< ՅԱՅՏՆՈՒԹԻՒՆ ՅՈՎՀԱՆՆՈՒ 6 >

1 Նայեցայ՝ երբ Գառնուկը բացաւ կնիքներէն մէկը՝՝, եւ լսեցի չորս էակներէն մէկուն ձայնը՝ որոտումի պէս, որ կ՚ըսէր. «Եկո՛ւր ու տե՛ս»:
Ary nahita aho, rehefa novahan’ ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
2 Եւ տեսայ. ահա՛ ճերմակ ձի մը կար, որուն վրայ հեծնողը ունէր աղեղ մը: Պսակ մը տրուեցաւ անոր, ու դուրս ելաւ իբր յաղթող՝ որպէսզի յաղթէ:
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
3 Երբ բացաւ երկրորդ կնիքը, լսեցի երկրորդ էակը՝ որ կ՚ըսէր. «Եկո՛ւր»:
Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’ aina faharoa nanao hoe: Avia.
4 Ուրիշ, շառագոյն ձի մը դուրս ելաւ, եւ անոր վրայ հեծնողին իշխանութիւն տրուեցաւ՝ որ երկրէն վերցնէ խաղաղութիւնը, որպէսզի մորթեն զիրար. ու մեծ սուր մը տրուեցաւ անոր:
Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ ny tany mba hifamonoan’ ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
5 Երբ բացաւ երրորդ կնիքը, լսեցի երրորդ էակը՝ որ կ՚ըսէր. «Եկո՛ւր ու տե՛ս»: Եւ տեսայ. ահա՛ սեւ ձի մը կար, որուն վրայ հեծնողը՝ ձեռքին մէջ ունէր կշիռք մը:
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan’ aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany.
6 Չորս էակներուն մէջէն լսեցի ձայն մը՝ որ կ՚ըսէր. «Կապիճ մը ցորենը՝ մէկ դահեկանի, ու երեք կապիճ գարին՝ մէկ դահեկանի: Մի՛ վնասեր ձէթին եւ գինիին»:
Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran’ ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao.
7 Երբ բացաւ չորորդ կնիքը, լսեցի չորրորդ էակին ձայնը՝ որ կ՚ըսէր. «Եկո՛ւր ու տե՛ս»:
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ ny zava-manan’ aina fahefatra nanao hoe: Avia.
8 Եւ տեսայ. ահա՛ տժգոյն ձի մը կար, որուն վրայ հեծնողին անունը Մահ էր, ու դժոխքը կը հետեւէր անոր: Իշխանութիւն տրուեցաւ անոնց՝ երկրի քառորդին վրայ, որ սպաննեն թուրով, սովով, մահով ու երկրի գազաններով: (Hadēs g86)
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’ izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. (Hadēs g86)
9 Երբ բացաւ հինգերորդ կնիքը, զոհասեղանին ներքեւ տեսայ անձերը անոնց՝ որ մորթուած էին Աստուծոյ խօսքին համար, եւ իրենց տուած վկայութեան համար:
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
10 Անոնք բարձրաձայն աղաղակեցին. «Սո՛ւրբ եւ ճշմարի՛տ Տիրակալ, մինչեւ ե՞րբ պիտի չդատես ու չառնես մեր արիւնին վրէժը երկրի բնակիչներէն»:
Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masìna sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’ izay monina eny ambonin’ ny tany?
11 Ճերմակ պարեգօտ տրուեցաւ անոնցմէ իւրաքանչիւրին, եւ ըսուեցաւ անոնց որ հանգչին քիչ մը ժամանակ ալ, մինչեւ որ ամբողջանան իրենց ծառայակիցներն ու անոնց եղբայրները՝ որոնք պիտի սպաննուէին իրենց պէս:
Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
12 Տեսայ՝ երբ բացաւ վեցերորդ կնիքը, եւ ահա՛ մեծ երկրաշարժ մը եղաւ: Արեւը սեւցաւ՝ մազեղէն քուրձի մը պէս, լուսինը (բոլորովին) արիւնի գոյնի պէս եղաւ,
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’ osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
13 ու երկինքի աստղերը ինկան երկրի վրայ, ինչպէս սաստիկ հովէն շարժուած թզենին կը թափէ իր տհաս պտուղները:
Ary ny kintana tamin’ ny lanitra dia niraraka tamin’ ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ ny rivotra mahery izy.
14 Երկինքը կծկուեցաւ ոլորուող մագաղաթի մը պէս, եւ բոլոր լեռներն ու կղզիները շարժեցան իրենց տեղերէն:
Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ ny fitoerany.
15 Երկրի թագաւորները, մեծամեծները, հարուստները, հազարապետները, զօրաւորները, եւ բոլոր ստրուկներն ու բոլոր ազատները պահուըտեցան քարայրներու եւ լեռներու ժայռերուն մէջ,
Ary ny mpanjakan’ ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ ny lavaka sy tao amin’ ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
16 ու կ՚ըսէին լեռներուն եւ ժայռերուն. «Ինկէ՛ք մեր վրայ ու պահեցէ՛ք մեզ գահին վրայ բազմողին երեսէն, եւ Գառնուկին բարկութենէն:
ary hoy izy tamin’ ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry;
17 Որովհետեւ անոր բարկութեան մեծ օրը եկաւ, եւ ո՞վ կրնայ դիմանալ»:
fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo, ka iza no mahajanona?

< ՅԱՅՏՆՈՒԹԻՒՆ ՅՈՎՀԱՆՆՈՒ 6 >