< ԵԲՐԱՅԵՑԻՍ 9 >

1 Արդարեւ առաջին ուխտն ալ ունէր պաշտամունքի կանոններ, նաեւ աշխարհային սրբարան մը.
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
2 որովհետեւ խորան մը կառուցանուած էր: Առաջինը, որուն մէջ կային աշտանակը, սեղանը եւ առաջադրութեան հացը, Սրբութիւն կը կոչուէր:
Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe “ny fitoerana masìna”, izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
3 Իսկ երկրորդ վարագոյրին ետեւ կար խորան մը՝ որ Սրբութիւններու սրբութիւն կը կոչուէր.
Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe “ny fitoerana masìna indrindra,”
4 անոր մէջ էին ոսկիէ բուրվառը եւ ամէն կողմէ ոսկեպատ ուխտին տապանակը, որուն մէջ կային ոսկիէ սափորը՝ մանանայով լեցուն, Ահարոնի գաւազանը՝ որ ծաղկեցաւ, եւ ուխտին տախտակները:
izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
5 Անոր վրայ ալ՝ փառքի քերովբէները, որ հովանի կ՚ընէին Քաւութեան վրայ: Այս մասին հիմա մանրամասն խօսելու կարիք չկայ:
ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, ― tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
6 Ասոնք այսպէս կառուցանուած ըլլալով, քահանաները ամէն ատեն կը մտնէին առաջին խորանը՝ պաշտամունք կատարելու:
Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
7 Իսկ միայն քահանայապետը կը մտնէր երկրորդին մէջ, տարին մէ՛կ անգամ. բայց ո՛չ առանց արիւնի, որ կը մատուցանէր իրեն համար, նաեւ ժողովուրդին անգիտութեան մեղքերուն համար:
Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana;
8 Սուրբ Հոգին սա՛ կը բացայայտէր, թէ սրբարանին ճամբան յայտնաբերուած չէր, քանի դեռ կը կենար առաջին խորանը,
koa izany no anambaran’ ny Fanahy Masìna fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ ny fitoerana masìna indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9 որ նախատիպար մըն էր ներկայ ատենին համար: Անոր մէջ կը մատուցանուէին ընծաներ ու զոհեր, որոնք չէին կրնար կատարեալ ընել պաշտամունք կատարողը՝ խղճմտանքին հանդէպ. հապա՝ կերակուրներով, խմելիքներով
fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana
10 եւ տարբեր լուացումներով՝ միայն մարմնաւոր կանոններ էին, որոնք կը պարտադրուէին մինչեւ ուղղումի ատենը:
(fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
11 Բայց երբ Քրիստոս եկաւ իբր գալիք բարիքներու Քահանայապետ, անցաւ աւելի մեծ ու կատարեալ խորանին մէջէն՝ որ անձեռակերտ է, (այսինքն՝ այս արարչութենէն չէ, )
Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’ izao zavatra ary izao,
12 եւ ի՛ր իսկ արիւնով - ո՛չ թէ նոխազներու եւ զուարակներու արիւնով - մէ՛կ անգամ ընդմիշտ մտաւ սրբարանը, յաւիտենական ազատագրութիւն ստանալով: (aiōnios g166)
ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay. (aiōnios g166)
13 Որովհետեւ եթէ ցուլերուն ու նոխազներուն արիւնը, եւ պիղծերուն վրայ սրսկուող երինջին մոխիրը, կը սրբացնէին՝ մարմինի մաքրութեան համար,
Fa raha ny ran’ osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasìna hatramin’ ny fanadiovana ny nofo,
14 ա՛լ ո՜րչափ աւելի Քրիստոսի արիւնը, որ յաւիտենական Հոգիին միջոցով մատուցանեց ինքզինք Աստուծոյ՝ իբր անարատ զոհ, պիտի մաքրէ ձեր խղճմտանքը մեռած գործերէն՝ պաշտելու համար ապրող Աստուածը: (aiōnios g166)
mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona. (aiōnios g166)
15 Հետեւաբար ինք նոր ուխտին միջնորդն է, քանի որ իր մահը եղաւ առաջին ուխտին ժամանակ գործուած օրինազանցութիւններուն ազատագրութեան համար, որպէսզի կանչուածները ստանան յաւիտենական ժառանգութեան խոստումը: (aiōnios g166)
Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ ny fahotana natao tamin’ ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (aiōnios g166)
16 Որովհետեւ հո՛ն՝ ուր կտակ մը կայ, հարկ է որ կտակարարը մեռնի:
Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy.
17 Արդարեւ կտակը կը հաստատուի մահէն ետք. այլապէս ոյժ չունի՝ այնքան ատեն որ կտակարարը ողջ է:
Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
18 Հետեւաբար առաջին ուխտն ալ չէր կրնար հաստատուիլ՝՝ առանց արիւնի.
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
19 քանի որ երբ Մովսէս ամբողջ ժողովուրդին հաղորդեց Օրէնքին բոլոր պատուէրները, ցուլերուն եւ նոխազներուն արիւնը առաւ ու նոյնինքն Գիրքին եւ ամբողջ ժողովուրդին վրայ սրսկեց՝ ջուրով, որդան կարմիր բուրդով ու զոպայով,
Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 եւ ըսաւ. «Ա՛յս է արիւնը այն ուխտին՝ որ Աստուած հրահանգեց ձեզի»:
dia hoy izy; Ity no ran’ ny fanekena izay nandidian’ Andriamanitra anareo.
21 Ու խորանին վրայ, եւ պաշտօնին բոլոր առարկաներուն վրայ նոյնպէս սրսկեց արիւնը:
Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
22 Օրէնքին համաձայն՝ գրեթէ ամէն բան կը մաքրուի արիւնով. եւ առանց արիւն թափելու՝ ներում չ՚ըլլար:
Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Ուրեմն հարկ էր որ երկնային բաներուն օրինակները մաքրուէին ասոնցմով, իսկ նոյնինքն երկնաւորները՝ ասոնցմէ լաւագոյն զոհերով:
Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Քանի որ Քրիստոս մտաւ ո՛չ թէ ձեռակերտ սրբարանը, որ ճշմարիտին կրկնատիպն էր, հապա նոյնինքն երկինքը, որպէսզի հիմա Աստուծոյ առջեւ երեւնայ մեզի համար.
Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masìna nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masìna, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ո՛չ ալ մտաւ՝ ինքզինք յաճախ իբր զոհ մատուցանելու համար, ինչպէս քահանայապետը՝ որ ամէն տարի սրբարանը կը մտնէ ուրիշին արիւնով.
ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ ny fitoerana masìna isan-taona mitondra ny ran’ ny zavatra hafa;
26 այլապէս, պէտք էր որ յաճախ չարչարուէր՝ աշխարհի հիմնադրութենէն ի վեր: Բայց հիմա, դարերու վախճանին, մէ՛կ անգամ երեւցաւ՝ ջնջելու համար մեղքը ինքզինք զոհելով: (aiōn g165)
fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’ izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ ny nanaterany ny tenany. (aiōn g165)
27 Եւ ինչպէս մարդոց վերապահուած է մէ՛կ անգամ մեռնիլ, իսկ անկէ ետք՝ դատաստանը,
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
28 նոյնպէս ալ Քրիստոս մէ՛կ անգամ իբր զոհ մատուցանուեցաւ՝ քաւելու համար շատերու մեղքերը, ու երկրորդ անգամ պիտի երեւնայ՝ առանց մեղքի, փրկելու համար անոնք՝ որ կը սպասեն իրեն:
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.

< ԵԲՐԱՅԵՑԻՍ 9 >