< ᎣᏍᏛ ᎧᏃᎮᏛ ᎹᏚ ᎤᏬᏪᎳᏅᎯ 15 >

1 ᎿᎭᏉᏃ ᏥᏌ ᎬᏩᎷᏤᎸᎩ ᏗᏃᏪᎵᏍᎩ ᎠᎴ ᎠᏂᏆᎵᏏ ᏥᎷᏏᎵᎻ ᎠᏁᎯ, ᎯᎠ ᏄᏂᏪᏒᎩ;
Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
2 ᎦᏙᏃ ᎨᏣᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᎠᏂᏲᏍᏗᏍᎪ ᎡᏘ ᎠᏁᎯ ᎤᏂᏃᎮᎸᎯ? ᏝᏰᏃ ᏱᏓᏃᏑᎴᏍᎪ ᏧᏃᏰᏂ ᏨᏗᎾᎵᏍᏓᏴᏂᏐᎢ.
Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
3 ᎠᏎᏃ ᎤᏁᏨ ᎯᎠ ᏂᏚᏪᏎᎸᎩ; ᎦᏙᏃ ᎾᏍᏉ ᏂᎯ ᎡᏘ ᎠᏁᎯ ᎤᏂᏃᎮᎸᎯ ᎢᏨᏗᏍᎪ ᎢᏥᏲᏍᏗᏍᎪ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏁᏨᎯ?
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
4 ᎤᏁᎳᏅᎯᏰᏃ ᎤᏁᏤ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎢ; ᎯᎸᏉᏕᏍᏗ ᏣᏙᏓ ᎠᎴ ᏣᏥ; ᎠᎴ ᎾᏍᏉ ᎯᎠ; ᎩᎶ ᏓᏍᎩᏅᏗᏍᎨᏍᏗ ᎤᏙᏓ ᎠᎴ ᎤᏥ ᎠᏎ ᎤᏲᎱᎯᏍᏗ ᎨᏎᏍᏗ.
Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
5 ᎠᏎᏃ ᏂᎯ ᎯᎠ ᏂᏥᏪᏍᎪᎢ; ᎢᏳᏃ ᎩᎶ ᎯᎠ ᏂᎦᏪᏎᎮᏍᏗ ᎤᏙᏓ, ᎠᎴ ᎤᏥ, ᎠᏆᎵᏍᎪᎸᏔᏅᎯ ᏰᎵ ᎨᏣᎵᏍᏕᎸᏙᏗ ᎨᏒᎢ ᏂᏣᏛᏁᎲ,
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
6 ᏂᎦᎸᏉᏗᏍᎬᎾᏃ ᎢᎨᏎᏍᏗ ᎤᏙᏓ, ᎠᎴ ᎤᏥ, [ ᎥᏝ ᎤᏍᎦᏅᏨᎯ ᏱᎨᏎᏍᏗ, ] ᎢᏣᏗᏍᎪᎢ. ᎾᏍᎩ ᎯᎠ ᎡᏘ ᎠᏁᎯ ᎤᏂᏃᎮᎸᎯ ᎢᏨᏔᏅ ᎠᏎᏉ ᏂᏨᏁᎸ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏁᏨᎯ.
Koa dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
7 ᎢᏣᏠᎾᏍᏗ, ᏰᎵᏉ ᎢᏌᏯ ᏧᏙᎴᎰᏎ ᏥᏥᏛᎨᎢ, ᎯᎠ ᏥᏄᏪᏎᎢ;
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’ Isaia anareo hoe:
8 ᎯᎠ ᏴᏫ ᎾᎥ ᎬᎩᎷᏤᎭ ᎠᏂᎰᎵ ᎠᏅᏗᎭ, ᎠᎴ ᏚᏂᎭᏁᎦᎸ ᏓᏅᏗ ᎬᎩᎸᏉᏗᎭ, ᎠᏎᏃ ᎤᏂᎾᏫ ᎢᏅᎯᏳ ᏄᏅᏅ.
Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
9 ᎠᏎᏉᏍᎩᏂ ᎾᎾᏛᏁᎭ ᎬᏆᏓᏙᎵᏍᏓᏁᎭ, ᏥᏓᎾᏕᏲᎲᏍᎦ ᏓᎾᏕᏲᎲᏍᎬ ᏴᏫᏉ ᎤᏂᏁᏨᎯ.
Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.
