< ՄԱՏԹԷՈՍ 27 >

1 Երբ առտու եղաւ, բոլոր քահանայապետներն ու ժողովուրդին երէցները խորհրդակցեցան Յիսուսի դէմ՝ որ մեռցնեն զայն:
Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
2 Երբ կապեցին զայն, տարին եւ մատնեցին Պոնտացի Պիղատոս կառավարիչին:
Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
3 Այն ատեն Յուդա, որ մատնեց զայն, տեսնելով որ դատապարտուեցաւ՝ զղջաց, վերադարձուց երեսուն կտոր արծաթը քահանայապետներուն ու երէցներուն,
Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
4 եւ ըսաւ. «Մեղանչեցի՝ անմեղ արիւն մատնելով»: Անոնք ըսին. «Մեզի ի՞նչ, դո՛ւն անդրադարձիր»:
ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5 Ան ալ ձգեց արծաթը տաճարին մէջ, դուրս ելաւ, ու գնաց՝ խեղդեց ինքզինք:
Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6 Քահանայապետներն ալ առնելով արծաթը՝ ըսին. «Արտօնուած չէ դնել ատիկա կորբանին մէջ՝՝, քանի որ արիւնի գին է»:
Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7 Եւ խորհրդակցեցան, ու գնեցին անով բրուտին արտը՝ օտարականներու գերեզմանատուն ըլլալու համար:
Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
8 Ուստի այդ արտը կոչուեցաւ «Արիւնի արտ» մինչեւ այսօր:
Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
9 Այն ատեն իրագործուեցաւ Երեմիա մարգարէին միջոցով ըսուած խօսքը. «Եւ առին երեսուն կտոր արծաթը, գինը անոր՝ որ գնահատուած էր, որ Իսրայէլի որդիներէն ոմանք գնահատեցին,
Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,
10 ու տուին զայն բրուտին արտին, ինչպէս Տէրը հրամայեց ինծի»:
ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.
11 Յիսուս կայնեցաւ կառավարիչին առջեւ: Կառավարիչը հարցուց անոր. «Դո՞ւն ես Հրեաներուն թագաւորը»: Յիսուս ըսաւ անոր. «Դո՛ւն կ՚ըսես»:
Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12 Բայց ոչինչ պատասխանեց՝ երբ կ՚ամբաստանուէր քահանայապետներէն ու երէցներէն:
Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13 Այն ատեն Պիղատոս ըսաւ անոր. «Չե՞ս լսեր, ո՜րքան կը վկայեն քեզի դէմ»:
dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14 Բայց չպատասխանեց անոր. ո՛չ մէկ խօսք ըսաւ, այնպէս որ կառավարիչը մեծապէս զարմացաւ:
Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
15 Տօնին ատենը կառավարիչը սովորութիւն ունէր բանտարկեալ մը արձակել բազմութեան, ո՛վ որ ուզէին:
Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.
16 Այն ատեն ունէին երեւելի բանտարկեալ մը՝ Բարաբբա կոչուած:
Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17 Ուրեմն երբ հաւաքուեցան՝ Պիղատոս ըսաւ անոնց. «Ո՞վ կ՚ուզէք որ արձակեմ ձեզի. Բարաբբա՞ն, թէ Յիսուսը՝ որ Քրիստոս կը կոչուի»:
Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18 Քանի որ գիտէր թէ նախանձի՛ համար մատնած էին զայն:
Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.
19 Երբ ինք բազմած էր դատարանը, իր կինը մէկը ղրկեց իրեն եւ ըսաւ. «Դուն գործ մի՛ ունենար այդ արդարին հետ, որովհետեւ այսօր շատ չարչարուեցայ երազիս մէջ՝ անոր պատճառով»:
Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20 Բայց քահանայապետներն ու երէցները համոզեցին բազմութիւնը, որ Բարաբբա՛ն խնդրեն եւ Յիսուսը կորսնցնեն:
Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
21 Կառավարիչը ըսաւ անոնց. «Այս երկուքէն ո՞վ կ՚ուզէք՝ որ արձակեմ ձեզի»:
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22 Անոնք ըսին. «Բարաբբա՛ն»: Պիղատոս ըսաւ անոնց. «Հապա ի՞նչ ընեմ Յիսուսը՝ որ Քրիստոս կը կոչուի»:
Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.
