< ᏉᎳ ᎠᏂᏈᎷ ᏧᏬᏪᎳᏁᎸᎯ 12 >

1 ᎾᏍᎩᏃ ᎢᏳᏂᏧᏈᏍᏗ ᎠᏂᎦᏔᎯ ᏥᏕᎨᎦᏚᏫᏍᏗ, ᎢᏴᏛ ᏂᏛᏁᏓ ᏄᏓᎴᏒ ᎦᎨᏛ ᎢᎬᏁᎯ, ᎠᎴ ᎠᏍᎦᏂ ᎠᎯᏛ ᎨᎦᏢᏔᏍᏗ ᏥᎩ, ᎠᎴ ᏗᏛᏂᏗᏳ ᎨᏎᏍᏗ ᎢᏓᏙᎩᏯᏍᎨᏍᏗ ᎠᏙᎩᏯᏍᏗ ᎢᎬᏱᏗᏢ ᏁᎬᏁᎸᎢ,
Koa amin’ izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
2 ᏫᏕᏓᎦᏂᏍᎨᏍᏗ ᏥᏌ ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏩᏂᏌᏛ, ᎠᎴ ᎠᏍᏆᏗᏍᎩ ᏥᎩ ᎢᎪᎯᏳᏒᎢ. ᎾᏍᎩ ᎤᎵᎮᎵᏍᏗ ᎨᏒ ᎢᎬᏱᏗᏢ ᎾᎬᏁᎸ ᎢᏳᏍᏗ ᎬᏂᏗᏳ ᏓᏓᎿᎭᏩᏍᏛ ᎤᎩᎵᏲᏤᎢ, ᎤᎵᏌᎵᏉ ᎤᏰᎸᏎ ᎤᏕᎰᎯᏍᏗ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎠᎦᏘᏏᏗᏢ ᎤᏪᏅ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏪᏍᎩᎸᎢ.
mijery an’ i Jesosy, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy.
3 ᎡᏣᏓᏅᏛᎵᏉᏍᎩᏂ Ꮎ ᎾᏍᎩ ᎢᎦᎢ ᎦᎬᏩᏐᏢᏛ ᎠᏂᏍᎦᎾ ᎤᏁᎳᎩ ᏚᏪᎵᏎᎸᎢ, ᎾᏍᎩᏃ ᏞᏍᏗ ᏗᏥᏯᏪᏨᎩ ᎠᎴ ᏞᏍᏗ ᏧᏩᎾᎦᎶᏨᎩ ᏕᏣᏓᏅᏛᎢ.
Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.
4 ᎥᏝ ᎠᏏ ᎢᏥᎩᎬ ᎤᏨᎢᏍᏗᏱ ᎢᏴᏛ ᏱᏗᏣᏟᏴᎲ ᎠᏍᎦᏂ ᏕᏣᏟᏴᎡᎲᎢ.
Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin’ ny ota hatramin’ ny fahalatsahan-drà.
5 ᎠᎴ ᎢᏨᎨᏫᏒᎯ ᎢᎩ ᎡᏥᏬᏁᏗᏍᎬ ᏗᏂᏲᎵ ᏥᎨᏥᏬᏁᏗᏍᎪ ᎾᏍᎩᏯᎢ, ᎯᎠ ᏥᏂᎦᏪᎭ, ᎠᏇᏥ ᏞᏍᏗ ᏅᎵᏌᎵ ᏱᏣᏰᎸᏎᏍᏗ ᎤᎬᏫᏳᎯ ᏣᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎬᎢ, ᎠᎴ ᏞᏍᏗ ᏩᎾ ᎯᏳᏏᎦᎶᎨᏍᏗ ᏣᎬᏍᎪᎸᎢᏍᎨᏍᏗ,
Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ ny zanaka hoe: “Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’ i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6 ᎾᏍᎩᏰᏃ Ꮎ ᎤᎬᏫᏳᎯ ᎤᎨᏳᎯ ᎠᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎪᎢ, ᎠᎴ ᏕᎦᎵᎥᏂᎰ ᎾᏂᎥ ᏧᏪᏥ ᎾᏍᎩ ᏧᏓᏂᎸᏨᎯ ᎨᏒᎢ.
