< ՄԱՏԹԷՈՍ 22 >

1 Յիսուս դարձեալ առակներով խօսեցաւ անոնց եւ ըսաւ.
Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
2 «Երկինքի թագաւորութիւնը կը նմանի թագաւորի մը՝ որ հարսանիք ըրաւ իր որդիին, ու ղրկեց իր ծառաները՝ կանչելու հարսանիքին հրաւիրեալները.
Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy.
3 սակայն անոնք չուզեցին գալ:
Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
4 Դարձեալ ուրիշ ծառաներ ղրկեց եւ ըսաւ. “Ըսէ՛ք հրաւիրեալներուն. «Ահա՛ պատրաստեցի իմ ճաշս. զուարակներս ու գէր անասուններս մորթուած են, եւ ամէն բան պատրաստ է. եկէ՛ք հարսանիքի»”:
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.
5 Բայց անոնք անհոգութիւն ընելով՝ գացին մէկը իր արտը, ու միւսը՝ իր առեւտուրին:
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony.
6 Ուրիշներ՝ բռնեցին անոր ծառաները, նախատեցին եւ սպաննեցին:
Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7 Թագաւորն ալ՝ երբ լսեց՝ բարկացաւ. ղրկեց իր զօրքերը, կորսնցուց այդ մարդասպանները ու այրեց անոնց քաղաքը:
Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
8 Այն ատեն ըսաւ իր ծառաներուն. “Հարսանիքը պատրաստ է, բայց հրաւիրեալները արժանի չէին:
Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9 Ուրեմն գացէ՛ք դէպի ճամբաներուն գլուխները, եւ ո՛վ որ գտնէք՝ հրաւիրեցէ՛ք հարսանիքի”:
Koa mankanesa ianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
10 Այդ ծառաները դուրս ելան՝ դէպի ճամբաներուն գլուխները, եւ ո՛վ որ գտան՝ թէ՛ չար, թէ՛ բարի, բոլորն ալ հաւաքեցին. ու հարսնետունը լեցուեցաւ հրաւիրեալներով:
Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11 Երբ թագաւորը մտաւ՝ տեսնելու հարսնեւորները, տեսաւ մարդ մը՝ որ հագած չէր հարսանիքի հագուստ:
Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady.
12 Ըսաւ անոր. “Ընկե՛ր, ի՞նչպէս մտար հոս՝ առանց հարսանիքի հագուստի”: Ան ալ պապանձեցաւ:
Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13 Այն ատեն թագաւորը ըսաւ սպասարկուներուն. “Կապեցէ՛ք ասոր ոտքերն ու ձեռքերը, եւ առէ՛ք ու նետեցէ՛ք զայն դուրսի խաւարը. հոն պիտի ըլլայ լաց եւ ակռաներու կրճտում”:
Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14 Որովհետեւ կանչուածները շատ են, բայց ընտրուածները՝ քիչ»:
Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
15 Այն ատեն Փարիսեցիները գացին խորհրդակցելու, թէ ի՛նչպէս խօսքով ձգեն զայն ծուղակի մէջ:
Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny.
16 Ու ղրկեցին անոր իրենց աշակերտները՝ Հերովդէսեաններուն հետ, եւ ըսին. «Վարդապե՛տ, գիտենք թէ ճշմարտախօս ես ու ճշմարտութեամբ կը սորվեցնես Աստուծոյ ճամբան, եւ հոգ չես ըներ ոեւէ մէկուն համար, քանի որ երեսպաշտութիւն չես ըներ մարդոց:
Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona.
17 Ուստի ըսէ՛ մեզի, ի՞նչ է քու կարծիքդ. “Արտօնուա՞ծ է տուրք տալ կայսրին՝ թէ ոչ”»:
Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
18 Յիսուս՝ գիտնալով անոնց չարամտութիւնը՝ ըսաւ. «Ինչո՞ւ կը փորձէք զիս, կեղծաւորնե՛ր:
Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
19 Ցո՛յց տուէք ինծի տուրքին դրամը»: Անոնք դահեկան մը բերին իրեն:
Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
20 Ըսաւ անոնց. «Որո՞ւնն են այս պատկերն ու գրութիւնը»:
Ary hoy Jesosy taminy: An’ iza ity sary sy soratra ity?