23 Բոլորն ալ ըսին անոր. «Թող խաչուի»: Իսկ կառավարիչը ըսաւ. «Բայց ի՞նչ չարիք ըրած է»: Անոնք ա՛լ աւելի կ՚աղաղակէին. «Թող խաչուի»:
Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!
24 Պիղատոս՝ տեսնելով թէ անօգուտ է, այլ մանաւանդ աղմուկ կը բարձրանայ՝՝, ջուր առաւ, ձեռքերը լուաց բազմութեան առջեւ եւ ըսաւ. «Ես անպարտ եմ այդ արդարին արիւնէն. դո՛ւք անդրադարձէք»:
Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
25 Ամբողջ ժողովուրդը պատասխանեց. «Ատոր արիւնը թող ըլլայ մեր վրայ ու մեր զաւակներուն վրայ»:
Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
26 Այն ատեն Բարաբբա՛ն արձակեց անոնց, եւ խարազանելով Յիսուսը՝ յանձնեց անոնց որպէսզի խաչուէր:
Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
27 Այն ատեն՝ կառավարիչին զինուորները առին Յիսուսը պալատէն ներս, ու զինուորներուն ամբողջ գունդը հաւաքեցին անոր շուրջ:
Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
28 Մերկացնելով զայն՝ հագցուցին անոր որդան կարմիր վերարկու մը,
Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29 եւ հիւսելով փուշէ պսակ մը՝ դրին անոր գլուխը, ու եղէգ մը՝ անոր աջ ձեռքը. եւ ծնրադրելով անոր առջեւ՝ կը ծաղրէին զայն ու կ՚ըսէին. «Ողջո՜յն, Հրեաներո՛ւ թագաւոր»:
Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
30 Եւ թքնելով անոր վրայ՝ կ՚առնէին եղէգը ու կը զարնէին անոր գլուխին:
Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31 Երբ ծաղրեցին զայն, հանեցին վրայէն վերարկուն, հագցուցին անոր իր հանդերձները, ու տարին զայն՝ որպէսզի խաչեն:
Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
32 Դուրս ելլելով՝ գտան կիւրենացի մարդ մը՝ Սիմոն անունով, եւ ստիպեցին զայն որ վերցնէ անոր խաչը:
Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
33 Երբ եկան տեղ մը՝ Գողգոթա կոչուած, որ կը նշանակէ՝ Գանկի տեղ,
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
34 տուին անոր լեղիով խառնուած քացախ՝ որպէսզի խմէ: Երբ համտեսեց՝ չուզեց խմել:
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35 Ապա խաչեցին զայն, ու վիճակ ձգելով՝ բաժնեցին անոր հանդերձները. (որպէսզի իրագործուի մարգարէին միջոցով խօսուածը. «Իմ հանդերձներս բաժնեցին իրենց մէջ, եւ իմ պատմուճանիս վրայ վիճակ ձգեցին»: )
Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
36 Ու նստած՝ կը պահէին զայն.
Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
37 եւ անոր գլուխին վրայ դրին իր ամբաստանագիրը. «Ա՛յս է Յիսուսը, Հրեաներուն թագաւորը»:
Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
38 Այն ատեն երկու աւազակներ խաչուեցան անոր հետ, մէկը՝ աջ կողմը, միւսը՝ ձախ կողմը:
Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
39 Անոնք որ կ՚անցնէին՝ կը հայհոյէին անոր, իրենց գլուխը կը շարժէին
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
40 ու կ՚ըսէին. «Դո՛ւն, որ կը քակէիր տաճարը եւ կը կառուցանէիր երեք օրուան մէջ, փրկէ՛ դուն քեզ: Եթէ Աստուծոյ Որդին ես, իջի՛ր այդ խաչէն»:
ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
41 Նմանապէս քահանայապետներն ալ՝ դպիրներուն ու երէցներուն հետ ծաղրելով կ՚ըսէին.
Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42 «Ուրիշները փրկեց, ինքզի՛նք չի կրնար փրկել: Եթէ Իսրայէլի թագաւոր է, հի՛մա թող իջնէ խաչէն, եւ հաւատանք իրեն:
Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43 Աստուծոյ վստահած էր. հի՛մա թող ազատէ զինք՝ եթէ կ՚ուզէ զինք, որովհետեւ ըսաւ. “Ես Աստուծոյ Որդին եմ”»:
natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.
44 Իրեն հետ խաչուած աւազակներն ալ նոյնպէս կը նախատէին զայն:
Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.