Fa izay tian’ i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny”.
7 ᎢᏳᏃ ᎡᏥᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎨᏍᏗ, ᎾᏍᎩᏯ ᏧᏪᏥ ᏂᏓᏛᏁᎲ ᏂᏣᏛᏁᎭ ᎤᏁᎳᏅᎯ; ᎦᎪᏰᏃ ᎡᎭ ᎠᏲᎵ ᎾᏍᎩ ᎤᏙᏓ ᏄᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎬᎾ?
Famaizana no anton’ ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8 ᎢᏳᏍᎩᏂ ᎢᎸᎯᏳ ᏁᏥᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎬᎾ ᏱᎩ, ᎾᏍᎩ ᏂᎦᏗᏳ ᏗᏂᏲᎵ ᎾᏍᎩ ᎢᎨᎬᏁᏗ ᏥᎩ, ᎿᎭᏉ ᎢᏴᏛᏉ ᎢᏣᏕᏂᏙᎸᎯ, ᎥᏝᏃ ᎣᏍᏛ ᎢᏣᏕᏅᎯ ᏱᎩ.
Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9 ᎠᎴᏬ, ᎤᏇᏓᎵ ᎨᏒ ᏗᎩᏙᏓ ᏕᎨᎲᎩ, ᎾᏍᎩ ᏥᎨᎩᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎬᎩ; ᎠᎴ ᎨᏗᎸᏉᏗᏳ ᏥᎨᏒᎩ; ᏝᏍᎪ ᎤᏟ ᏱᏂᏙᎬᏩᏳᎪᏗ ᏤᏓᏓᏲᎯᏎᏗᏱ ᏗᎦᏓᏅᏙ ᏧᏬᏢᏅᎯ ᏥᎩ, ᎠᎴ ᎢᎦᏛᏂᏗᏍᏗᏱ?
Ary koa, isika dia nanana ny rain’ ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ ny fanahy, ka ho velona isika?
10 ᎾᏍᎩᏰᏃ Ꮎ ᎤᏙᎯᏳᎯ ᏞᎦ ᎨᎩᎩᎵᏲᎢᏍᏗᏍᎬᎩ ᎤᏅᏒ ᎠᎾᏓᏅᏖᏍᎬ ᎾᎾᏛᏁᎲᎩ; [ ᎤᏁᎳᏅᎯᏍᎩᏂ ] ᎣᏍᏛ ᎢᎦᎵᏍᏓᏁᏗ ᎤᎬᏩᎸ, ᎾᏍᎩ ᎢᏣᏠᏯᏍᏗᏍᎩ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ ᎤᏩᏒ ᎠᏍᎦᎾ ᏂᎨᏒᎾ ᎨᏒᎢ.
Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin’ ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
11 ᎠᎴ ᏂᎦᎥᏉ ᎠᎩᎵᏲᎢᏍᏗ ᎨᏒ ᎪᎯ ᎨᏒ ᎥᏝ ᎣᏍᏛ ᎣᏓᏅᏓᏗᏍᏗᏍᎩ ᏱᎩ, ᎤᏲᏉᏍᎩᏂ; ᎣᏂᏍᎩᏂᏃᏅ ᎢᏴᏛ ᏅᏩᏙᎯᏯᏛ ᎠᏓᏅᏓᏗᏍᏗ ᎨᏒ ᎦᎾᏄᎪᏫᏍᎪ ᏚᏳᎪᏛ ᎨᏒ ᎤᎾᏄᎪᏫᏒᎯ, ᎾᏍᎩ ᎢᏳᎾᎵᏍᏓᏁᎸᎯ.
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’ izay nanaovana azy izy.
