< ԵԲՐԱՅԵՑԻՍ 3 >

1 Ուստի, սո՛ւրբ եղբայրներ, երկնային կոչումին բաժնեկիցնե՛ր, ուշադի՛ր եղէք մեր դաւանութեան Առաքեալին ու Քահանայապետին՝ Քրիստոս Յիսուսի,
Koa amin’ izany, ry rahalahy masìna, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
2 որ հաւատարիմ էր զինք նշանակողին, ինչպէս Մովսէս ալ՝ անոր ամբողջ տան մէջ:
Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’ i Mosesy koa tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra.
3 Որովհետեւ ինք արժանացաւ Մովսէսէն ա՛յնքան աւելի փառքի, որքան աւելի պատիւ կ՚ունենայ տուն կառուցանողը՝ քան տունը:
Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Քանի որ ամէն տուն ունի կառուցանող մը. բայց ա՛ն որ կառուցանեց բոլոր բաները՝ Աստուա՛ծ է:
Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
5 Արդարեւ Մովսէս անոր ամբողջ տան մէջ հաւատարիմ էր իբր ծառայ՝ ըսուելիքներուն վկայ ըլլալու համար.
Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
6 բայց Քրիստոս՝ իբր որդի կը տիրէ իր իսկ տան վրայ: Մե՛նք ենք անոր տունը, եթէ գէթ մինչեւ վախճանը ամուր բռնենք համարձակութիւնը եւ յոյսին պարծանքը:
fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’ Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
7 Ուստի, ինչպէս Սուրբ Հոգին կ՚ըսէ. «Այսօր, եթէ պիտի լսէք անոր ձայնը,
Koa araka izay lazain’ ny Fanahy Masìna hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
8 մի՛ խստացնէք ձեր սիրտերը՝ ինչպէս դառնութեան ատեն, փորձութեան օրը՝ անապատին մէջ,
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
9 ուր ձեր հայրերը փորձեցին ու քննեցին զիս, թէպէտ քառասուն տարի տեսան իմ գործերս:
Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy tamin’ ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
10 Ուստի զզուեցայ այդ սերունդէն եւ ըսի. “Անոնք միշտ մոլորած են իրենց սիրտով, ու չգիտցան իմ ճամբաներս”:
Koa tezitra tamin’ izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Հետեւաբար երդում ըրի իմ բարկութեանս մէջ. “Անոնք պիտի չմտնեն իմ հանգստավայրս”»:
Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".
12 Զգուշացէ՛ք, եղբայրնե՛ր, որպէսզի ձեզմէ ո՛չ մէկուն ներսը անհաւատութեան չար սիրտ մը ըլլայ՝ հեռանալով ապրող Աստուծմէն:
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona;
13 Հապա ամէն օր յորդորեցէ՛ք զիրար, քանի «այսօր» կ՚ըսուի, որպէսզի ձեզմէ ո՛չ մէկը խստանայ մեղքին խաբէութեամբ:
fa mifananara isan’ andro, raha mbola atao hoe “Anio”; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ ny ota.
14 Արդարեւ մենք բաժնեկից եղած ենք Քրիստոսի, եթէ գէթ մինչեւ վախճանը հաստատ բռնենք մեր սկիզբի վստահութիւնը,
Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany;
15 մինչ կ՚ըսուի. «Այսօր, եթէ պիտի լսէք անոր ձայնը, մի՛ խստացնէք ձեր սիրտերը՝ ինչպէս դառնութեան ատեն»:
raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”.
16 Քանի որ ոմանք՝ լսելէ ետք՝ դառնացուցին. սակայն ոչ՝՝ բոլորը՝ որ Եգիպտոսէն ելած էին Մովսէսի միջոցով:
Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’ i Mosesy niala tany Egypta va?
17 Իսկ որոնցմէ՞ զզուեցաւ քառասուն տարի. մեղանչողներէն չէ՞ր, որոնց դիակները ինկան անապատին մէջ:
Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
18 Եւ որո՞նց երդում ըրաւ՝ թէ պիտի չմտնեն իր հանգստավայրը, եթէ ոչ՝ անհնազանդներուն:
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19 Ու կը տեսնենք թէ չկրցան մտնել՝ իրենց անհաւատութեան պատճառով:
Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.

< ԵԲՐԱՅԵՑԻՍ 3 >