10 ᏫᏚᏯᎲᏃ ᎤᏂᏣᏘ ᎯᎠ ᏂᏚᏪᏎᎸᎩ; ᎢᏣᏛᎬᎦ ᎠᎴ ᎢᏦᎵᎩ.
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11 ᎥᏝᏍᎩᏂ ᎾᏍᎩ Ꮎ ᎠᎰᎵ ᏭᏴᎸᎯ ᎦᏓᎭ ᏱᏄᏩᏁᎰ ᏴᏫ, ᎠᎰᎵᏍᎩᏂ ᏅᏓᏳᏄᎪᏨᎯ ᎾᏍᎩ ᎦᏓᎭ ᏄᏩᏁᎰ ᏴᏫ.
tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona.
12 ᎿᎭᏉᏃ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᎤᏂᎷᏨ ᎯᎠ ᏂᎬᏩᏎᎸᎩ; ᎯᎦᏔᎭᏍᎪ ᎠᏂᏆᎵᏏ ᎤᏂᎿᎭᎸᏨᎢ ᎤᎾᏛᎦᏅ ᎾᏍᎩ ᎯᎠ ᏂᏣᏪᏒᎢ.
Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
13 ᎠᏎᏃ ᎤᏁᏨᎩ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᏂᎦᎥ ᏚᏰᎬ ᎡᏙᏓ ᏧᏫᏒᎯ ᏂᎨᏒᎾ ᏗᏰᎯᏍᏗ ᎨᏎᏍᏗ.
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14 ᎤᎾᏁᎳᎩ, ᏗᏂᎨᏫᏉ ᏗᏂᎨᏫ ᏗᎾᏘᏂᏙᎯ; ᎢᏳᏃ ᏗᎨᏫ ᏯᏘᏂ ᏗᎨᏫ ᎢᏧᎳ ᎠᏔᎴᏒ ᏧᏂᎸᎢᏍᏗ.
Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
15 ᏈᏓᏃ ᎤᏁᏨ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏗᏍᎩᏲᏏᏌᏏ ᎯᎠ ᎾᏍᎩ ᏓᏟᎶᏍᏛᎢ.
Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’ izany fanoharana izany.
16 ᏥᏌᏃ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎠᏏᏍᎪ ᎾᏍᏉ ᏂᎯ ᏂᏦᎵᎬᎾᏉ ᎢᎩ?
Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
17 ᏝᏍᎪ ᎠᏏ ᏱᏦᎵᎦ ᎾᏍᎩ ᏂᎦᎥ ᎪᎱᏍᏗ ᎥᎰᎵ ᎤᏴᏍᏔᏅᎯ ᎨᏒ ᎣᏍᏉᎵᏱ ᏫᎦᎷᎬᎢ, ᎾᏍᎩᏃ ᏫᎦᎶᎯᏍᏗᏍᎬᏉ?
Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ ny fivoahana?
18 ᎾᏍᎩᏂ ᎥᎰᎵ ᏅᏓᏳᏄᎪᏨᎯ ᎣᎾᏫᏱ ᏗᏓᎴᎲᏍᎪᎢ, ᎾᏍᎩᏃ ᎦᏓᎭ ᏄᏩᏁᎰ ᏴᏫ.
Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19 ᎣᎾᏫᏱᏰᏃ ᏗᏓᎴᎲᏍᎪ ᎤᏐᏅ ᎠᏓᏅᏖᏗ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎠᏓᎯᏍᏗᏱ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎠᏓᏲᏁᏗᏱ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎤᏕᎵᏛ ᏗᏂᏏᏗᏱ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎦᏃᏍᎩᏍᏗᏱ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎠᏥᎪᏗᏱ ᏓᎾᏓᏱᎵᏙᎲᎢ, ᎠᎴ ᎠᏐᏢᎢᏍᏙᏗᏱ ᎨᏒᎢ.
Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
20 ᎾᏍᎩᏍᎩᏂ ᎯᎠ ᎦᏓᎭ ᎢᏳᏩᏁᎯ ᏴᏫ; ᏂᏓᏑᎴᎲᎾᏍᎩᏂ ᎠᎵᏍᏓᏴᏗᏱ ᎥᏝ ᎦᏓᎭ ᏱᏄᏩᏁᎰ ᏴᏫ.
izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
21 ᏥᏌᏃ ᎾᎿᎭᎤᏂᎩᏒ ᏔᏲᎢ ᎠᎴ ᏌᏙᏂᏱ ᏭᎶᏒᎩ.
Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ ny fari-tanin’ i Tyro sy Sidona.
22 ᎬᏂᏳᏉᏃ ᎨᎾᏂ ᎡᎯ ᎠᎨᏴ ᎾᎿᎭᎾᎥ ᏅᏓᏳᎶᏒᎯ ᎤᏪᎷᏅᎩ, ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏍᎩᏙᎵᎩ, ᏣᎬᏫᏳᎯ ᏕᏫ ᎤᏪᏥ, ᎠᏇᏥ ᎠᎨᏴ ᎤᏣᏔᏅᎯ ᎤᏕᏯᏙᏗᎭ ᎠᏍᎩᎾ.
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra.
23 ᎠᏎᏃ ᏄᏁᏤᎸᎾᏉ ᎥᎨᏒᎩ. ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯᏃ ᎬᏩᎷᏤᎸᎩ, ᎬᏩᏔᏲᏎᎸᎩ, ᎯᎠ ᏄᏂᏪᏒᎩ; ᏫᎡᎾ, ᎢᎩᏍᎪᏂᎭᏰᏃ.
Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
24 ᎤᏁᏨᏃ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎥᏝ ᎩᎶ ᏗᏥᏩᏛᏗᏱ ᏴᎩᏁᏤᎸ, ᎠᏫ ᎤᏂᏃᏕᎾ ᎤᎾᎴᎾᎸᎯ ᎤᏅᏒ ᎢᏏᎵ ᏏᏓᏁᎸᎯ ᎬᏒᎢ.
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
25 ᎿᎭᏉᏃ ᎠᎨᏴ ᎤᎷᏨ ᎤᏓᏙᎵᏍᏓᏁᎸᎩ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᏍᎩᏍᏕᎸ.
Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26 ᎤᏁᏨᏃ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎥᏝ ᏱᏚᏳᎪᏗ ᏗᎩᎡᏗᏱ ᏗᏂᏲᎵ ᎤᎾᏤᎵ ᎦᏚ, ᎩᎵᏃ ᏫᏓᏗᏁᏗᏱ.
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
27 ᎠᎨᏴᏃ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎤᏙᎯᏳᎯ, ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᎠᏎᏃ ᎩᎵ ᎠᎾᎵᏍᏓᏴᏗᏍᎪ ᎤᏅᎪᎣᏒᎯ ᏗᎬᏩᏂᎾᏝᎢ ᏚᏂᏍᎩᎸᎢ.
Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany.
28 ᎿᎭᏉᏃ ᏥᏌ ᎤᏁᏨ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎯᎨᏴ ᎤᏣᏘ ᏦᎯᏳᎭ; ᏄᏍᏛ ᏣᏚᎵᏍᎬ ᏫᏂᏣᎵᏍᏓᏏ. ᎾᎯᏳᏉᏃ ᎤᏪᏥ ᎤᏗᏩᏎᎢ.
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’ izay ora izay.
29 ᏥᏌᏃ ᎾᎿᎭᎤᏂᎩᏒ ᎨᎵᎵ ᎥᏓᎷᎶᏗ ᎤᎷᏨᎩ, ᎤᎿᎭᎷᏒᏃ ᎤᏌᎯᎸ ᎾᎿᎭᎤᏪᏅᎩ.
Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
30 ᎤᏂᏣᏘᏃ ᏴᏫ ᎬᏩᎷᏤᎸᎩ, ᏓᎾᏘᏁᎲ ᏗᏂᏲᎤᎵ, ᎠᎴ ᏗᏂᎨᏫ, ᎠᎴ ᏧᏅᎨᏫ, ᎠᎴ ᎪᎱᏍᏗ ᎤᏍᏛ ᏗᏂᏰᎸ ᏧᏂᏲᎱᏎᎸᎯ, ᎠᎴ ᎤᏂᏣᏘ ᏅᏩᎾᏓᎴᎢ, ᎠᎴ ᏥᏌ ᏚᎳᏍᎬ ᎾᎥ ᏚᏂᏅᏅᎩ, ᏚᏅᏩᏅᎩᏃ.
ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
31 ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᎤᏂᏣᏘ ᎨᏒ ᎤᏂᏍᏆᏂᎪᏒᎩ, ᏚᏂᎪᎲ ᏧᏅᎨᏫ ᎠᏂᏬᏂᏍᎪᎢ, ᎠᎴ ᎠᎱᏍᏗ ᎤᏍᏛ ᏗᏂᏰᎸ ᏧᏂᏲᎱᏎᎸᎯ ᎤᏂᏃᏍᏛ ᏄᎾᎵᏍᏔᏅᎢ, ᎠᎴ ᏗᏗᏲᎤᎵ, ᎬᏩᏁᏓᏍᏗ ᏄᎵᏍᏔᏅᎢ ᎠᎴ ᏗᏂᎨᏫ ᎬᏩᏂᎪᏩᏛᏗ ᏄᎵᏍᏔᏅᎢ; ᎤᏂᎸᏉᏔᏅᎩᏃ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎢᏏᎵ ᎤᎾᏤᎵᎦ.
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy.
32 ᏥᏌᏃ ᏫᏚᏯᏅᎲ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ, ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎦᏥᏯᏙᎵᎦ ᎯᎠ ᎤᏂᏣᏘ ᎨᏒᎢ, ᏦᎢᏰᏃ ᎾᏙᏓᏆ ᎠᏂ ᎨᏙᎲ ᎠᏁᏙᎭ, ᎠᎴ ᎥᏝ ᏱᏂᏰᎭ ᎤᎾᎵᏍᏓᏴᏗ. ᎠᎴ ᎢᏝ ᏯᏆᏚᎵᎭ ᏙᎤᏁᏅᏍᏗᏱ ᏗᎬᏩᏂᏲᏏᏍᎩ, ᏩᎾᏰᏃ ᏱᏓᏂᏩᏂᎦᎶᎩ ᏩᎾᎢᏒᎢ.
Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
33 ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯᏃ ᎯᎠ ᏅᎬᏩᏪᏎᎸᎩ; ᎭᏢᏃ ᏲᏥᎩ ᎾᏍᎩ ᎢᎦᎢ ᎠᎵᏍᏓᏴᏗ ᎢᎾᎨᎢ, ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏂᏣᏘ ᏰᎵ ᏧᏃᎸᎯᏍᏗ?
Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
34 ᏥᏌᏃ ᎯᎠ ᏂᏚᏪᏎᎸᎩ; ᎢᎳᎪ ᎦᏚ ᏕᏥᏰᎭ? ᎦᎵᏉᎩ, ᎢᎸᏍᎩᏃ ᏧᎾᏍᏗ ᎠᏣᏗ, ᎤᎾᏛᏅᎩ.
Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
35 ᎤᏂᏣᏘᏃ ᏚᏁᏤᎸᎩ ᎦᏙᎯ ᎤᎾᏅᏗᏱ.
Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ ny tany.
36 ᎦᎵᏉᎩᏃ ᎦᏚ ᏚᎩᏒᎩ ᎠᎴ ᏚᏁᏒ ᎠᏣᏗ, ᎤᎵᎮᎵᏨᏃ, ᏚᎬᎭᎷᏴᎩ, ᎠᎴ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᏫᏚᏁᎸᎩ, ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯᏃ ᎤᏂᏣᏘ ᏫᏚᏂᏁᎸᎩ.
Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
37 ᎠᎴ ᏂᎦᏛ ᎤᎾᎵᏍᏓᏴᏅᎩ, ᎠᎴ ᏚᏃᎸᏒᎩ. ᎠᎴ ᎤᏄᏖᏒᎩ ᎤᎵᎬᎭᎷᏴᎯ ᎦᎵᏉᎩ ᎢᏯᎧᎵᎢ ᏔᎷᏣ.
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
38 ᎤᎾᎵᏍᏓᏴᎯᏃ ᏅᎩᎭ ᎢᏯᎦᏴᎵ ᎾᏂᎥᎩ ᎠᏂᏍᎦᏯ, ᏂᏓᏁᏢᏛᎾ ᎠᏂᎨᏴ ᎠᎴ ᏗᏂᏲᎵ.
Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
39 ᎠᎴ ᎤᏂᏣᏘ ᏚᏰᎵᎯᏍᏔᏅᎩ, ᎠᎴ ᏥᏳᎯ ᏭᏣᏅᎩ, ᎠᎴ ᎹᎩᏕᎵ ᏭᎾᏄᎪᏨᎩ.
Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Magadana.

< ᎣᏍᏛ ᎧᏃᎮᏛ ᎹᏚ ᎤᏬᏪᎳᏅᎯ 15 >