12 ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᏗᏥᏌᎳᏛᎦ ᏗᏦᏰᏂ ᎡᎳᏗ ᎢᏧᎵᏍᏔᏅᎯ ᏥᎩ, ᎠᎴ ᏗᏥᏂᎨᏂ ᏗᏩᎾᎦᎳᎢ;
Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy;
13 ᎥᎾᏕᏍᎩ ᏂᏨᎦ ᏕᎦᏅᏅ ᎢᏥᎶᎯᏍᏗᏱ, ᎾᏍᎩᏃ ᎠᏲᎤᎵ ᎨᏒ ᏞᏍᏗ ᏳᏂᎪᎸᏍᏔᏁᏍᏗ; ᎧᏅᏬᏗᏉᏍᎩᏂ ᎨᏎᏍᏗ.
ary manaova lala-mahitsy halehan’ ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14 ᏅᏩᏙᎯᏯᏛ ᏕᏥᎧᎿᎭᏩᏗᏎᏍᏗ ᎾᏂᎥᏉ ᎪᎱᏍᏗ ᏕᏣᏓᏛᏗᏍᎬᎢ, ᎠᎴ ᎾᏍᎦᏅᎾ ᎨᏒᎢ, ᎧᏂᎩᏛ ᏱᎩ ᎾᏍᎩ, ᎥᏝ ᎩᎶ ᏰᎵ ᎤᎬᏫᏳᎯ ᎬᏩᎪᏩᏛᏗ ᏱᎩ;
Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15 ᎢᏤᏯᏔᎯᏳ ᎨᏎᏍᏗ ᎾᏍᎩᏃ ᏞᏍᏗ ᎩᎶ ᎡᏍᎦ ᎤᏬᎭᏒᎩ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎬᏩᎦᏘᏯ ᎤᏓᏙᎵᏍᏗ ᎨᏒᎢ; ᏞᏍᏗ ᎤᏴᏍᏗ ᎤᎿᎭᏍᏕᏢ ᎦᎾᏄᎪᎬ ᎢᏣᏕᏯᏙᏔᏅᎩ, ᎠᎴ ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏩᏂᏌᏛ ᎤᏂᏣᏘ ᎦᏓᎭ ᎢᏳᎾᎵᏍᏔᏅᎩ;
Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
16 ᏞᏍᏗ ᎩᎶ ᎤᏕᎵᏛ ᏗᏂᏏᎲᏍᎩ ᏱᏣᏓᏑᏰᏍᏗ, ᎠᎴ ᎠᏍᎦᎾ ᏴᏫ, ᎢᏐ ᎾᏍᎩᏯᎢ, ᎤᏍᎩ ᏌᏉᏉ ᎢᏯᎵᏍᏓᏴᏗ ᏥᏚᎬᏩᎶᏔᏁ ᏧᎾᏗᏅᏎ ᎢᎬᏱ ᎡᎯ ᎨᏒᎢ.
fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masìna, dia tahaka an’ i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
17 ᎢᏥᎦᏔᎭᏰᏃ ᎣᏂ ᎢᏴᏛ ᎣᏍᏛ ᎢᏯᎦᏛᏁᏗᏱ ᏧᏚᎵᏍᎨ ᏣᏥᏐᏅᎢᏍᏔᏁᎢ; ᎥᏝᏰᏃ [ ᎤᏙᏓ ] ᎤᏓᏅᏛ ᎬᏩᏁᏟᏴᏍᏗ ᎨᏒ ᏳᏩᏛᎮᎢ, ᎤᎵᏏᎾᎯᏍᏗᏳᏍᎩᏂᏃᏅ ᎠᎴ ᏗᎬᎦᏌᏬᎢᎯ ᎤᏲᎴᎢ.
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin’ ny ranomaso aza.