45 Վեցերորդ ժամէն՝՝ մինչեւ իններորդ ժամը՝ խաւար եղաւ ամբողջ երկրին վրայ:
Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46 Ժամը իննի ատենները Յիսուս բարձրաձայն աղաղակեց. «Էլի՜, Էլի՜, լամա՞ սաբաքթանի», որ ըսել է. «Իմ Աստուա՜ծս, իմ Աստուա՜ծս, ինչո՞ւ լքեցիր զիս»:
Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?
47 Հոն կայնողներէն ոմանք՝ երբ լսեցին՝ ըսին. «Ասիկա Եղիա՛ն կը կանչէ»:
Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.
48 Իսկոյն անոնցմէ մէկը վազեց, առաւ սպունգ մը, լեցուց քացախով, եւ անցընելով եղէգի մը՝ տուաւ անոր որ խմէ:
Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
49 Միւսները ըսին. «Թո՛ղ, տեսնենք թէ Եղիա պիտի գա՞յ՝ փրկելու զայն»:
Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50 Յիսուս դարձեալ բարձրաձայն աղաղակեց ու հոգին աւանդեց:
Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
51 Եւ ահա՛ տաճարին վարագոյրը երկուքի պատռեցաւ՝ վերէն վար, երկիրը շարժեցաւ, ժայռերը ճեղքուեցան,
Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
52 գերեզմանները բացուեցան, ու շատ մը սուրբ ննջեցեալներու մարմիններ յարութիւն առին.
ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,
53 եւ գերեզմաններէն ելան անոր յարութենէն ետք, մտան սուրբ քաղաքը ու երեւցան շատերու:
ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.
54 Բայց հարիւրապետը եւ անոր հետ Յիսուսը պահողները, երբ տեսան երկրաշարժն ու պատահածները՝ չափազանց վախցան, եւ ըսին. «Ճշմա՛րտապէս ասիկա Աստուծոյ Որդին էր»:
Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
55 Հոն շատ կիներ կային, որոնք հեռուէն կը նայէին. անոնք Յիսուսի հետեւեր էին Գալիլեայէն՝ իրեն սպասարկելու:
Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56 Անոնց մէջ էին Մարիամ Մագդաղենացին, Յակոբոսի ու Յովսէսի մայրը՝ Մարիամ, եւ Զեբեդէոսի որդիներուն մայրը:
Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.
57 Երբ իրիկուն եղաւ՝ հարուստ մարդ մը եկաւ Արիմաթեայէն, որուն անունը Յովսէփ էր, եւ ի՛նք ալ Յիսուսի աշակերտ էր:
Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.
58 Ան՝ երթալով Պիղատոսի քով՝ խնդրեց Յիսուսի մարմինը. այն ատեն Պիղատոս հրամայեց՝ որ մարմինը տրուի:
Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.
59 Յովսէփ առաւ մարմինը, փաթթեց մաքուր կտաւով,
Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
60 ու դրաւ իր նոր գերեզմանին մէջ՝ որ փորած էր ժայռի մէջ. եւ մեծ քար մը գլորելով գերեզմանին դուռը՝ գնաց:
dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61 Մարիամ Մագդաղենացին ու միւս Մարիամը հոն էին՝ գերեզմանին դիմաց նստած:
Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.
62 Հետեւեալ օրը, որ Ուրբաթէն ետք էր, քահանայապետներն ու Փարիսեցիները հաւաքուեցան Պիղատոսի քով,
Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo
63 եւ ըսին. «Տէ՛ր, կը յիշենք թէ այդ մոլորեցուցիչը, մինչ տակաւին ողջ էր, կ՚ըսէր. “Յարութիւն պիտի առնեմ երեք օրէն”:
ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64 Ուրեմն հրամայէ՛, որ գերեզմանը ապահովուի՝ մինչեւ երրորդ օրը. որպէսզի իր աշակերտները չգան գիշերուան մէջ, չգողնան զայն եւ չըսեն ժողովուրդին. “Մեռելներէն յարութիւն առաւ”, ու վերջին մոլորութիւնը աւելի գէշ ըլլայ քան առաջինը»:
Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Պիղատոս ըսաւ անոնց. «Դուք պահակազօրք ունիք. գացէ՛ք, ապահովեցէ՛ք՝ ի՛նչպէս որ կ՚ուզէք»:
Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
66 Անոնք ալ գացին եւ ապահովեցին գերեզմանը՝ քարը կնքելով ու պահակազօրքով:
Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.

< ՄԱՏԹԷՈՍ 27 >