ᎨᏒ ᎤᎾᏓᏄᏴᏛᎢ.
Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
10 ᎾᏍᎩᏯ ᎯᎠ ᏥᏂᎬᏅ ᏥᎪᏪᎳ, ᎥᏝ ᎩᎶ ᎣᏏᏳ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᏱᎩ, ᎥᏝ, ᏌᏉ ᎤᏅ.
araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11 ᎥᏝ ᎩᎶ ᎪᎵᎩ ᏱᎩ; ᎥᏝ ᎩᎶ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏲᎯ ᏱᎩ.
Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra.
12 ᎾᏂᎥᏉ ᎤᎾᏞᏒ ᎦᏅᏅᎢ, ᎢᏳᎾᏍᏗᎭᏉ ᎪᎱᏍᏗ ᏗᎬᏙᏗ ᏂᎨᏒᎾ ᏄᎾᎵᏍᏔᏅ; ᎥᏝ ᎩᎶ ᎣᏏᏳ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᏱᎩ, ᎥᏝ ᏌᏉ ᎤᏅ.
Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.
13 ᎤᏂᎩᏍᏗᏱ ᏗᏓᏂᏐᏗᏱ ᎤᎵᏍᏚᎢᏛ ᏥᎨᏐ ᎾᏍᎩᏯᎢ; ᏗᏂᏃᎪᎢ ᎠᎾᏓᎶᏄᎮᏗᏍᎪᎢ, ᎢᎾᏛ ᏚᏂᏁᎲ ᎠᏓᎯᎯ ᏚᏂᎭᏁᎦᎸ ᎭᏫᏂᏗᏢ ᏚᏂᏁᎭ.
Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony;
14 ᎾᏍᎩ ᏗᏂᎰᎵ ᏗᎧᎵᏬᎯ ᎠᏓᏍᎩᏅᏗᏍᏗ ᎨᏒ ᎠᎴ ᎤᏴᏍᏗ ᎨᏒᎢ.
Feno ozona sy fangidiana ny vavany;
15 ᏧᎾᎳᏏᏕᏂ ᏗᏯᏄᎵᏳ ᎩᎬ ᎤᎾᏓᏤᏪᏗᏱ.
Ny tongony mimaona handatsa-drà;
16 ᎠᏛᏗᏍᎩ ᎨᏒ ᎠᎴ ᎤᏲ ᎠᏓᏅᏓᏗᏍᏗ ᎨᏒ ᏔᎵ ᎤᏛᏗᏕᎪ ᎠᏁᏙᎲᎢ.
Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany;
17 ᏅᏩᏙᎯᏯᏛᏃ ᎦᏅᏅ ᎥᏝ ᎤᏂᎦᏙᎥᏒᎯ ᏱᎩ.
Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany;
18 ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎦᎾᏰᎯᏍᏗ ᎨᏒ ᎥᏝ ᎢᎬᏱᏗᏢ ᏱᏄᏍᏗ ᏗᏂᎧᏅᎢ.
Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
19 ᎠᎴ ᎢᏗᎦᏔᎭ ᎾᏍᎩ ᏂᎦᎥ ᏂᎦᏪᏍᎬ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎤᏂᏁᏤᎭ ᎾᏍᎩ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎨᏥᏁᏄᎯ; ᎾᏍᎩ ᎾᏂᎥ ᏗᏂᎰᎵ ᏗᎨᏥᏍᏚᏁᏗᏱ, ᎠᎴ ᎡᎳᏂᎬ ᎠᏁᎯ ᎤᏂᏍᎦᏅᏨᎯ ᏧᏚᎪᏔᏅᎯ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎠᎦᏔᎲᎢ.
Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
20 ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᏂᎦᏪᏍᎬ ᏄᏛᏁᎲ ᎥᏝ ᎩᎶ ᎤᏇᏓᎵ ᏴᎬᏚᏓᎴᏍᏓ ᎾᏍᎩ ᎠᎦᏔᎲᎢ; ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗᏰᏃ ᎠᏍᎦᏅᎢᏍᏗ ᎨᏒ ᎠᎦᏙᎥᎯᏍᏙᏗ.
satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
21 ᎤᏁᎳᏅᎯᏍᎩᏂ ᎤᏓᏚᏓᎴᏍᏙᏗ ᎨᏒ, ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎬᏙᏗ ᏂᎨᏒᎾ, ᎬᏂᎨᏒ ᎢᎬᏁᎸᎯ, ᎪᎯᏳᏙᏔᏅᎯ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎠᎴ ᎠᎾᏙᎴᎰᏍᎬ ᏚᏃᏪᎸᎢ;
Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
22 ᎾᏍᎩ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏓᎦᏓᎴᏍᏗ ᎨᏒᎢ, ᎾᏍᎩ ᏥᏌ ᎦᎶᏁᏛ ᎪᎯᏳᏗ ᏨᏗᏓᎴᎲᏍᎦ, ᎠᎴ ᎾᏍᎩ ᎾᏂᎥ ᎠᏃᎯᏳᎲᏍᎩ ᎤᏂᎷᏤᏗ ᎠᎴ ᎾᏍᎩ ᎾᏂᎥ ᎤᎾᏤᎵ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗ ᏥᎩ; ᎥᏝᏰᏃ ᏧᎾᏓᎴᎿᎭᎢ ᏱᎩ;
dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
23 ᏂᎦᏗᏳᏰᏃ ᎤᏂᏍᎦᏅᏨᎯ, ᎠᎴ ᎡᏍᎦ ᎤᏃᎭᏒ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏓᎸᏉᏙᏗ ᎨᏒᎢ;
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,
24 ᎨᎫᏓᎴᏛ ᏂᏗᎨᏥᎬᏩᎶᏓᏁᎸᎾ ᎬᏔᏅᎯ ᎬᏩᎦᏘᏯ ᎤᏓᏙᎵᏍᏗ ᎨᏒ ᏅᏓᏳᏓᎴᏅᎯ ᎠᎫᏴᏙᎢ ᎨᏒ ᎦᎶᏁᏛ ᏥᏌ ᎤᏪᎲᎢ;
nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
25 ᎾᏍᎩ [ ᏥᏌ ᎦᎶᏁᏛ ] ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎬᏂᎨᏒ ᏥᏄᏩᏁᎸ ᎠᎵᏍᎪᎸᏔᏅᎯ ᎪᎯᏍᏙᏗ ᎨᏒᎢ, ᎾᏍᎩ ᎪᎯᏳᏗᏱ ᎤᎩᎬ; ᏧᎾᏄᎪᏫᏎᏗᏱ ᎾᏍᎩ ᏚᏳᎪᏛ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᎨᏒᎢ, ᎾᏍᎩ ᎦᏳᎳ ᎠᏍᎦᏅᏨᎯ ᎨᏒ ᎦᎬᏩᏓᏁᏗ ᎨᏒᎢ, ᎾᏍᎩ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎬᏂᏗᏳ ᎨᏒ ᎢᏳᏩᏂᏌᏅᎯ;
Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
26 ᏧᎾᏄᎪᏫᏎᏗᏱ ᎪᎯ ᎨᏒ ᎾᏍᎩ ᏚᏳᎪᏛ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᎨᏒᎢ; ᎾᏍᎩ ᏚᏳᎪᏛ ᎢᏯᏛᏁᎯ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ, ᎠᎴ ᎫᏓᎴᏍᎩ ᎾᏍᎩ Ꮎ ᎪᎯᏳᎲᏍᎩ ᏥᏌ.
mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
27 ᎭᏢᎨᏃ ᎠᏢᏆᏍᏗ ᎨᏒᎢ? ᎢᏴᏛ ᎢᎬᏁᎸᎯ. ᎦᏙ ᎤᏍᏗ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎬᏔᏅᎯ? ᏗᎦᎸᏫᏍᏓᏁᏗᏱᏍᎪ ᎠᏓᏁᏤᎯ? ᎥᏝ; ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗᏍᎩᏂ ᎬᏔᏅᎯ ᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒ ᎠᏓᏁᏤᎯ.
Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
28 ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᏕᏚᎪᏗᎭ ᎾᏍᎩ ᏴᏫ ᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒ ᎠᏚᏓᎴᏍᏗᏍᎬ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᏂᎬᏅ ᏄᏛᏁᎸᎾ.
Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.
29 ᎤᏁᎳᏅᎯᏍᎪ ᎠᏂᏧᏏᏉ ᎤᏅᏒ ᎤᎾᏤᎵᎦ? ᏝᏍᎪ ᎾᏍᏉ ᏧᎾᏓᎴᏅᏛ ᏴᏫ ᎤᎾᏤᎵᎦ ᏱᎩ? ᎥᎥ, ᏧᎾᏓᎴᏅᏛ ᎾᏍᏉ ᏴᏫ ᎤᎾᏤᎵᎦ.
Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
30 ᏌᏉᎯᏳᏰᏃ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎾᏍᎩ ᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒ ᏥᏕᎫᏓᎴᏍᏗᎭ ᏗᎨᏥᎤᏍᏕᏎᎸᎯ, ᎠᎴ ᏂᏗᎨᏥᎤᏍᏕᏎᎸᎾ ᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒ ᏥᏕᎫᏓᎴᏍᏗᎭ.
fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana.
31 ᎾᏍᎩᏍᎪᏃ ᎢᏳᏍᏗ ᎠᏎᏉᏉ ᏂᏛᏁᎭ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎪᎯᏳᏗ ᎨᏒ ᎢᏛᏗᎭ? ᎬᏩᏟᏍᏗ; ᎢᏗᏍᏓᏱᏗᏍᎩᏂ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ.
Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.

< ᏉᎳ ᎶᎻ ᎠᏁᎯ ᏧᏬᏪᎳᏁᎸᎯ 3 >