18 ᎥᏝᏰᏃ ᎣᏓᎸ ᎬᏒᏂᏍᏗ ᎨᏒ ᏱᏥᎷᏨ, ᎠᎴ ᎾᏍᎩ ᏣᏓᏪᎵᎩᏍᎨᎢ, ᎥᏝ ᎠᎴ ᎬᎿᎭᎨ ᎤᎶᎩᎸᎢ, ᎠᎴ ᎤᎵᏏᎩᏳ ᎰᏒ ᎠᎴ ᎦᏃᎸᎥᏍᎬᎢ,
Fa ianareo tsy mby eo amin’ izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin’ ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
19 ᎠᎴ ᎠᏤᎷᎩ ᎤᏃᏴᎬᎢ, ᎠᎴ ᎧᏁᎬ ᎤᏃᏴᎬᎢ; ᎾᏍᎩᏃ ᎤᎾᏛᎦᏅᎯ ᎤᏂᏔᏲᎴ ᏔᎵᏁ ᎾᏍᎩ ᎢᎨᏂᏪᏎᏗᏱ ᏂᎨᏒᎾ.
sy ny fanenon’ ny trompetra ary ny feon’ ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
20 ᎥᏝᏰᏃ ᎣᏏᏳ ᏳᏂᏰᎸᏁ ᏄᏍᏛ ᎤᎵᏁᏨᎢ, ᎾᏍᎩ ᎦᎾᏜᏓᎢᏉ ᎾᏍᏉ ᏳᏃᏟᏍᏔ ᎣᏓᎸᎢ ᎠᏎ ᏅᏯ ᏣᎬᏂᏍᏙᏗ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎠᏥᏲᏍᏗᏉ ᎨᏒ ᏗᎬᏩᎶᏒᎯ.
fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: “Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany”,
21 ᎠᎴ ᎤᏂᎪᎲ ᎤᏣᏘ ᎤᎾᏰᎯᏍᏗᏳ ᎨᏒ ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᎼᏏ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎢ, ᎤᏣᏘ ᏥᎾᏰᏍᎦ ᎠᎴ ᎠᎩᎾᏫᎭ.
ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: “Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho”.
22 ᏌᏯᏂᏍᎩᏂ ᎣᏓᎸ ᎢᏥᎷᏨ, ᎠᎴ ᎬᏂᏛ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏤᎵ ᎦᏚᎲᎢ, ᎾᏍᎩ ᏥᎷᏏᎵᎻ ᎦᎸᎳᏗ ᎡᎯ, ᎠᎴ ᏗᎬᏎᎰᎲᏍᏗ ᏂᎨᏒᎾ ᎨᏥᏅᏏᏓᏍᏗ ᏧᎾᏓᏡᎬᎢ,
Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’ Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ ny anjely tsy omby alinalina,
23 ᎠᎴ ᎾᎿᎭᏂᎦᏗᏳ ᎤᎾᏓᏟᏌᎲᎢ, ᎠᎴ ᎢᎬᏱ ᎤᎾᏕᏅᎯ ᏧᎾᏁᎶᏗ ᎤᎾᏓᏡᎬᎢ, ᎾᏍᎩ [ ᏚᎾᏙᎥ ] ᎦᎸᎳᏗ ᏥᏕᎪᏪᎳ, ᎠᎴ ᎾᎿᎭᎤᏁᎳᏅᎯ ᏂᎦᏗᏳ ᏗᎫᎪᏓᏁᎯ [ ᎡᎲᎢ, ] ᎠᎴ ᎾᎿᎭᏧᎾᏓᏅᏙ ᎤᎾᏓᏅᏘ ᏴᏫ ᎾᏂᏍᎦᏅᎾ ᎢᎨᎬᏁᎸᎯ [ ᎠᏁᎲᎢ, ]
amin’ ny fihaonana fifaliana’ sy ny fiangonan ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’ Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ ny fanahin’ ny olona marina izay efa natao tanteraka,
24 ᎠᎴ ᎾᎿᎭᏥᏌ [ ᎡᎲᎢ ] ᎾᏍᎩ ᎠᏰᎵ ᎠᎴᎲᏍᎩ ᎢᏤ ᎧᏃᎮᏛ ᏓᏠᎯᏍᏛᎢ, ᎠᎴ ᎾᎿᎭᎩᎬ ᎠᏍᏚᏢᎯ ᎨᏒᎢ, ᎾᏍᎩ ᎤᏟ ᎢᏲᏍᏛ ᎠᏔᏲᎯᎯ ᏥᎩ ᎡᏍᎦᏉ ᎡᏈᎵ [ ᎤᎩᎬ.]
sy amin’ i Jesosy, Mpanalalana amin’ ny fanekena vaovao, ary amin’ ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an’ i Abela.
