< Erromatarrei 3 >

1 Ceric da bada Iuduaren abantailla, edo ceric da circoncisionearen probetchua?
Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
2 Handia manera orotara: eta gucién gainetic ceren Iaincoaren declarationeac cargutan eman baitzaizte.
Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.
3 Ecen cer da baldin batzuc sinhetsi ezpadute? ala hayén incredulitateac Iaincoaren fedea ezdeusturen du?
Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra?
4 Guertha eztadila: aitzitic biz Iaincoa eguiati, eta guiçon gucia gueçurti, scribatua den beçala, Eure hitzetan iusto eriden adinçát, eta hiçaz iugemendu eguiten denean garaita duançát.
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.
5 Eta baldin gure iniustitiác Iaincoaren iustitiá lauda eraciten badu, cer erranen dugu? ala iniusto da Iaincoa punitzen duenean? (guiçon beçala minço naiz)
Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ―
6 Guertha eztadila: bercela, nola iugeaturen du Iaincoac mundua?
Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7 Ecen baldin Iaincoaren eguiá abundosago bada ene gueçurraz haren gloriatan, cergatic ni goitiric bekatore beçala condemnatzen naiz?
Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8 Eta (guçaz gaizqui minço diraden beçala, eta batzuc guc erraiten dugula dioiten beçala) ceren eztugu gaizqui eguiten, vnguia ethor dadinçát? ceinén damnationea iusto baita.
Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika, ― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
9 Cer bada? excellentago gara? Eceinere maneraz: ecen aitzinetic raçoinac emanic eracutsi dugu, ecen guiciac hambat Iuduac nola Grecoac, bekatuaren azpian diradela.
Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
10 Scribatua den beçala, Ezta iustoric, ezeta bakoitzic.
araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11 Ezta aditzen duenic ezta Iaincoa bilhatzen duenic.
Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra.
12 Guciac aldaratu içan dirade, eta guciac elkarrequin inutil eguin içan dirade: ezta ontassunic eguiten duenic, ez batetarano.
Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.
13 Sepulchre irequibat da hayén eztarria: bere mihiéz enganiotara vsatu vkan duté: sugue aspic-aren poçoina da hayén ezpainetan.
Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony;
14 Hayén ahoa maledictionez eta karminduraz bethea da.
Feno ozona sy fangidiana ny vavany;
15 Arin dirade hayén oinac odol issurtera.
Ny tongony mimaona handatsa-drà;
16 Destructione eta miseria hayén bidetan.
Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany;
17 Eta bide baquezcoa eztute eçagutu vkan.
Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany;
18 Ezta Iaincoaren beldurra hayen beguién aitzinean.
Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
19 Eta badaquigu ecen cerere Legueac erraiten baitu, Leguean diradeney erraiten drauela: aho gucia boça dadinçát, eta mundu gucia hoguendun dençát Iaincoaren aitzinean.
Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
20 Hunegatic Leguearen obréz ezta iustificaturen haraguiric batre haren aitzinean: ecen Legueaz da bekatuaren eçagutzea.
satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
21 Baina orain Leguea gabe Iaincoaren iustitiá manifestatu içan da, Leguearen eta Prophetén testimoniagea duela.
Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
22 Bada Iaincoaren iustitiá, Iesus Christen fedez sinhesten duten gucietara eta gucién gainera: ecen ezta differentiaric batre:
dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
23 ikussiric ecen guciéc bekatu eguin dutela, eta Iaincoaren gloriaren falta diradela.
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,
24 Eta iustificatzen dirade dohainic haren gratiaz, Iesus Christ Iaunean eguin içan den redemptioneaz:
nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
25 Cein ordenatu baitu Iaincoac fedeazco appacegagarri haren odolean, bere iustitiaren declaratzeco, aitzineco bekatuén barkamenduagatic, Iaincoaren patientiáz:
Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
26 Diot bere iustitiaren declaratzeco dembora hunetan: bera iusto dencát, eta Iesusen fedeco denaren iustificaçale.
mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
27 Non da beraz vantationea? iraitzi içan da. Cein leguez? obrenaz? Ez: baina fedearen legueaz.
Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
28 Concluditzen dugu beraz, fedez iustificatzen dela guiçona Leguearen obrác gabe.
Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.
29 Ala Iuduén ber da Iaincoa? ala ez Gentilen-ere? guerthuqui Gentilen-ere.
Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
30 Ecen bat da Iaincoa, ceinec iustificaturen baitu circoncisionea fedetic, eta preputioa fedeaz.
fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana.
31 Leguea bada ez deus bilhatzen dugu fedeaz? Guertha eztadila: aitzitic Leguea confirmatzen dugu.
Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.

< Erromatarrei 3 >