21 Ըսին անոր. «Կայսրի՛ն»: Այն ատեն ըսաւ անոնց. «Ուրեմն ինչ որ կայսրինն է՝ տուէ՛ք կայսրին, եւ ինչ որ Աստուծոյ է՝ Աստուծո՛յ»:
Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
22 Երբ լսեցին՝ զարմացան, ու թողուցին զայն եւ գացին:
Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
23 Նոյն օրը անոր քով եկան Սադուկեցիները, որոնք կ՚ըսեն թէ յարութիւն չկայ, ու հարցուցին անոր.
Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe:
24 «Վարդապե՛տ, Մովսէս ըսաւ. “Եթէ մէկը մեռնի առանց զաւակի, անոր եղբայրը թող ամուսնանայ անոր կնոջ հետ, եւ զարմ հանէ իր եղբօր”:
Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
25 Ուրեմն եօթը եղբայրներ կային մեր քով: Առաջինը ամուսնացաւ ու վախճանեցաւ, եւ զարմ չունենալուն համար՝ իր կինը թողուց իր եղբօր:
Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny;
26 Նմանապէս ալ երկրորդն ու երրորդը՝ մինչեւ եօթներորդը:
ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ ny fahafito.
27 Ամենէն ետք կինն ալ մեռաւ:
Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
28 Ուրեմն, յարութեան ատեն՝ այդ եօթնէն որո՞ւն կինը պիտի ըլլայ. որովհետեւ բոլորն ալ ունեցան զայն իբր կին»:
Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
29 Յիսուս պատասխանեց անոնց. «Դուք մոլորած էք. ո՛չ Գիրքերը գիտէք, ո՛չ ալ Աստուծոյ զօրութիւնը:
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra.
30 Քանի որ յարութեան ատեն՝ ո՛չ կ՚ամուսնանան եւ ո՛չ ամուսնութեան կը տրուին, հապա երկինքի մէջ՝ Աստուծոյ հրեշտակներուն պէս են:
Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
31 Բայց մեռելներուն յարութեան մասին չէ՞ք կարդացեր Աստուծմէ ձեզի ըսուած խօսքը.
Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:
32 “Ե՛ս եմ Աբրահամի Աստուածը, Իսահակի Աստուածը եւ Յակոբի Աստուածը”: Աստուած մեռելներուն Աստուածը չէ, հապա՝ ողջերուն»:
Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona.
33 Բազմութիւնը ասիկա լսելով՝ կ՚ապշէր անոր ուսուցումին վրայ:
Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ ny fampianarany.
34 Բայց Փարիսեցիները՝ երբ լսեցին թէ ան պապանձեցուց Սադուկեցիները, տեղ մը հաւաքուեցան,
Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
35 եւ անոնցմէ օրինական մը հարցուց՝ զայն փորձելով.
Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
36 «Վարդապե՛տ, ո՞ր պատուիրանը մեծ է Օրէնքին մէջ»:
Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ ny lalàna?
37 Յիսուս ըսաւ անոր. «“Սիրէ՛ Տէրը՝ քու Աստուածդ՝ ամբողջ սիրտովդ, ամբողջ անձովդ եւ ամբողջ միտքովդ”:
Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
38 Ա՛յս է առաջին ու մեծ պատուիրանը:
Izany no didy lehibe sady voalohany.
39 Եւ երկրորդը՝ ասոր նման. “Սիրէ՛ ընկերդ քու անձիդ՝՝ պէս”:
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
40 Այս երկու պատուիրաններէն կախուած են ամբողջ Օրէնքն ու Մարգարէները»:
Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
41 Երբ Փարիսեցիները հաւաքուեցան, Յիսուս հարցուց անոնց.
Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
42 «Քրիստոսի մասին ի՞նչ է ձեր կարծիքը. որո՞ւ որդին է»:
Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.
43 Ըսին իրեն. «Դաւիթի՛»: Յիսուս ըսաւ անոնց. «Հապա ի՞նչպէս Դաւիթ Հոգիով զայն Տէր կը կոչէ ու կ՚ըսէ.
Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
44 “Տէրը ըսաւ իմ Տէրոջս. «Բազմէ՛ իմ աջ կողմս, մինչեւ որ քու թշնամիներդ պատուանդան դնեմ ոտքերուդ»”:
Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ ny tongotrao?
45 Ուրեմն եթէ Դաւիթ զայն Տէր կը կոչէ, ի՞նչպէս ան իր որդին կ՚ըլլայ»:
Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
46 Ո՛չ մէկը կրնար խօսքո՛վ մը պատասխանել անոր: Այդ օրէն ետք՝ ո՛չ մէկը կը յանդգնէր բան մը հարցնել անոր:
Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

< ՄԱՏԹԷՈՍ 22 >