25 ᎢᏤᏯᏔᎮᏍᏗ ᏞᏍᏗᏉ ᎡᏥᏲᎢᏎᎸᎩ ᎾᏍᎩ Ꮎ ᏥᎧᏁᎦ. ᎢᏳᏰᏃ ᏄᎾᏓᏗᏫᏎᎸᎾ ᏱᎩ ᎾᏍᎩ Ꮎ ᎤᏂᏲᎢᏎᏛ ᎡᎶᎯ ᎤᏁᏨᎯ, ᎤᏟᎯᏳ ᎬᏩᏟᏍᏗ ᎢᎦᏓᏗᏫᏎᏗᏱ ᎢᏳᏃ ᎢᏴᏛ ᏱᏁᏓᏛᏁᎸ ᎦᎸᎳᏗ ᏨᏗᎧᏁᎦ;
Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin’ ny nandavany ilay nilaza ny tenin’ Andriamanitra taminy tetỳ ambonin’ ny tany, mainka fa isika, raha mihodìna miala amin’ ilay avy any an-danitra,
26 ᎾᏍᎩ Ꮎ ᎧᏁᎬ ᎾᎯᏳ ᎡᎶᎯ ᎤᏖᎸᏁᎢ; ᎠᏎᏃ ᎪᎯ ᎨᏒ ᎤᏚᎢᏍᏔᏅ, ᎯᎠ ᏄᏪᏒ, ᎠᏏ ᏌᏉ ᏅᏓᏥᏖᎸᏂ ᎥᏝ ᎡᎶᎯᏉ ᎤᏩᏒ, ᎦᎸᎶᎢᏍᎩᏂ ᎾᏍᏉ.
Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: “Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa”.
27 ᎾᏍᎩᏃ ᎯᎠ ᏥᏂᎦᏪᎭ ᎠᏏ ᏌᏉᎢ, ᎾᏍᎩ ᎢᏴᏛ ᎢᏗᎬᏁᏗ ᎨᏒ ᎾᏍᎩ ᏗᏖᎸᏅᎯ ᎨᏒ ᎦᏛᎦ, ᎾᏍᎩ ᏗᎪᏢᏅᎯᏉ ᎾᏍᎩᏯᎢ, ᎾᏍᎩᏃ Ꮎ ᏧᏓᎴᏅᏛ ᏗᎬᏤᎸᏗ ᏂᎨᏒᎾ ᎨᏒ ᎾᎿᎭᏉ ᏗᏍᏆᏂᎪᏙᏗ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ.
Ary ny hoe “indray maka koa” dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan’ izay zavatra tsy ampihorohoroina.
28 ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ ᎾᏍᎩ ᎠᏴ ᏗᎦᏓᏂᎸᏨᎯ ᏥᎩ ᎤᎬᏫᏳᎯ ᎤᏤᎵᎪᎯ ᎨᏒ ᎾᏍᎩ ᎬᏖᎸᏗ ᏂᎨᏒᎾ, ᎬᏩᎦᏘᏯ ᎤᏓᏙᎵᏍᏗ ᎨᏒ ᎢᎩᎮᏍᏗ, ᎾᏍᎩ ᎢᏛᏗᏍᎬ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎣᏍᏛ ᎤᏰᎸᏗ ᏗᎨᎩᎸᏫᏍᏓᏁᏗ ᏱᎩ, ᎦᎸᏉᏗᏳ ᎨᏒ, ᎠᎴ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎦᎾᏰᎯᏍᏗ ᎨᏒ ᏔᎵ ᎢᎬᏗᏕᎬᎢ.
Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’ Andriamanitra amin’ ny fanajana sy ny fahatahorana;
29 ᎢᎦᏁᎳᏅᎯᏰᏃ ᎠᏥᎸ ᎠᏓᎪᎲᏍᏗᏍᎩ.
fa Andriamanitsika dia afo mandevona.

< ᏉᎳ ᎠᏂᏈᎷ ᏧᏬᏪᎳᏁᎸᎯ 12 >